Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Toy ny Vazy Sarobidy” ve ny Molotrao?

“Toy ny Vazy Sarobidy” ve ny Molotrao?

“Toy ny Vazy Sarobidy” ve ny Molotrao?

● Hoy i Solomona Mpanjaka: “Na eo aza ny volamena sy ny haran-dranomasina maro be, dia hafa ihany ny molotra mampita fahalalana, satria toy ny vazy sarobidy izany.” (Ohabolana 20:15) Noheverina ho sarobidy foana ny volamena. Sarobidy koa ny haran-dranomasina tamin’ny andron’i Solomona. Mety ho sarobidy kokoa noho ireo anefa ny molotsika. Nahoana? Tsy noho ny paoziny fa noho ny hevitra avoakany.

Feno hatsaran-toetra sy hatsaram-panahy ary fitiavana ny teny avoakan’ny molotra sarobidy. “Molotra mampita fahalalana” koa izy io ka miresaka ny marina momba an’Andriamanitra, araka izay voalaza ao amin’ny Baiboly. Feno fahendrena sy fahamarinana momba ny Mpamorona tokoa ny Baiboly, ary misy torohevitra faran’izay tsara.—Jaona 17:17.

Mampalahelo fa mampiasa ny molony amin’ny fomba ratsy ny olona maro, ka milaza zavatra tsy marina momba an’Andriamanitra. Misy, ohatra, manome tsiny azy noho ny tsy rariny sy ny fijaliana eran-tany, nefa ny ataon’ny olona ihany no mahatonga ny ankamaroan’ireny. Hoy ny Ohabolana 19:3: “Ny hadalan’ny olona ihany no manimba ny fiainany, ka amin’i Jehovah no tezitra ny fony.”

Ny hafa indray mampihena ny hasarobidin’ny molony ka mihatsaravelatsihy, na mifosa, na manendrikendrika mihitsy aza. Mazava ny sarin-teny ao amin’ny Ohabolana 26:23, manao hoe: “Toy ny ankoso-bolafotsy amin’ny silaka tanimanga ny olona manao teny feno fitiavana nefa ny fony feno fankahalana.” Toy ny “ankoso-bolafotsy” manafina ny tanimanga ao ambaniny ny olona sasany miseho ho tia anao amin’ny fony, ka “manao teny feno fitiavana nefa ny fony feno fankahalana.”—Ohabolana 26:24-26.

Mazava ho azy fa tsy miafina amin’Andriamanitra izany faharatsiana izany. Hitany hoe olona manao ahoana marina isika. Hoy i Jesosy Kristy: “Diovy aloha ny atin’ny kaopy sy ny vilia, mba hadio koa ny ivelany.” (Matio 23:26) Marina tokoa izany! Ho hita amin’izay lazaintsika raha madio ny fontsika ary feno fahalalana marina an’Andriamanitra ny saintsika. Inona no ho vokatr’izany? Ho toy ny “vazy sarobidy” ny molotsika, indrindra eo imason’Andriamanitra.

[Sary, pejy 19]

“Toy ny vazy sarobidy” ny molotry ny hendry