Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fantatrao ve ny Voalazan’ny Baiboly?

Fantatrao ve ny Voalazan’ny Baiboly?

Fantatrao ve ny Voalazan’ny Baiboly?

● Ny Baiboly no boky miely indrindra hatramin’izay. Milaza ny olona maro avy amin’ny kolontsaina rehetra fa mampahery sy mahabe fanantenana izy io, ary manome torohevitra mety tsara amin’ny fiainana andavanandro. Maro anefa no tsy dia mahalala an’io boky miavaka io.

Manampy antsika hahatakatra an’izay lazain’ny Baiboly ilay bokikely hoe Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly? Fohy nefa mazava ny fanazavana ao, ary misy sary mahafinaritra ao. Resahin’ny toko roa voalohany fa nanao paradisa ho an’ny olombelona ny Mpamorona. Hita ao koa hoe nahoana izy ireo no voaroaka tao. Resahina ao koa ny fikasan’Andriamanitra hamerina indray ny Paradisa, amin’ny alalan’ilay Fanjakany any an-danitra. I Jesosy Kristy no mpanjakan’izy io.

Resahin’ireo toko manaraka ny momba an’i Jesosy, anisan’izany ny fanompoany, ny fahagagana nataony, ny nahafatesany, ary ny nitsanganany tamin’ny maty. Voaresaka ao koa ireo olona be herim-po nanara-dia azy sy izay nosoratan’izy ireo rehefa nahazo herin’ny fanahy masina izy ireo. Lasa anisan’ny Baiboly ireny asa soratra ireny.

Mety tsara ilay lohatenin’ny toko faha-26 farany hoe “Ho Lasa Paradisa Indray ny Tany!” “Famintinana Izay Voalazan’ny Baiboly” kosa no lohatenin’ilay pejy eo ampita. Voafintina eo ireo zavatra lehibe fito nitranga mba hahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona.

Raha te hanafatra an’io bokikely 32 pejy io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso an’ilay bokikely aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.