Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Ankahalaina ny Tena Mpanara-dia An’i Jesosy?

Nahoana no Ankahalaina ny Tena Mpanara-dia An’i Jesosy?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Nahoana no Ankahalaina ny Tena Mpanara-dia An’i Jesosy?

“Hanolotra anareo ho amin’ny fahoriana ny olona ka hamono anareo ho faty, ary ho halan’ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.”—MATIO 24:9.

NILAZA an’ireo teny ireo i Jesosy, andro vitsivitsy talohan’ny nampijalina sy namonoana azy. Hoy izy tamin’ireo apostoliny tsy nivadika, ny alina talohan’ny hahafatesany: “Raha nanenjika ahy izy dia hanenjika anareo koa.” (Jaona 15:20, 21) Nahafoy tena ho an’ny hafa sy nampionona ny mahantra ary nanome fanantenana ho an’ireo voahosihosy i Jesosy. Nahoana anefa no ankahalaina ireo mankatò sy miezaka ny hanahaka azy?

Milaza antony voafaritra tsara ny Baiboly. Handinika izany isika, ary ho hitantsika hoe nahoana no toherina toa an’i Kristy ny mpanara-dia azy.

Noho ny tsy fahalalana

Hoy i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Ho tonga ny fotoana hiheveran’izay rehetra mamono anareo fa manao fanompoana masina ho an’Andriamanitra izy. Ary hitranga izany, satria mbola tsy fantany na ny Ray na izaho.” (Jaona 16:2, 3) Marina fa nilaza ho nanompo an’ilay Andriamanitra notompoin’i Jesosy ny maro tamin’ireo mpanenjika. Ny zavatra inoan’ny fivavahan-diso sy ny fombafombany anefa no nanan-kery teo amin’izy ireo. “Mafana fo ho an’Andriamanitra izy ireo, saingy tsy araka ny fahalalana marina tsara.” (Romanina 10:2) Mpanenjika toy izany i Saoly avy any Tarsosy, izay lasa apostoly Paoly tatỳ aoriana.

Fariseo i Saoly taloha. Sekta jiosy mpanao politika ny Fariseo, ary natanjaka sy nanana fahefana. Nanohitra ny Kristianina izy ireo. Niaiky i Saoly hoe: ‘Mpanevateva an’Andriamanitra aho taloha, sady mpanenjika no mpanambany olona. Noho ny tsy fahalalako sy ny tsy finoako no nanaovako izany.’ (1 Timoty 1:12, 13) Niova izy raha vao nahalala ny marina momba an’Andriamanitra sy ny Zanany.

Toy izany koa ny olona maro ankehitriny. Nanenjika izy ireny taloha nefa niova, ary ny sasany aza lasa enjehina koa, toa an’i Saoly. Tsy mamaly ratsy ny ratsy anefa izy ireo fa manaraka an’ity torohevitr’i Jesosy ity: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.” (Matio 5:44) Miezaka mankatò an’izany ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manantena fa hisy mpanenjika hiova, toa an’i Saoly.

Noho ny fialonana

Maro no nanohitra an’i Jesosy satria nialona azy. Fantatr’i Pontio Pilato governora romanina fa “noho ny fialonana no nanoloran’ny lehiben’ny mpisorona an’i Jesosy” mba hofantsihana amin’ny hazo fijaliana. (Marka 15:9, 10) Nahoana ny mpitondra fivavahana jiosy no nialona an’i Kristy? Anisan’ny anton’izany ny hoe i Kristy no tian’ilay vahoaka nohambanian’izy ireo. Nitaraina ireo Fariseo hoe: “Lasa manaraka azy izao tontolo izao.” (Jaona 12:19) Rehefa nandray tsara ny fitorian’ny mpanara-dia an’i Kristy koa ny olona tatỳ aoriana, dia “velom-pialonana” ireo mpanohitra ary nikapoka an’ireo mpitory.—Asan’ny Apostoly 13:45, 50.

Misy koa tezitra satria tsara fitondran-tena ny mpanompon’Andriamanitra. Hoy ny apostoly Petera tamin’ireo mpiray finoana taminy: “Koa satria tsy miara-mihazakazaka [amin’ny mpanao ratsy] intsony ho amin’izany honahonan’ny filibana izany ianareo, dia very hevitra izy ka manevateva anareo tsy misy farany.” (1 Petera 4:4) Fahita koa izany ankehitriny. Mazava ho azy fa tsy hoe manambony tena na mihevi-tena ho marina ny tena Kristianina, raha manalavitra ny fitondran-tena ratsy. Mpanota daholo mantsy ny olombelona ka samy mila ny famindram-pon’Andriamanitra.—Romanina 3:23.

Noho izy ireo “tsy anisan’izao tontolo izao”

Hoy ny Baiboly: “Aza tia an’izao tontolo izao na ny zavatra eo amin’izao tontolo izao.” (1 Jaona 2:15) Inona ilay tontolo noresahin’ny apostoly Jaona? Ilay tontolon’ny olombelona tafasaraka amin’Andriamanitra ary manaiky hofehezin’i Satana, izay “andriamanitr’ity tontolo ity.”—2 Korintianina 4:4; 1 Jaona 5:19.

Mampalahelo fa manohitra an’ireo miezaka hankatò ny fampianaran’ny Baiboly ny olona sasany tia an’ity tontolo ity sy ny fomba ratsiny. Hoy àry i Jesosy tamin’ny apostoliny: “Raha anisan’izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao. Fa satria tsy anisan’izao tontolo izao ianareo, fa izaho efa nifidy anareo avy tamin’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo.”—Jaona 15:19.

Mampalahelo fa halan’ny olona ny mpanompon’i Jehovah satria tsy tia ny tontolon’i Satana, izay anjakan’ny kolikoly sy tsy rariny ary herisetra. Olona tso-po maro no te hanatsara an’ity tontolo ity, nefa tsy manan-kery eo anoloan’ilay mpitondra tsy hita maso. I Jehovah Andriamanitra ihany no afaka mamongotra an’i Satana. Haringany tanteraka izy, toy ny hoe dorany amin’ny afo.—Apokalypsy 20:10, 14.

Lafiny lehibe amin’ny “vaovao tsaran’ilay fanjakana” torin’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany izany fampanantenana kanto izany. (Matio 24:14) Miaiky tokoa ny Vavolombelona fa ilay Fanjakan’Andriamanitra tarihin’i Kristy ihany no hampisy fiadanana sy fahasambarana maharitra eto an-tany. (Matio 6:9, 10) Mitory momba an’io Fanjakana io foana àry izy ireo, ary aleony lavitra mahazo sitraka amin’Andriamanitra, toy izay amin’olona.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Nahoana i Saoly avy any Tarsosy no nanohitra ny mpanara-dia an’i Kristy?—1 Timoty 1:12, 13.

● Nahoana no nanenjika an’i Jesosy ny olona sasany?—Marka 15:9, 10.

● Ahoana no fiheveran’ny tena Kristianina an’ity tontolo ity?—1 Jaona 2:15.

[Sary, pejy 21]

Notafihin’ny vahoaka romotra ny Vavolombelon’i Jehovah tany Québec, Kanada, tamin’ny 1945, satria nitory ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy Canada Wide