Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Vitsika Tantely any An-tany Efitra

Vitsika Tantely any An-tany Efitra

Vitsika Tantely any An-tany Efitra

NANIRY hampiseho anay zavatra iray tany an-tany efitra i Yuminiya, tompon-tany aostralianina. Nentiny tany amin’ireo kirihitra tany avaratr’i Alice Springs, any Aostralia Afovoany, izahay. Nojereny tsara ny fasika tamin’ny tany. Narahiny ny lalan’ireo biby kely tao ambanin’ny fototry ny hazo akasia, satria izy ireo no hitarika anay any amin’ny toerana misy zava-mamy. Fa inona ireo biby ireo? Ny vitsika tantely.

Niezaka mafy izy nandavaka ary nanaraka an’ireo lalam-bitsika tao amin’ilay tany feno fasika. Tsy ela dia nahavita lavaka iray metatra mahery azony nipetrahana izy. Hoy izy avy tao amin’ilay lavaka: “Afaka mitady vitsika tantely foana ianao mandavantaona, saingy amin’ny ririnina no tena tsara satria mafana be rehefa fahavaratra.” Nodinihiny ireo lalam-bitsika, ary hoy izy: “Mila fantarina izay lalam-bitsika tokony harahina.”

Tsy ela dia nahita tranom-bitsika i Yuminiya. Nisy vitsika tantely 20 tao, fara fahakeliny. Feno ranon-javatra mivolon-daoranjy ny kibony ary mibontsina toy ny haben’ny voaloboka. Mikiraviravy ao amin’ny tranony ireo vitsika, ary tsy afa-mihetsika satria feno be ny kibony. Minitra vitsy i Yuminiya dia efa nahazo vitsika tantely 100 mahery avy ao amin’ireo tranom-bitsika. Hoy izy: “Anisan’ny sakafo mamy indrindra atỳ aminay ny tantelin’itony vitsika itony.”

Fitoeran-tantely

Anisan’ny miavaka indrindra amin’ireo karazam-bitsika 10 000 mahery fantatra ny vitsika tantely. Tsy toy ny tantely izy ireo, satria tsy amin’ny tohotra no itehirizany ny maminy fa ao an-kibony. Ireny “fitoeran-tantely” ireny no iveloman’ireo andiam-bitsika rehefa tsy dia misy sakafo.

Rehefa haka na hanatitra sakafo ireo vitsika hafa, dia misy fomba manokana ikitihany ny tandroky ny vitsika mpitahiry tantely. Sokafan’ireo mpitahiry tantely àry ny vavany mba hisokafan’ilay “fitoeran-tantely.” Misy valva manokana ao amin’ny vavoniny, mandrindra ny fivoahana sy fidiran’ilay tantely. Maharitra volana vitsivitsy ny androm-piainan’ny vitsika tantely ary azo alaina sy soloana imbetsaka ny tantely ao aminy.

Tsy mihetsiketsika any ambanin’ny tany ireo vitsika mpitahiry tantely, ka voaro amin’ny hain-tany sy ny hafanana ary ny biby kely mpihinana azy. Mamoaka ranon-javatra miaro amin’ny mikraoba izy mba hiarovany tena amin’ny bakteria sy ny holatra.

Avy aiza ilay “ranon-tantely”? Avy amin’ny hazo akasia. Misy haon-kazo maka ny ranon’io hazo io sy ny mamimboniny. Ny mamy ao amin’ireo haon-kazo ireo avy eo no trohin’ny vitsika mpiasa. Maka mamimbony eny amin’ilay hazo koa ny vitsika mpiasa. Izany no amahanany an’ireo vitsika mpitahiry tantely. Mazava ho azy fa tsy mila misakafo be ireo vitsika ireo satria tsy mihetsika. Lasa ao amin’ilay fitoeran-tantely àry ny ankamaroan’ny maminy.

Ary ahoana ny amin’ireo haon-kazo? Miala maina ve izy ireo? Tsy izany mihitsy. Amelan’ny vitsika mamimbony izy. Arovan’ny vitsika amin’ny katsentsitra sy ny biby hafa koa izy. Mahay miara-miasa tokoa ny vitsika sy ny haon-kazo ka samy mandray soa.

Hoy ny Baiboly: “Mandehana any amin’ny vitsika ... Diniho ny fanaony ka mba hendre. Na dia tsy manana mpitondra na mpiadidy na mpitarika aza izy, dia manangona ny sakafony izy rehefa fahavaratra, ary manangona ny haniny mandritra ny fijinjana.” (Ohabolana 6:6-8) Marina tokoa izany. Tena mahay miara-miasa sy voalamina tsara ary mazoto miasa ireo vitsika miasa mafy ireo. Mahagaga antsika koa ilay zava-mamy amboariny any amin’io tany ngazana io.

[Sary, pejy 11]

Feno mamimbony ny kibon’ny vitsika tantely

[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]

Pejy 10, 11, ambony: M Gillam/photographersdirect.com; pejy 11: © Wayne Lynch/age fotostock