Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Araka ny antontan’isa navoakan’ny Fikambanana Arabo Momba ny Aro Lozan’ny Fifamoivoizana, any Tonizia, dia 500 000 mahery ny lozam-pifamoivoizana any amin’ny tany arabo, isan-taona, ka 36 000 mahery no maty.—MASOIVOHOM-BAOVAO REUTERS, TONIZIA.

“Milaza ny fanadihadiana iray fa ny Internet no tena akan’ny tanora sinoa fanazavana momba ny firaisana, satria tsy ampy ny fanazavana azony any am-pianarana sy any an-trano.”—CHINA DAILY, CHINE.

Kamerà Fitsikilovana

Nisy lehilahy nosamborin’ny polisy alemà vao haingana, satria nitsikilo ny tao an’efitranon’ny ankizivavy maro be, tamin’ny alalan’ny kamerà ampiasaina amin’ny Internet na webcam. Tsotra loatra ny tenimiafin’ny olona iray ka voalaza fa vitan’ilay lehilahy ny niditra tao amin’ny kaontin’io olona io, ary izany no nahitany ny mombamomba ny olona maro. Voalaza koa fa avy tamin’io kaonty io izy no nandefa programa manokana mankany amin’ny ordinateran’ny ankizivavy naman’ny tompon’ilay kaonty. Tsy fantatr’ireo ankizivavy hoe ratsy io programa io satria sarisary fotsiny no hitany tonga tany aminy. Izany anefa no nahafahan’ilay lehilahy nibaiko an’ilay kamerà sy ny ordinateran’ireo ankizivavy. Voalaza fa sary telo tapitrisa no tratra tao an-tranon’ilay lehilahy rehefa nanao bemidina tao aminy ireo mpanadihady, ary “teo am-pijerena ordinateran’ankizivavy 80 indray miaraka izy, nefa tsy fantatr’ireo [ankizivavy] akory”, hoy ny Aachener Zeitung.

Fiteny Mbola Tsy Fantatra

Tsy dia be mpahalala ny aka sy miji, fiteny any Arunachal Pradesh, any amin’ny faritra avaratratsinanan’i Inde, akaikin’i Bhoutan sy Chine. Teo am-pandinihana an’ireo fiteny ireo ny manam-pahaizana no nahamarika fiteny hafa antsoina hoe koro. Hoy i Gregory Anderson mpikaroka, izay mpitantana ny fikambanana iray miaro ny fiteny: “Mbola tsy fantatra mihitsy io fiteny io sady tsy voarakitra an-tsoratra.” Tsy fantatra ny fisian’ny fiteny koro, satria olona 800 eo ho eo monja any amin’ny toerana saro-dalana no mampiasa azy. Fiteny iray monja no fantatra hoe ampiasaina any amin’ny faritra iray any Chine nefa nahita fiteny 24 tany ny mpikaroka, tamin’ny 2009.

Henan-dambo Misy Taratra Mampidi-doza

Hoy ny Spiegel Online: “Nitombo avo efatra heny ny vola fanonerana nomen’ny fanjakana an’ireo mpihaza [any Alemaina], nanomboka tamin’ny 2007, satria maty antoka ireo mpihaza noho ireo henan-dambo misy taratra mampidi-doza.” Mpihaza maro no mivarotra henan-dambo mba hohanin’ny olona. Noraran’ny fanjakana anefa ny fivarotana hena misy singa feno taratra mampidi-doza. Niely noho ilay loza tany Tchernobyl tamin’ny 25 taona lasa io singa simika io. Manazava ny Spiegel fa mora idiran’ilay taratra ny lambo satria tia mihinana an’ireo “holatra mora mandray an’ilay taratra. ... Ny fitomboan’ireo lambo any Alemaina no tena mahatonga ny fiakaran’ilay vola fanonerana, fa tsy ny fielezan’ilay taratra.” Milaza ny manam-pahaizana fa afaka 50 taona any ho any vao mety ho foana io olana momba ny taratra mampidi-doza io.