Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Lalan’ny Andevo

Ilay Lalan’ny Andevo

Ilay Lalan’ny Andevo

FOIBEN’NY fivarotana andevo tany Afrika Andrefana ny tanànan’i Ouidah, nanomboka tamin’ny taonjato faha-17 ka hatramin’ny taonjato faha-19. Any amin’ny Repoblikan’i Bénin ankehitriny no misy an’i Ouidah ary andevo iray tapitrisa mahery no naondrana avy tany. Afrikanina toa azy ihany matetika no ataon’ny Afrikanina hafa takalo mba hahazoany entana toy ny alkaola, fitafiana, brasele, antsy, sabatra, ary indrindra fa basy, izay tena be mpitady noho ireo adim-poko.

Tombanana ho 12 tapitrisa ny Afrikanina naondrana an-tsambo namakivaky ny Atlantika, teo anelanelan’ny taonjato faha-16 sy faha-19, satria nilana mpiasa ireo toerana fambolena sy fitrandrahana tany Amerika. Milaza ny boky Fanandevozana Tany Amerika Tamin’ny 1619-1877 (anglisy) fa ny 85 isan-jato eo ho eo tamin’ireo andevo no “nalefa tany Brezila sy tany amin’ny faritr’i Karaiba anisan’ny zanatany anglisy, frantsay, espaniola, ary holandey.” Tombanana ho 6 isan-jato kosa no nalefa tany amin’ireo zanatany lasa anisan’i Etazonia ankehitriny. *

Nanao dia an-tongotra efatra kilaometatra ireo andevo. Nifatotra rojo vy sy voakapoka ary nisy marika ny maro taminy. Teo amin’ilay Tranombakok’i Ouidah ankehitriny, izay toby nohavaozina, izy ireo no niainga ary nankany amoron-dranomasina, teo amin’ilay toerana antsoina hoe Varavarana Tsy Hiverenana Intsony. Teo no nifarana ilay Lalan’ny Andevo. Varavarana an’ohatra fotsiny izy io satria tsy tena teo no niaingan’ny andevo rehetra. Nahoana no lasa nalaza ny fanandevozana?

Zava-mahatsiravina efa nisy hatry ny ela

Efa ela be ireo mpitondra afrikanina no nivarotra babo an’ady tamin’ny Arabo. Niditra tamin’ny fivarotana andevo koa ny Eoropeanina, indrindra rehefa nanana zanatany tany Amerika. Be dia be ny andevo tamin’izany, noho ireo babo tamin’ny adim-poko, ka nahazo tombony be ireo mpandresy sy ireo mpividy andevo tia vola. Teo koa ireo nalaina an-keriny na ireo nentin’ny Afrikanina mpivaro-mandeha, ka lasa andevo. Azo namidy ho andevo daholo ny rehetra, na dia ny zanaka mpanjaka tsy nahazo sitraka tamin’ny mpanjaka aza.

Nalaza tamin’ny fivarotana andevo ilay Brezilianina atao hoe Francisco Félix de Souza. Izy no niandraikitra an’ilay toby foiben’ny fivarotana andevo tao Ouidah, tany amin’ny Helodranomasin’i Bénin, tamin’ny 1788. Anisan’ny Fanjakan’i Dahomey i Ouidah tamin’izany. Tsy nifanaraka anefa i De Souza sy Adandozan mpanjakan’i Dahomey. Niray tsikombakomba tamin’ny rahalahin’ny mpanjaka i De Souza, angamba tamin’izy nigadra, ka naongan’izy ireo i Adandonzan, tamin’ny 1818. Niara-niasa tsara àry i Ghezo, ilay mpanjaka vaovao, sy De Souza, nanomboka teo, ka i De Souza no natao mpiandraikitra ny fivarotana andevo.

Te hanitatra ny faritaniny i Ghezo, ka nila fitaovam-piadiana avy any Eoropa. Notendreny ho governoran’i Ouidah àry i De Souza, mba hanampy azy hifampiraharaha amin’ny Eoropeanina. Nahazo fahefana feno hivarotra andevo tao amin’io faritr’i Afrika io i De Souza, ka tsy ela dia nanan-karem-be. Ilay tsenan’andevo teo akaikin’ny tranony no lasa foiben’ny fividianana andevo, ho an’ny vahiny sy tompon-tany.

Lalana kotsan-dranomaso

Eo amin’ilay toby portogey no manomboka ny fitsidihana an’ilay Lalan’ny Andevo any Ouidah. Tranombakoka izao io toby naorina tamin’ny 1721 io. Natao tao amin’ilay tokotany lehibe teo afovoan’ilay toby ireo babo hatao andevo. Efa nandeha an-tongotra nandritra ny alina maro ny ankamaroany, ary niara-nafatotra rojo vy. Ny alina izy ireo no nandeha, mba tsy hahita lalana izay sendra mitsoaka.

Atao lavanty ny andevo rehefa tonga, ary asian’ny mpivarotra marika izay andevo avy novidiny. Nentina teny amoron-dranomasina izay andevo haondrana, ary nisy lakana nitondra azy ireo ho eny an-tsambo.

Hita eo amin’ilay Lalan’ny Andevo koa ny toerana nisy an’ilay Hazon’ny Fanadinoana. Voalaza fa noterena hihodidina teo intsivy ny lehilahy ary impito ny vehivavy. Hahatonga azy ireo hanadino ny taniny, hono, izany, mba tsy ho mora mikomy izy ireo. Misy mari-pahatsiarovana izao eo amin’io toerana io.

