Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fahendren’i Solomona Mpanjaka

Ny Fahendren’i Solomona Mpanjaka

Ny Fahendren’i Solomona Mpanjaka

● Nanontanian’ny mpampianatra ireo ankizy tao amin’ny Kilasy T4 hoe inona no fantatr’izy ireo momba an’i Solomona Mpanjaka ao amin’ny Baiboly. Nilaza i Sheena, ankizivavy sivy taona, hoe mpanjaka tena hendry izy. Notantarain’i Sheena koa ny fomba nandaminan’i Solomona ny adin’ny vehivavy roa izay samy nilaza fa renin’ny zaza iray. Tsiravina aloha ny mpiara-mianatra tamin’i Sheena rehefa nandre an’izay nataon’i Solomona, nefa nilaza ilay mpampianatra hoe nety izany.

Nohazavain’i Sheena fa ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly no nahalalany an’izany. Anisan’ny tantaraina ao ny fahendren’i Solomona. Hoy i Sheena: ‘Te hahazo an’ilay boky ny enina amin’ny mpiara-mianatra amiko. Nangataka iray koa ilay mpampianatra. Nahavita nizara boky fito aho, tamin’ny fitambarany.’

Misy tantara 116 ao amin’ny boky Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Miresaka zava-nitranga na olona ao amin’ny Baiboly izy io. Raha te hanafatra azy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso an’ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.