Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Mpiandry Ondry any Pays de Galles

Ny Mpiandry Ondry any Pays de Galles

Ny Mpiandry Ondry any Pays de Galles

MISY arivo tapitrisa mahery ny ondry eran-tany. Samihafa ny olana atrehin’ny mpiandry ondry, arakaraka ny fizaran-taona. Milazalaza ny asan’ny mpiandry ondry any amin’ireo tendrombohitr’i Pays de Galles i Gerwyn sy Ioan ary Rhian. Efa ho avo telo henin’ny isan’ny mponina ny isan’ny ondry any.

Amin’ny lohataona

Miasa andro aman’alina ny mpiandry ondry mba hampiteraka ny ondry, rehefa lohataona.

Gerwyn: “Ny fotoana fiterahan’ny ondry no mandreraka indrindra, nefa koa mahafa-po indrindra. Tena manampy ny alika voaofana tsara. Tsindrian’ny alikako moramora izay ondry saro-piterahana, mba hahafahako manampy an’ilay ondry.”

Ioan: “Tiako be foana ny mahita ondry teraka, na impiry na impiry aho no mampiteraka ondry.”

Amin’ny andro mafana

Manety ondry ny mpiandry azy amin’ny andro mafana. Mety hahatratra folo kilao ny volon’ny ondry iray, arakaraka ny karazany. Mety hahavita manety ondry 250 isan’andro ny olona iray.

Rhian: “Esoriko izay volo maloto manodidina ny rambon’ondry, alohan’ny hanapahana ny volony. Roa minitra dia voahetin’ny mpanety za-draharaha amin’ny fitaovana elektrika ny ondry iray. Manampy amin’ny fanasana ny volonondry koa aho. Avaloko tsara izy ireny avy eo ary ataoko anaty kitapo mba hamidy.”

Mila tapa-bolana tsy misy orana eny amin’ny toerana ivaiva ny mpiandry ondry, mba hanapahana vilona sy hanamboarana mololo tsara karazana. Hanampiana ny sakafon’ny ondry mandritra ny ririnina izany. Manome tanana ny havana aman-tsakaiza amin’io fotoana io.

Ioan: “Anisan’ny fotoana tiako indrindra ny mankeny an-tsaha vao maraina, aorian’ny nakana ny vilona sy nampirimana azy rehetra.”

Amin’ny fararano

Angonin’ny mpiandry avy any amin’ny toerana avoavo ny andian’ondry, mba hanavahana ny reniny amin’ny zanany efa misara-nono.

Ioan: “Mahalana vao misy ondry very na mankany amin’ny tanin’ny olon-kafa, na dia tsy misy fefy na rindrim-bato aza any amin’ny tendrombohitra sasany. Fantatry ny renin’ondry ao amin’ny toeram-piompianay ny fetran’ny toerana azony aleha. Mety ho ny reniny na ny mpiandry azy no nahaizany an’izany, ary ampitainy amin’ny ondrivavy kely izany. Ora maro na andro maro anefa indraindray vao hita izay ondry sendra mania.”

Ho fitsinjovana ny hoavin’ny ondry, dia mandinika tsara an’izay ondrilahy hampivadiana amin’ny ondrivavy koa ny mpiandry, ary mividy sy mikarakara azy. Ondrilahy iray isaky ny ondrivavy 25 ka hatramin’ny 50 no ilaina.

Misy karazana skanera ampiasain’ny mpiandry ondry, telo volana na latsaka aorian’ny hanarahan’ny ondrilahy ny ondrivavy, mba hamantarana izay ondrivavy bevohoka sy ny ho isan’ny zanany amin’ny lohataona. Amidy izay ondry tsy miteraka. Atokana izay ondry hanan-janaka iray. Avahana kosa izay hanan-janaka roa na telo, ka omena fikarakarana manokana sy sakafo bebe kokoa.

Amin’ny ririnina

Mandany fotoana be ny mpiandry ondry hamahanana ny ondry bevohoka, mandritra ny fotoana fohy mampahazava ny andro amin’ny ririnina. Manara-maso an’ireo ondry foana ny mpiandry, na tsara ny andro na ratsy, ary ataony ampy ny sakafo rehefa rakotra lanezy ny ahitra.

Gerwyn: “Mila ny mpiandry azy ny ondry mba hamahana sy hiaro azy, amin’ny fotoana toy izany.”

Rhian: “Tena tiako ny mikarakara ny ondriko. Mahafinaritra ahy koa izany satria rehefa eny an-tsaha aho, dia mahita an’ireo fiovana eo amin’ny biby sy ny zavamaniry, mandritra an’ireo fizaran-taona samihafa.”

[Sarintany, pejy 12]

(Jereo ny gazety)

IRLANDY AVARATRA

IRLANDY

EKOSY

PAYS DE GALLES

ANGLETERA

[Sary, pejy 14]

Mandinika ondrilahy i Ioan

[Sary, pejy 14]

Gerwyn sy ny alikany