Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Isan-karazany ny Zavamiaina ao Amin’ny Alan’i Amazonia (Aprily 2010) Avy amin’ny foko awajun (aguaruna) aho. Tsy marina ilay voalazan’ny lahatsoratrareo hoe mivavaka amin’ny andriamanitra dimy izahay. Diso ianareo satria milaza ho Kristianina ny ankamaroan’ny Awajun ary tsy mivavaka amin’ny andriamanitra dimy izahay, nefa izany no lazain’ny gazetinareo. Mba ahitsio, azafady, io fahadisoana io, satria betsaka ny Awajun mpamaky ny gazetinareo.

T.P.T., Peroa

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Maro ny loharanon-kevitra nakan’ny mpanoratra an’ireo fanazavana tao. Nanontany olona nipetraka tany amin’ny tanin’ny Aguaruna koa izy. Anisan’ny boky nakana hevitra ny “Atlas Regional del Perú”, nivoaka tamin’ny 2004. Lazainy ao ny mombamomba an’ireo andriamanitra dimy ivavahan’ny Aguaruna sy ny anaran’izy ireo. Lasa mitonona ho Kristianina anefa ny Aguaruna sasany, araka ny voalazanao. Miala tsiny izahay raha nahatonga ny hafa hieritreritra zavatra tsy marina.

Miakanakam-piteny ve Ianao? (Mey 2010) Misaotra anareo aho noho io lahatsoratra io. Miakanakam-piteny koa aho ary matetika no nahatsiaro ho irery. Takatro anefa fa tsy irery aho, taorian’ny namakiako an’ilay lahatsoratra. Tsy avelako hisy vokany be eo amin’ny fiainako intsony izao io kilema io, ary manahaka an’i Rafael aho ka ‘mihomehy rehefa miakanakana’, sady miezaka ho tia vazivazy.

Y. S., Japon

Manontany ny Tanora Hoe... Inona no Hataoko fa Mahatsiaro Tena ho Tsy Misy Dikany Aho? (Mey 2010) Miara-mipetraka amin’i Neny aho ary 12 taona. Marary mafy izy ary mitaiza ahy irery. Rehefa novakiko ilay fanontaniana hoe “Hitanao ve hoe mba misy olona tia anao ihany?”, dia novaliako hoe “Tsia.” Nalahelo be aho ka niresaka an’ilay izy tamin’ny Kristianina matotra sy tamin’i Neny. Nanampy ahy ilay lahatsoratra. Hitako hoe tsy tokony hieritreritra ho tsy misy dikany aho. Betsaka ny olona tia ahy. Misaotra anareo aho satria nampianareo hahita hoe tena mikarakara anay tanora i Jehovah.

C. H., Frantsa

Mampalahelo ahy ny zavatra niainako taloha, ary mahatsapa ho tsy misy dikany aho indraindray. Nanampy ahy hahazaka an’izany anefa ilay lahatsoratra. Tsy hohadinoiko mihitsy ireo fomba telo nanampy ahy hahatsiaro ho misy dikany, ary indrindra fa ilay sarina vola misy rovitra kely. Tena tsara ilay lahatsoratra fa misaotra anareo!

S. W., Korea Atsimo