Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ho Simba Tanteraka ve ny Tany Noho ny Ataon’ny Olombelona?”

“Ho Simba Tanteraka ve ny Tany Noho ny Ataon’ny Olombelona?”

“Ho Simba Tanteraka ve ny Tany Noho ny Ataon’ny Olombelona?”

● Toy ny vatosoa manga sy fotsy ny tany rehefa jerena avy eny ambony tsy taka-maso. Misy olana anefa ao, rehefa jerena akaiky. Nahoana? Tsy mikarakara azy io ny olombelona, toy ny mpanofa trano tsy manaja ny fonenany. Potehiny ny tany ka trandrahiny, lotoiny ny tontolo iainana, ary simbany ny ala. Ratsy fitondran-tena koa izy ireo, tsy miraharaha an’Andriamanitra, mahery setra, ary mamono olona.

Efa nolazain’ny Baiboly mialoha izany toe-javatra mampalahelo izany, roa arivo taona lasa teo ho eo izay. (2 Timoty 3:1-5; Apokalypsy 11:18) Nilaza koa ny Baiboly hoe Andriamanitra no handamina tanteraka an’izany olana izany fa tsy olombelona. Izany no hovelabelarina amin’ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Ho Simba Tanteraka ve ny Tany Noho ny Ataon’ny Olombelona?” Handre izany ianao any amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah hoe “Ho Tonga Anie ny Fanjakan’Andriamanitra!” Hatao maneran-tany izy io, ary amin’ny Jolay no hanomboka ny eto Madagasikara.

Faly izahay manasa anao hanatrika ny fivoriambe akaiky anao. Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo, na manorata amin’ny mpampanonta an’ity gazety ity. Hita ao amin’ny www.pr418.com ny lisitry ny toerana hanaovana an’ilay fivoriambe.