Nisy tranokely zomaï koa teny amin’ilay lalana. Mampiseho ny haizina tao anatin’ireo tranokely ny hoe zomaï. Tao no nametrahana an’ireo babo, mba hahatonga azy ho zatra amin’izay hanjo azy eny an-tsambo. Nety ho amam-bolana no nijanonan’izy ireo tao, talohan’ny nanondranana azy. Natsipy tao amin’ny fasana iray daholo izay maty. Efa tsy misy intsony ireny tranokely ireny fa mari-pahatsiarovana sisa no eo amin’ilay lalana.

Tena mampihetsi-po ilay tsangambato atao hoe Zomachi, izay manondro fibebahana sy fampihavanana. Mankeo ny taranak’ireo andevo sy mpivarotra andevo rehefa Janoary, mba hangata-pamelana ho an’ireo nanao ny tsy rariny.

Mifarana eo amin’ilay Varavarana Tsy Hiverenana Intsony ny fitsidihana. Natao hahatsiarovana ny fotoana farany nanitsahan’ireo andevo ny taniny izy io. Fidirana lehibe izy io ary misy sarina Afrikanina mifatotra rojo vy, manao andalana roa, ary miroso mankany amin’ny Ranomasimbe Atlantika. Nihinana fasika, hono, ny andevo sasany namoy fo rehefa tonga teo, mba hahatsiarovany ny tanindrazany. Ny sasany kosa te ho faty ka nanakenda tena tamin’ny rojo vy teny aminy.

Tapitra hatreo ny fanandevozana

Maro ny ezaka natao mba hanafoanana ny fanandevozana, taoriana kelin’ny 1800. Nitohy izany ka tamin’ny Jolay 1860 no tonga tao Mobile, Alabama, ny farany tamin’ireo sambo nitondra andevo avy tany Ouidah nankany Etazonia. Tsy ela ireo andevo ireo dia nafahana, satria navoakan’ny fitondran’i Etazonia ny Fanambarana Fanafahana, tamin’ny 1863. Nifarana ihany ny fanandevozana tany amin’ny Ila Bolantany Andrefana tamin’ny 1888, rehefa nofoanan’i Brezila ny fanandevozana. *

Hita be ny vokatry ny fivarotana andevo. Be dia be, ohatra, ny Afrikanina miparitaka any Amerika, ary tena misy fiantraikany eo amin’ny isan’ny mponina sy ny kolontsaina any izany. Miely patrana koa ny vaudou, izay fivavahana manao mazia sy milaza ozona famosaviana. Tena malaza izany any Haïti. Milaza Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) fa “ny hoe vaudou dia avy amin’ny hoe vodun, izay manondro andriamanitra na fanahy, amin’ny fitenin’ireo Fon monina any Bénin (Dahomey teo aloha).”

Mampalahelo fa mbola misy hatramin’izao ny fanandevozana, saingy amin’ny endriny hafa. An-tapitrisany, ohatra, no mitrongy vao homana noho ny hasarotam-piainana. Ny hafa kosa mijaly noho ny fampahorian’ny mpitondra politika. (Mpitoriteny 8:9) An-tapitrisany koa no andevozin’ny fampianaran-diso sy ny finoanoam-poana. Vitan’ny fitondran’olombelona ve ny manafaka ny vahoakany amin’ny fanandevozana toy izany? Tsia. I Jehovah Andriamanitra ihany no mahavita izany, ary hanao izany izy. Mampanantena tokoa ny Teniny fa hankafy ny “fahafahana be voninahitr’ireo zanak’Andriamanitra” ny olona rehetra miantehitra aminy ka manompo azy mifanaraka amin’ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly, izay manafaka.—Romanina 8:21; Jaona 8:32.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Vitsy ny andevo tany Etazonia tamin’ny voalohany, nefa nitombo izany. Noho izy ireo niteraka no tena nahatonga izany.

^ feh. 17 Miresaka an’izay lazain’ny Baiboly momba ny fanandevozana ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Nanala Tsiny ny Fivarotana Andevo ve Andriamanitra?”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Septambra 2001.

[Efajoro/Sary, pejy 24]

“NANJAKAZAKA TAMIN’NY NAMANY NY OLONA KA NAMPIDITRA LOZA TAMINY”

Maro no mino fa nanafika tanàna ireo mpivarotra andevo ary naka an-keriny an’izay olona tiany hatao andevo. Mety ho marina izany, nefa azo inoana fa tsy ho nahazo olona an-tapitrisany ireo mpivarotra andevo, “raha tsy nisy fiaraha-miasa maty paika teo amin’ireo mpitondra sy mpivarotra afrikanina”, hoy i Robert Harms, mpampianatra momba ny tantaran’i Afrika, tamin’izy nadinadinina tao amin’ny radio. Marina tokoa fa “nanjakazaka tamin’ny namany ny olona ka nampiditra loza taminy.”—Mpitoriteny 8:9.

[Sary nahazoan-dalana]

© Réunion des Musées Nationaux/Art Resource, NY

[Sarintany, pejy 22]

(Jereo ny gazety)

Afrikanina 12 tapitrisa teo ho eo no lasa andevo ka nalefa sambo namakivaky ny Atlantika

AFRIKA

BÉNIN

Ouidah

Morontsiraky ny Andevo

[Sary, pejy 22, 23]

Naorina tamin’ny 1721 ity toby portogey ity. Lasa tranombakoka ao Ouidah izao izy io

[Sary nahazoan-dalana]

© Gary Cook/Alamy

[Sary, pejy 23]

Sarivongana mampiseho andevo mifatotra sy notampenam-bava

[Sary, pejy 23]

Natao hahatsiarovana ny fotoana farany nanitsahan’ireo andevo an’i Afrika ilay Varavarana Tsy Hiverenana Intsony

[Sary nahazoan-dalana]

© Danita Delimont/Alamy