Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Rehefa Misy Ankizy Voan’ny Kansera

Rehefa Misy Ankizy Voan’ny Kansera

Rehefa Misy Ankizy Voan’ny Kansera

“Kivy tanteraka aho, ary nikorontana ambony ambany ny fiainako. Nalahelo be aho, toy ny hoe efa maty sahady ilay zanako vavikely.”—Jaílton, rehefa fantany hoe voan’ny kansera ny zanany.

METY ho mafy be aminao, na hampahatahotra anao mihitsy aza, ny mahalala hoe voan’ny kansera ny zanakao. Maro ve ny ankizy voan’ny kansera? Hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miady Amin’ny Kansera: “Amin’ny olona rehetra voan’ny kansera, dia vitsy no ankizy. Hita avy amin’ireo ankizy 160 000 mahery isan-taona manao fizaham-pahasalamana [maneran-tany] anefa fa ny kansera no antony faharoa mahafaty ny ankizy any amin’ny tany mandroso, ary ny loza tampoka no voalohany.” Milaza, ohatra, ny Ivon-toerana Momba ny Kansera fa “ankizy 9 000 eo ho eo isan-taona no voan’ny kansera”, any Brezila.

Milaza ny boky Reny Mikarakara Zanaka Voan’ny Kansera (portogey) fa rehefa misy ankizy voan’ny kansera, dia “misy fiantraikany eo amin’ny mpianakavy rehetra tsy an-kanavaka” izany. Matetika no tsy maintsy didiana ilay ankizy. Eo koa ny fitsaboana simika sy amin’ny alalan’ny taratra, na ny iray amin’ireo. Mandrera-tsaina ny ray aman-dreny ireo fitsaboana ireo sy ny voka-dratsiny, ka mahatonga azy hatahotra, halahelo, hanamelo-tena, ho tezitra, ary tsy hanaiky ny zava-misy. Inona àry no azon’ny ray aman-dreny atao?

Mazava ho azy fa tena mampahery ny mpitsabo matihanina. Hoy ny dokotera iray any New York, izay nikarakara marary maro voan’ny kansera: “Afaka milaza zavatra sasany mety hampahery izy ireo, ary mampiomana amin’izay mety hitranga, ka ho vonona kokoa hiatrika an’izay hiseho ny saina.” Afaka mampahery koa ny ray aman-dreny manan-janaka efa voan’ny kansera. Izany no nahatonga ny Mifohaza! hanadinadina ray aman-dreny vitsivitsy any Brezila.

Jaílton sy Néia “Tamin’ny zanakay vavy roa taona sy tapany no fantatra hoe voan’ny kanseran’ny ra.”

Hafiriana no nitsaboana azy?

“Efa ho roa taona sy tapany izy no nanaraka fitsaboana simika.”

Inona no voka-dratsin’izany teo aminy?

“Nandoa be izy, nihintsana ny volony, nihamainty ny nifiny, ary intelo izy no voan’ny pnemonia.”

Inona no tsapanareo tamin’izany?

“Nisahotaka aloha izahay. Nihasalama anefa izy ka natoky izahay hoe ho sitrana izy. Efa ho sivy taona izy izao.”

Inona no nanampy anareo hiatrika an’izany?

“Tena nanampy ny fatokisana an’i Jehovah Andriamanitra, izay ‘mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra’, araka ny 2 Korintianina 1:3, 4. Tena nanohana anay koa ny mpiara-mivavaka aminay. Nanoratra taratasy mampahery izy ireo, nitelefaonina, nivavaka niaraka taminay sy nivavaka ho anay, ary nanome vola mihitsy aza. Tsy maintsy nifindra hopitaly tany amin’ny firenen-kafa ilay zanakay, ka ny Vavolombelona tany no nanome trano ipetrahanay sy nifandimby nitondra anay teny amin’ny hopitaly. Tsy hitanay izay teny mahalaza ny fankasitrahanay ny fanampiana azonay.”

Luiz sy Fabiana “Hita hoe voan’ny kanseran’ny fihary atodinaina ny zanakay vavy tamin’ny 1992, tamin’izy 11 taona. Tsy fahita izy io sady mampidi-doza.”

Nanao ahoana ny fihetsikareo tamin’ny voalohany?

“Tsy nino izahay. Tsy neken’ny sainay hoe voan’ny kansera ny zanakay.”

Ahoana no nitsaboana azy?

“Nodidiana izy ary nanaraka fitsaboana simika, ka torovana sy rera-po izahay. Indroa voan’ny pnemonia izy, ary saika maty tamin’ilay faharoa. Tsy ampy plakety koa izy ka mandeha ra ho azy ny hodiny sy ny orony. Nihena izany rehefa nihinam-panafody izy.”

Hafiriana no nitsaboana azy?

“Enim-bolana teo ho eo, nanomboka tamin’ny fitsirihana voalohany ka hatramin’ilay fitsaboana simika farany.”

Inona no tsapan’ny zanakareo rehefa fantatra ny aretiny ka notsaboina izy?

