Nahoana no Misy Mampiasa Herisetra?
Nahoana no Misy Mampiasa Herisetra?
HOY i Joseba, any Espaina, rehefa nanontaniana hoe nahoana izy no niditra ho anisan’ny antokona mpitolona: “Tsy zakako intsony ny fampahoriana sy ny tsy rariny niainanay. Nipetraka tany Bilbao, tanàna lehibe iray, aho tamin’izany. Tonga matetika ny polisy, ary nikapoka sy nisambotra olona.”
Hoy ihany izy: “Nosamborina aho indray maraina satria nilaza ny hevitro momba an’io fanaon’ny polisy io. Tezitra be aho ka te hanao zavatra, ary te hampiasa herisetra mihitsy aza raha ilaina, mba hitondrana fanovana.”
Fampahoriana miteraka valifaty
Tsy manala tsiny ny herisetra ny Baiboly, nefa milaza fa “mety hahatonga ny hendry hanao adaladala” na hanaonao foana “ny fampahoriana.” (Mpitoriteny 7:7) Maro no romotry ny hatezerana rehefa iharan’ny tsy rariny noho ny fokony na ny fivavahany na ny fireneny.
Hoy, ohatra, i Hafeni, ilay voaresaka tao amin’ny lahatsoratra teo aloha: “Nalaina an-keriny ny taninay. Miady ho an’ny faritaniny ny biby, ka nahoana moa izahay no tsy mba hiady ho an’ny taninay sy hitaky ny zonay?” Natao an-tsoratra ny tenin’ny lehilahy iray nanao vivery ny ainy mba hanapoahana baomba, rehefa maty izy. Hoy izy: “Tsy hifarana ny ady ataonay raha mbola handatsahanareo baomba ny olona ao amin’ny firenenay, vonoinareo amin’ny gazy, gadrainareo, ary ampijalinareo.”
Antony ara-pivavahana
Matetika ny fivavahana no mahatonga ny olona hampiasa herisetra, na dia misy antony hafa koa aza. Izao no nosoratan’ny mpitondra tenin’ny antokona mpitolona ho an’ny filoha iray: “Tsy adala akory izahay na liam-pahefana. Manao ny asan’Andriamanitra izahay ka vonona hijoro amin’ny hevitray.”
Niresaka momba izany koa i Daniel Benjamin sy Steven Simon, tao amin’ilay bokiny
hoe Ny Vanim-potoanan’ny Fampihorohoroana Masina (anglisy). Hoy izy ireo: “Mihabetsaka izao ny mpivavaka ary ataon’ireo mpino ao amin’ny fivavahana lehibe sy fivavahana vaovao ho foto-pinoany ny herisetra.” Hoy ny mpikaroka iray rehefa avy nandinika an’ireo nantsoiny hoe “asa fampihorohoroana mahavariana eran-tany”: “Samy mino ireo rehetra nanatanteraka azy ireny fa nahazo alalana avy tamin’Andriamanitra, na nirahiny mihitsy aza.”Efa latsa-paka ao am-po
Nampijalijalina be i Joseba, ilay voaresaka teo aloha, rehefa nosamborina. Hoy izy: “Lasa nankahala olona aho noho ny habibiana hitako. Tsy maninona aho na ho faty aza, raha izany no ilaina mba hampisy fiovana.”
Vao mainka mampirisika ny olona hampiasa herisetra ny zavatra ampianarina azy. Hoy i Hafeni: “Nisy fivoriana tany amin’ireo tobin’ny mpitsoa-ponenana, ary nampianarina anay tany hoe mitady fomba hanjakazakana amin’ny mainty hoditra foana ny fotsy hoditra.” Inona no vokatr’izany?
Hoy i Hafeni: “Vao mainka halako ny fotsy hoditra sady tsy natokisako. Tsy zakako intsony ilay izy tatỳ aoriana, ka nieritreritra aho hoe tsy maintsy manao zavatra izahay.”
Mahagaga fa niova i Joseba sy Hafeni, na dia nisy olona tena nankahalainy sy tsy natokisany mihitsy aza. Inona no nanohina ny fon’izy ireo sy nanova ny toe-tsainy? Handinika izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
[Teny notsongaina, pejy 6]
“Lasa nankahala olona aho noho ny habibiana hitako. Tsy maninona aho na ho faty aza, raha izany no ilaina mba hampisy fiovana.”—Joseba