Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hahay Hifidy ve Ianao?

Hahay Hifidy ve Ianao?

Hahay Hifidy ve Ianao?

Mimenomenona i Naina, * 17 taona, hoe: “Mankaleo be ny mozika henoin’ny ray aman-dreniko.”

Mitaraina kosa i Voahangy, reniny, hoe: “Feno zavatra mampahatahotra sy mampahatezitra ny mozika henoin’ny zanako.”

MATETIKA no mampifamaly ny ray aman-dreny sy ny tanora ny resaka mozika. Nahoana? Miova ny zavatra tiana rehefa mihalehibe. Ny mozika mihitsy koa no miova. Vetivety àry dia mety hilaozan’ny toetrandro ny hira malaza.

Misy vokany eo amintsika foana ny mozika. Voamarikao ve ny vokatr’izy io eo amin’ny fihetseham-ponao? Nampitony an’i Saoly mpanjakan’ny Israely fahiny ny mozika, rehefa nikorontan-tsaina izy. (1 Samoela 16:23) Toy ny olona mifanerasera amintsika ny hira. Misy vokany tsara eo amintsika ny sasany, ohatra hoe mahatonga antsika ho falifaly sy ho be fitiavana. Ny hafa kosa mety hahatonga antsika ho tezitezitra sy hankahala olona.—Ohabolana 13:20.

Tokony hifidy ny mozika henoiny àry ny ray aman-dreny sy ny zanany. Fantatrao ve ny mozika henoin’ny zanakao sy ny fotoana laniny hihainoana an’izany? Misy fitsipika apetrakao ve momba izany?

Izany akory tsy midika hoe rarana fotsiny ny ankizy tsy hihaino raki-kira na karazana mozika sasany. Tokony hampianao hifidy mozika mety koa izy, mba hohenoiny ho solon’izany. Hoy ny boky Fitaizana Tanora (anglisy): “Tsy azonao sakanana tsy ho tia zavatra tena tiany ny olona iray ary avelanao amin’izao fotsiny. Tsy maintsy omena zavatra vaovao ho solony izy, raha tsy izany dia hiverina amin’ilay zavatra tena tiany taloha.”

Ilaina koa ny mandinika ny fotoana lanin’ny zanakao hihainoany mozika. Manelingelina ny fotoana tokony hanaovany zavatra lehibe kokoa ve izany, ohatra hoe ny entimody, ny fanompoana an’Andriamanitra, na ny raharaha ao an-trano? Hoy ny Baiboly: “Ny zava-drehetra dia samy misy fotoana voatondro ho azy avy.”—Mpitoriteny 3:1.

Olana hafa koa ny hoe mety hitokantokana ilay ankizy. Marina fa ilaintsika rehetra ny mitokana, ary tokony hanokana fotoana hisaintsainana isika raha te hisaina tsara foana. (Salamo 1:2, 3) Lasa tia tena anefa ny olona tia mitokantokana loatra. (Ohabolana 18:1) Nihevitra i Rado, izay 20 taona izao, fa rehefa nihaino mozika izy no ‘mba nitokana.’ Hoy izy: “Nanahy anefa i Neny hoe lasa nitokantokana aho.”

Inona no hanampy ny ray aman-dreny sy ny tanora toa an’i Rado hahita marimaritra iraisana? Inona no hanampy antsika hifidy tsara ny mozika henointsika? Ny toro lalan’ny Baiboly. Diniho miaraka amin’ny zanakao àry ireto fanontaniana telo ireto.

Miresaka momba ny inona ilay mozika? “Aoka tsy hotononina eo aminareo akory izay resaka momba ny fijangajangana sy izay rehetra mety ho fahalotoana na izay faniriana tsy mety afa-po.” (Efesianina 5:3) Tsy mampaninona ny tonon’ny hira maro. Aseho mivantana na an-kolaka amin’ny hira sasany kosa hoe tsy mampaninona ny fitondran-tena ratsy, toy ireo raran’ny Baiboly. Mety hanindrahindra an’izany mihitsy aza ny hira sasany. Mampiavaka ny karazan-kira sasany ny tonony vetaveta sy miresaka fankahalana sy herisetra. Hoy i Karen Sternheimer, mpanoratra: “Manafintohina indraindray ny tonon’ny hira rap, mazàna izy ireny no miresaka herisetra, ary matetika no feno resaka fankahalana vehivavy sy zavatra mamoafady.” Matetika no miresaka herisetra sy asan’ny maizina ny tonon’ny rock mavesatra. Tsy voatery ho tsara na dia ny tonon’ny hira pop aza. ‘Ampiasao àry ny sainao’ rehefa mifidy mozika. (Romanina 12:1) Aza manaiky ho sodokan’ny hoe malaza ilay izy na hoe tsara ny feony.