“Tsy fantany izay nitranga, tamin’ny voalohany. Nilaza taminy ny dokotera hoe nisy ‘baolina kely tao amin’ny vavoniny ka nila nesorina.’ Fantany ihany anefa hoe narary mafy izy. Hoy izy: ‘Dada a, angaha izaho voan’ny kansera?’ Tsy hitako izay havaly azy.”

Inona no tsapanareo rehefa nahita ny zanakareo narary?

“Sarotra ny manazava ny fahorian-tsaina tsapanay. Eritrereto hoe hanaovana fitsaboana simika ny zanakao, ary hitanao izy sy ilay mpitsabo mpanampy miara-mitady ny lalan-drany. Nankao amin’ny efitra fandroana aho ary nitomany sy nivavaka, nandritra an’ireny fotoan-tsarotra ireny. Kivy be aho indray alina ka nangataka tamin’i Jehovah hoe aleo izaho no ho faty fa tsy ilay zanako vavy.”

Inona no nanampy anareo hiatrika an’izany?

“Tena nanohana anay ny Kristianina mpiara-mivavaka aminay. Nitelefaonina anay ny sasany taminy. Nasain’ny rahalahy iray naka Baiboly aho, ary namakiany andininy tao amin’ny Salamo. Tena nilainay mivady ireo andinin-teny ireo, satria anisan’ny fotoana sarotra indrindra nitsaboana ny zanakay tamin’izay.”

Rosimeri “Efa-taona ny zanako vavy tamin’izy fantatra hoe voan’ny kanseran’ny ra.”

Nanao ahoana ny fihetsikao tamin’ny voalohany?

“Sarotra ninoana ilay izy. Nitomany andro aman’alina aho sady nitady fanampiana tamin’Andriamanitra. Nalahelo be koa ny zokiny vavy rehefa nahita azy narary mafy. Tsy maintsy nalefako tany amin’ny reniko mihitsy aza ilay zokiny.”

Inona no voka-dratsin’ilay fitsaboana teo amin’ny zanakao?

“Nisy fitsaboana simika natao taminy isan’andro ka lasa tsy ampy liomena izy. Nasain’ny dokotera nihinana fanafody mampisy vy sy érythropoïétine àry izy mba hampitomboana ny liomenany. Nampanahy foana ny isan’ny liomenany. Nanao krizy foana koa izy.”

Hafiriana no nitsaboana azy?

“Nisy fitsaboana simika natao taminy, nandritra ny roa taona sy efa-bolana, ka nihintsana ny volony ary lasa natavy be izy. Soa ihany fa tia vazivazy izy. Afaka enin-taona teo ho eo vao nilaza ny dokotera fa tsy nahitana soritr’aretina intsony tao aminy.”

Inona no nanampy anao hiatrika an’ilay fotoan-tsarotra?

“Nivavaka matetika izahay mianaka ary nieritreritra an’ireo tantaran’ny Baiboly momba ny mpanompon’Andriamanitra niaritra fitsapana maro nefa tsy nivadika. Narahinay ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 6:34 hoe tsy tokony havela hanampy trotraka ny fanahiana ho an’ny andro ny fanahiana ny amin’ny ampitso. Nanampy be anay ny Kristianina namanay, anisan’izany ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly (KMH). Teo koa ireo mpitsabo tsara fanahy izay efa zatra mahita olana toy ny anay.”

Voan’ny kansera ve ny ankizy iray fantatrao, na ankizy ao amin’ny fianakavianao mihitsy aza? Enga anie ireo fanadinadinana tato ka hanampy anao hahatsapa fa ara-dalàna ny alahelonao. “Misy fotoana itomaniana”, hoy ny Baiboly. (Mpitoriteny 3:4) Matokia koa fa hampahery an’izay rehetra mitoky aminy amin’ny fo i Jehovah, ilay tena Andriamanitra “Mpihaino vavaka.”—Salamo 65:2.

[Efajoro, pejy 13]

Andinin-teny Mampahery

“Aza manahy mihitsy ny amin’ny ampitso, fa ny ampitso hanana ny fanahiany. Ampy ho an’ny andro tsirairay ny ratsy mitranga eo aminy.”—Matio 6:34.

“Hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny fangorahana sy Andriamanitry ny fampiononana rehetra! Mampionona antsika amin’ny fahoriantsika rehetra izy.”—2 Korintianina 1:3, 4.

“Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.” —Filipianina 4:6, 7.

“Apetraho [amin’Andriamanitra] daholo izay rehetra mampanahy anareo, satria miahy anareo izy.”—1 Petera 5:7.

[Efajoro/Sary, pejy 14]

Fandaharana Feno Fitiavana

Manampy ny marary hiara-miasa amin’ny hopitaly ny KMH eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Ampian’izy ireo ny Vavolombelona marary mba hahita dokotera mahay, izay hanaja ny faniriany hankatò an’ilay didin’ny Baiboly mba ‘hifady ny ra.’—Asan’ny Apostoly 15:20.

[Sary, pejy 13]

Néia sy Sthefany ary Jaílton

[Sary, pejy 13]

Luiz sy Aline ary Fabiana

[Sary, pejy 13]

Aline sy Rosimeri