Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hifarana Ihany ve ny Asa Fampihorohoroana?

Hifarana Ihany ve ny Asa Fampihorohoroana?

Hifarana Ihany ve ny Asa Fampihorohoroana?

‘ILANA ezaka mafy ny manova ny fo sy ny saina.’ Izany no hita taorian’ny fikarohana naharitra 20 taona, nandinihana ny toetoetran’ny olona milaza ho mpampihorohoro.

Inona anefa no afaka manova ny fo sy ny sain’ny olona iray raha efa tena latsa-paka ao aminy ny fitiavana herisetra sy valifaty?

Boky afaka manova ny fo

Nandinika ny zavatra ninoany i Hafeni, teo anelanelan’ny 1990 sy 2000, ary nitady Baiboly. Hoy izy: “Nanomboka nandinika ny Filazantsara [ireo boky ao amin’ny Baiboly nosoratan’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona] aho. Nisy ny tantaran’i Jesosy tao. Nahasarika ahy ny toetrany. Tsara fanahy sy tsy nanavakavaka izy. Nahafaly ahy izany.”

Nilaza i Hafeni fa “nahatonga saina” azy “ny Asan’ny Apostoly 10:34 sy 35”, rehefa nanohy namaky izy. Izao no voalaza ao: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.”

Hoy izy: “Hitako fa ny olona ihany no mahatonga ny fanindrahindram-poko sy fanindrahindram-pirenena ary fanavakavahana. Takatro fa afaka manova ny fisainan’ny olona ny Baiboly ary izay hahazoana sitraka amin’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainana. Izany no zava-dehibe kokoa noho ny hoe miady ho an’ny foko na ny volon-koditra.”

Nitarika mpiady vitsivitsy i Joseba, ilay voaresaka tany aloha, ary nikasa hanapoaka paositry ny polisy izy ireo. “Mbola tsy vita akory anefa ilay fanafihana”, hoy izy, “dia voasambotra aho ary nigadra roa taona.” Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Luci vadiny. Niara-nianatra Baiboly taminy koa i Joseba, tatỳ aoriana.

Hoy i Joseba: “Lasa te hanahaka an’i Jesosy aho rehefa nihanahalala azy. Nisy vokany teo amiko ilay teniny hoe: ‘Ho fatin’ny sabatra izay rehetra mampiasa sabatra.’ Hitako hoe marina izany.” (Matio 26:52) Niaiky izy hoe: “Rehefa mamono olona ianao, dia hankahala anao ny havany ary te hamaly faty. Mampahory fotsiny ny herisetra fa tsy manatsara zavatra.” Nanova ny fomba fisainany i Joseba.

Hitan’i Hafeni sy Joseba fa mety hanan-kery eo amin’ny olona iray ny fampianaran’ny Baiboly. Milaza ny Baiboly fa “velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra” ary afaka mamantatra ‘ny fikasan’ny fo.’ (Hebreo 4:12) Manan-kery hanovana ny fisainan’ny olona sy ny fanaony ny Tenin’Andriamanitra. Miray saina tokoa ve anefa ireo tena mampihatra ny fampianaran’ny Baiboly? Andeha isika hijery porofo.

Mpirahalahy mifankatia maneran-tany

Nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah i Hafeni. Nanohina ny fony ny nahita olona samy hafa firazanana nifankahazo tsara. Hoy izy: “Nidobodoboka be ny foko rehefa nipetraka teo akaikin’olona fotsy hoditra aho. Tsy noeritreretiko mihitsy ny hiantso olona fotsy hoditra hoe rahalahy. Vao mainka aho niaiky fa ny Vavolombelon’i Jehovah no fivavahana marina, noho izy ireo miray saina sy mifankatia na dia samy hafa firazanana aza. Efa ela aho no naniry hahita olona miray saina toy izany.”