Inona no vokatr’ilay mozika eo amin’ny fihetseham-poko? ‘Arovy ny fonao fa avy ao aminy ny loharanon’aina.’ (Ohabolana 4:23) Ahafantarana ny any am-ponao sy any an-tsainao ny mozika tianao, nefa koa misy vokany eo amin’ny sainao sy ny fonao. Hoy i Naina, ilay voaresaka terỳ aloha: “Lasa tezitezitra sy nahery setra aho rehefa nihaino mozika sasany.” Saintsaino àry hoe inona no vokatry ny mozika henoinao, eo amin’ny fisainanao sy ny fonao. Mampitony sy mamelombelona ve izany sa mahatonga anao ho kizitina sy ho kivy? Mahatonga anao hieritreritra zavatra vetaveta ve izany? (Kolosianina 3:5) Aleo tsy henoina izay mozika misy vokany ratsy eo amin’ny fihetseham-ponao sy ny eritreritrao. (Matio 5:28, 29) Hoy i Anja, 17 taona: “Fantatro fa manimba ny mozika ratsy, ary tsy te ho voa aho.”

Hahatonga ahy ho tia ny ratsy ve ilay mozika? Hoy ny Amosa 5:15: “Ankahalao ny ratsy ary tiavo ny tsara.” Tsy mora ny manao izany ankehitriny, satria efa tanteraka ilay faminanian’ny Baiboly hoe: “Ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika, tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara, ... ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra.” (2 Timoty 3:1-4) Hoy àry ny andininy faha-5: “Ialao ny olona toy ireny.”

Ahoana no ialanao amin’ny olona toy ireny? Mazava ho azy fa tsy ampy ny hoe manalavitra an’ilay olona. Tsy maintsy halavirina koa izay zavatra mampiseho ny toetra ratsiny. (Efesianina 4:25, 29, 31) Midika ve anefa izany hoe tsy misy mozika azo henoina intsony? Tsy izany mihitsy!

Mahaiza mankafy mozika isan-karazany

Tia mihaino ny mozika henoin’ny zanany ny ray aman-dreny maro ary mankafy ny mozika henoin’izy ireo koa ny zanany. Hoy i Landy: “Nasain’ny zanako vavy 13 taona nihaino ny hira tiany indrindra aho, ary lasa tiako ilay izy.” Matetika koa i Ravaka, 16 taona, sy ny ray aman-dreniny no mifampindrana CD.

Tsy mitovy ny taona sy ny kolontsain’ireo Vavolombelon’i Jehovah an-tapitrisany eran-tany. Maro karazana ny mozika tiany, anisan’izany ny hira ao amin’ny boky Mihirà ho An’i Jehovah, * izay manatanjaka finoana. Mety tsy hitovy amin’ny feon-kira mahazatra any amin’ny tany sasany ny feon-kira ao.

Na ray aman-dreny ianao na tanora, dia eritrereto ireto fanontaniana ireto isaky ny te hividy raki-kira na haka izany ao amin’ny Internet ianao: ‘Iza no nahatonga ahy hahay hankafy mozika? Tsy i Jehovah Andriamanitra Mpamorona ahy ve? Asehoko aminy ve fa tena tiako io fanomezana io ka arahiko akaiky ny fitsipiny momba izay tsara sy ratsy sy izay mety sy tsy mety?’ Hahay hifidy tsara ny mozika hohenoinao ianao raha misaintsaina fanontaniana toy ireo. Sady hahafaly anao izany no hampifaly ny Mpamorona.—Ohabolana 27:11.

[Fanamarinana ambany pejy]

^ feh. 2 Novana ny anarana sasany.

^ feh. 17 Azo alaina ao amin’ny www.pr418.com, ao amin’ny Internet.

[Teny notsongaina, pejy 7]

Mampiavaka ny karazan-kira sasany ny tonony vetaveta

[Teny notsongaina, pejy 8]

Misy karazana mozika maro azonao ankafizina

[Efajoro, pejy 7]

Nahoana Aho no Niova?

