Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Akoran’ny Sifo-dranomasina

Ny Akoran’ny Sifo-dranomasina

Nisy Namorona Ve?

Ny Akoran’ny Sifo-dranomasina

● Anisan’ny biby manana akora mafy indrindra io karazana sifotra io. Atỳ amin’ny Oseana Indianina no misy azy, ary mahatanty ny tsindrin’ny rano hatrany amin’ny 2 400 metatra izy. Tantiny koa ny asidra be dia be ao amin’ny ranomasina sy ny fiovaovan’ny hafanana, izay vokatry ny rano mahamay mifantsitsitra avy amin’ireo lavaka kely any amin’ny fanambanin’ny ranomasina. Miaro azy amin’ny biby mpiremby koa ny akorany.

Diniho izao: Misy sosona telo ny akoran’ilay sifotra. Ahitana solifara misy vy ny sosona voalohany, proteinina mitovy amin’ny an’ny sifotra sasany ny faharoa, ary kalsioma ny fahatelo. Tsy mihontsina mihitsy àry ilay sifotra rehefa tafihin’ireo foza mpiremby, izay miezaka mamaky an’ilay akora amin’ny tanabeny. Mety hiezaka hamaky an’ilay akora mandritra ny andro maro ny foza, nefa tsy vaky mihitsy izy io.

Tantarain’ny gazetiboky iray ny zavatra hitan’ny mpikaroka rehefa nandramana novakina tamin’ny fitaovana misy lohany diamondra ny akoran’ilay sifotra. Hitan’izy ireo fa eo amin’ilay sosona ivelany ihany no misy triatra kely, ary tsy mitatra izay triatra kely miforona eo aminy, satria efa izany no nanaovana an’io sosona io. Rehefa misy manafika koa ilay biby, dia ny sosona afovoany no mizaka an’izay tsindry mihatra amin’ilay akora.

Te haka tahaka ny firafitry ny akoran’ilay sifotra ny mpikaroka mba hanamboarana fiarovan-doha sy akanjo tsy laitram-bala ary vatana sambo sy fiaramanidina. Milaza koa ilay gazetiboky fa mety ho azo hatsaraina “hatramin’ireo fantsona mpitondra menaka, izay voadonan’ny ranomandry matetika, any amin’ny Tendrontany Avaratra.”

Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny akoran’ny sifo-dranomasina, sa nisy namorona?

[Kisary, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

Fitaovana misy lohany diamondra

Sosona ivelany

Sosona afovoany

Sosona anatiny

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Courtesy Anders Warén