Nilaza i Jesosy fa ny ‘fifankatiavana’ no hamantarana ny tena mpanara-dia azy. (Jaona 13:34, 35) Tsy nety niditra tamin’ny adilahy politika koa izy ary nilaza tamin’ny mpianany hoe: “Tsy anisan’izao tontolo izao ianareo.” (Jaona 6:15; 15:19; Matio 22:15-22) Mifankatia sy tsy manao politika ny Kristianina ary izany foana no nahafantarana azy ireo, hatramin’izay ka hatramin’izao.

Azo ampiharina izay nampianarin’i Jesosy

Azo atao ve anefa ny hanana fitiavana na dia voazarazaran’ny asa fampihorohoroana aza ity tontolo ity? Samy manindrahindra ny tanindrazany na ny fokony na ny fiaviany ny olona rehefa misy ady ara-politika. Lasa mifandrafy àry ny olona na ny firenena.

Diniho izay nitranga tamin’ny 1914. Fanindrahindrana foko no nahatonga an’i Gavrilo Princip hamono ny Printsy François-Ferdinand, mpandimby ny mpanjakan’i Aotrisy-Hongria. Anisan’ny fikambanana iray nantsoina hoe Tanana Mainty i Princip. Aleon’io fikambanana io “mitolona ho an’ny fiovana toy izay ... hanao hetsika ara-kolontsaina” rehefa hanatratra tanjona. Nampiady an’ireo firenena milaza tena ho Kristianina iny famonoana iny, ary nahatonga ny Ady Lehibe I. Maty ny mpiady an-tapitrisany izay nilaza ho mpanara-dia an’i Jesosy, ilay “Andrianan’ny Fiadanana.”—Isaia 9:6.

Nanakiana an’ireo mpitondra fivavahana mitonona ho Kristianina i Harry Fosdick, mpitondra fivavahana malaza, noho izy ireo tsy nampianatra ny olona hanahaka an’i Jesosy. Hoy izy rehefa tapitra ny ady: ‘Namolavola olona mba hiady isika. Nohindrahindraintsika ireo mpiady ary nasiantsika sainan’ny ady mihitsy aza ny fiangonantsika. Vava iray ihany no niderantsika an’ilay Andrianan’ny Fiadanana sy nankalazantsika ny ady.’

Diniho anefa izay voalazan’ity voka-pikarohana nivoaka tamin’ny 1975 ity: ‘Tsy nandray anjara tamin’ny ady sy tsy nanao politika mihitsy ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ireo ady lehibe roa sy ireo fifandonana nandritra ny “Ady Mangatsiaka.”’ “Tsy namaly tamin’ny herisetra mihitsy” ny Vavolombelon’i Jehovah na dia nampijalina sy nogadraina aza. Izao no teo amin’ny famaranan-teny: ‘Tena miaiky ny Vavolombelon’i Jehovah fa avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Baiboly, ka ampifanarahiny amin’izany izay ampianariny.’

Mahasoa ny fampianaran’ny Baiboly

Nomen’ny mpifanila trano aminy an’ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany ny praiminisitra taloha tany Belzika. Nampihetsi-po azy io boky momba ny fiainan’i Jesosy io, ary hoy izy: “Hita fa hiova tanteraka ity tontolo ity, raha mandinika bebe kokoa ny Filazantsara ny olona, ary mampihatra ny toro lalan’i Jesosy Kristy ao anatin’izy io.”

Hoy koa izy: “Tsy hila Filan-kevi-pilaminana intsony isika amin’izay, ary tsy hisy intsony ny mpampihorohoro. Ho foana [koa] ny herisetra.” Hoy anefa izy: “Nofinofy ihany izany rehetra izany.” Nofinofy tokoa ve izany? Marina fa feno herisetra ny tany, ary betsaka ny olona feno fankahalana noho ny fandatsahan-dra hitany nandritra ny am-polony taona. Olona maro samihafa anefa no ampian’ny Baiboly mba tsy ho tia herisetra sy handresy izany fankahalana izany.