Hoy i Ashley, 24 taona: “Niboboka toaka sy nidoroka zava-mahadomelina aho taloha sady nahery setra. Ny rock mavesatra sy ny rap no nahatonga ahy ho toy izany. Feno teny ratsy ireo tononkira sady manindrahindra fankahalana ary mavesatra sy midobodoboka be ny gadony. Nahatsiaro ho mafy be aho, noho izany. Lasa ninamana tamin’ny mpidoroka zava-mahadomelina koa aho. Ny mpihira rap sy rock mavesatra no notahafinay ary izay nolazainy no nataonay.

“Tsy ela anefa dia nikorontana be ny fiainako. Saika matin’ny zava-mahadomelina be loatra aho, tamin’izaho 17 taona. Nivavaka tamin’Andriamanitra aho raha vao nahatsiaro tena. Noraisiko ny boky fitadiavana nomeraon-telefaonina ka niantso ny Vavolombelon’i Jehovah aho ary nanomboka nianatra Baiboly. Efa nisy ankizilahy niteny tamiko mantsy hoe Jehovah no anaran’Andriamanitra, ka fantatro hoe mampianatra momba an’i Jehovah ny Vavolombelona.

“Nialako ny fahazaran-dratsiko ary nariako ireo CD-ko. Narary ny foko rehefa nijery azy ireo tao anaty fako aho. Nataoko an-tsaina anefa hoe ireo mozika ireo sy ny fahazaran-dratsiko no nanimba ahy, ka nihodina aho ary lasa.

“Taona maromaro izay no lasa, nefa mbola mitady ho tia rock mavesatra sy rap ihany aho. Halaviriko toy ny zava-mahadomelina manandevo àry izy ireny. Maro izao ny karazana mozika tiako, toy ireo hira milamindamina, rock malefaka, ary mozika kilasika sasantsasany. Fa ny tena tiako dia ny hoe mahay mifidy ny hira henoiko aho izao.”

[Efajoro, pejy 9]

Soso-kevitra ho An’ny Ray Aman-dreny

Mampanahy anao ve ny mozika henoin’ny zanakao? Ahoana no azonao anampiana azy nefa tsy hifamaly aminy? Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy:

Fantaro ilay mozika Aza maika ny hiteny fa henoy aloha ilay hira sy ny tonony ary jereo ny fonony. Mieritrereta hoe tena mampanahy tokoa ve ilay izy sa izaho no sarotiny loatra. Hoy ny Baiboly: “Ny fon’ny hendry mahatonga azy ho lalin-tsaina sy handanjalanja izay teneniny, ary maharesy lahatra olona ny zavatra lazainy.”—Ohabolana 16:23.

Mandiniha tsara Mety hanampy anao hahafantatra tsara ny zanakao sy hahita ny ao am-pony ny mozika henoiny. Anontanio moramora izy, ohatra, hoe: “Inona no itiavanao an’ity mozika ity? Miresaka momba ny zavatra mampanahy anao ve ilay izy?” Henoy tsara ny valin-teniny. Hoy ny Ohabolana 20:5: “Toy ny rano lalina ny hevitra ao am-pon’ny olona, fa izay manana fahaiza-manavaka kosa mahay manovo azy ihany.”

Mahaiza mampisaintsaina Tsy ny hahatonga ny zanakao hanary an’ilay CD tsy mendrika fotsiny no tanjonao fa ny hanazatra ny ‘fahaizany misaina’ koa, mba hahaizany “hanavaka ny tsara sy ny ratsy” ka hahaizany hanapa-kevitra. (Hebreo 5:14) Ampianaro hikaroka sy hisaintsaina ny toro lalan’ny Baiboly àry izy. Izany no lova tsara indrindra azonao omena azy. Sady hisaina tsara izy amin’izay no hanana fahendrena, izay sarobidy lavitra noho ny volamena rehetra eto an-tany.—Ohabolana 2:10-14; 3:13, 14.

Aoka ianao ho hentitra sy hangoraka ary ho tsara fanahy “Mitafia fitiavana lalina sy fangoraham-po, hatsaram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, ary fahari-po.” (Kolosianina 3:12) Aza miziriziry amin’ny hevitrao na tia miady hevitra, rehefa mampisaintsaina ny zanakao. Tadidio fa efa mba tanora koa ianao.

[Sary, pejy 8]

Mahaiza foana mamantatra an’izay tsara sy ratsy rehefa mifidy mozika