Fanomezana ny Mozika
Fanomezana ny Mozika
HO NANAO ahoana re ny fiainana raha tsy nisy mozika e? Tsy ho nisy ny hira fandrotsirotsiana zaza, ny hiram-pitiavana, ny hira mampihetsiketsika, ny amboaram-peon-kira mampientanentana, ary ireo feon-kira mampisy aingam-panahy. Hankaleo sy tsy hahafinaritra ny fiainana raha izany.
Afaka mamoaka ny fihetseham-po rehetra ny mozika. Mampitony izy io, mampientanentana, mankahery ny saina sy ny fo, mampisy aingam-panahy, mahafaly be, ary mampitomany. Manan-kery ny mozika satria misy vokany eo amin’ny fihetseham-po. Nahoana no misy heriny lehibe toy izany ny mozika? Satria fanomezana kanto avy amin’Andriamanitra. (Jakoba 1:17) Tokony ho afaka hankafy mozika mendrika àry ny rehetra, na antitra na tanora, sady samy tokony hihevitra azy io ho sarobidy.
Efa ela no nisian’ny mozika. Hitan’ny mpanao fikarohana ny any ambanin’ny tany, ohatra, fa nampiasa amponga sy anjombona ary lakolosy ny olona tatỳ Afrika, taonjato maro talohan’i Kristy. Nitsoka karazana farara sy karazana sodina koa ny Sinoa fahiny. Nitendry harpa kosa ny mponin’i Ejipta, Inde, Israely, ary Mezopotamia. Lazain’ny Baiboly koa fa efa nisy mozika taloha. Ilay tantaraina ao amin’ny Genesisy 4:21 angamba no voafaritra indrindra, raha ny fotoana no resahina. Hitantsika ao fa lehilahy antsoina hoe Jobala no “nipoiran’ny mpitendry harpa sy mpitsoka sodina rehetra.” Tia mozika koa i Solomona mpanjakan’ny Israely, izay velona taonjato maro tatỳ aoriana. Nomena ny hazo tsara indrindra izy mba hanaovana harpa sy zavamaneno hafa misy tadiny.—1 Mpanjaka 10:11, 12.
Mazava ho azy fa nila nitendry an’ilay zavamaneno izay te hankafy azy, na nihaino an’izay afaka nitendry. An-tapitrisany anefa izao no afaka mihaino mozika, ary bokotra iray monja no tsindriana amin’izany. Azonao atao kopia izay mozika tianao na alaina amin’ny Internet, ary henoina amin’ny fitaovana omby paosy. Nisy fanadihadiana natao tany amin’ny tany tandrefana iray tamin’ny 2009, ka hita fa mandany adiny roa mahery isan’andro ny ankizy 8 ka hatramin’ny 18 taona, mba hihainoana mozika na zavatra hafa.
Fahita ny toy izany. Mazava àry hoe nahoana no lasa fitadiavam-bola mandeha be ny mozika sy ny fitaovana maoderina fihainoana hira. Ahazoam-bola be tokoa ny mozika! Efa noeritreretinao ve anefa hoe inona avy no atao mba hampahalaza ny hira iray?
[Efajoro/Sary, pejy 3]
Hira Amin’ny Internet
HIRA ALAINA: Matetika no andoavam-bola ny maka hira ao amin’ny Internet. Misy koa afaka maka hira maimaim-poana amin’ny Internet, mandritra ny fe-potoana efa nifanarahana, satria nividy finday na zavatra hafa.
HENOINA FOTSINY: Henoina avy hatrany ilay hira fa tsy azo adika. Tsy andoavam-bola ny ankamaroany, na dia mila anaovana famandrihana ihany aza ny sasany.
[Tabilao/Sary, pejy 3]
(Jereo ny gazety)
Tantaran’ny Fandraisam-peo
1880-1890
Grafofaonina
1890-1900
Tariby
1940-1950
Bôbinina
1960-1970
Kasety
1980-1990
CD
1990-2000
Raki-peo MP3, AAC, WAV, ...