Saika matin’ilay baomba namono ny maro tamin’ny namany i Andre, araka ny hitantsika tany aloha. Antokona mpitolona no nametraka an’ilay baomba. Nianaran’i Andre tao amin’ny Baiboly, tatỳ aoriana, fa tokony ‘hamela heloka tanteraka’ izy, ary nataony izany. (Kolosianina 3:13) Lasa anisan’io antokona mpitolona io i Hafeni, taona maro taorian’ny nipoahan’ilay baomba. Nampihatra ny toro lalan’ny Baiboly koa anefa izy ka tsy nahery setra intsony. (Salamo 11:5) Samy Vavolombelon’i Jehovah izao izy roa lahy ary miara-miasa ao amin’ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Afrika.

Tsy manahy ny amin’ny hoavy

Lasa tsy manahy ny amin’ny hoavy ny olona an-tapitrisany eran-tany rehefa mianatra Baiboly. Nolazain’i Andre tamin’ny mpiara-monina taminy, ohatra, indray mandeha, fa mampanantena ny Baiboly hoe hisy tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. (Isaia 2:4; 11:6-9; 65:17, 21-25; 2 Petera 3:13) Tampoka teo dia nohodidinin’ny miaramila mitam-piadiana ilay trano ary nasain’izy ireo nivoaka i Andre mba hofotorana. Lasa anefa izy ireo rehefa fantany fa nampianatra Baiboly an’ilay mpiara-monina taminy i Andre.

Vao avy nohazavain’i Andre fa handray an-tanana ny raharahan’ny olombelona Andriamanitra, toy ny nataony tamin’ny andron’i Noa, lehilahy tia fihavanana. “Feno herisetra ny tany” tamin’izany. (Genesisy 6:11) Nandefa safodrano eran-tany Andriamanitra mba handringanana ny olona. Novonjeny kosa i Noa sy ny fianakaviany. Hoy i Jesosy: “Toy ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa ny fanatrehan’ny Zanak’olona.”—Matio 24:37-39.

Kely sisa dia hanafoana ny herisetra eto an-tany ny tafik’Andriamanitra any an-danitra, izay tarihin’i Jesosy, ilay “Zanak’olona.” Izy no nofidin’Andriamanitra ho Mpitondra an’ilay fitondrana any an-danitra, antsoina hoe Fanjakan’Andriamanitra. ‘Hitsara ny olona araka ny rariny’ i Jesosy rehefa hanjaka any an-danitra ary “ho be ny fiadanana.” Harovany tsy ho fatin’ny “fampahoriana sy ny herisetra” ny olony.—Salamo 72:2, 7, 14.

Hahita ny hanovana ny tany ho paradisa hanjakan’ny fiadanana ireo rehetra tia ny fahamarinana sy manaiky hofehezin’io Fanjakana io. (Lioka 23:42, 43) Mampanantena ny Baiboly fa ho feno ‘fiadanana sy fahamarinana ny tendrombohitra sy ny havoana.’—Salamo 72:1-3.

Tsy tianao ve ny ho olom-pehezin’izany mpanjaka izany? Tsy hisy asa fampihorohoroana intsony amin’izay.

[Teny notsongaina, pejy 7]

Hitan’i Hafeni sy Joseba fa mety hanan-kery eo amin’ny olona iray ny fampianaran’ny Baiboly

[Teny notsongaina, pejy 9]

‘Hiova tanteraka ity tontolo ity, raha mampihatra ny toro lalan’i Jesosy Kristy ny olona. Tsy hila Filan-kevi-pilaminana intsony isika amin’izay, ary tsy hisy intsony ny mpampihorohoro. Ho foana koa ny herisetra.’—Praiminisitra taloha tany Belzika

[Sary, pejy 8]

Tena mifankatia i Hafeni sy Andre satria mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly