Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hoso-doko Amin’ny Hazo any Rosia

Hoso-doko Amin’ny Hazo any Rosia

Hoso-doko Amin’ny Hazo any Rosia

● Tian’ny vahiny mitsidika an’i Rosia ny mividy asa tanana isan-karazany, toy ny saribakoly matryoshka. Vita amin’ny hazo ny ankamaroan’izy ireny taloha ary mpanao asa tanana mahay tany ambanivohitra no nanao azy. Antsoina hoe khokhloma ny karazana hoso-doko iray nentim-paharazana, izay vita amin’ny hazo.

Efa ela ny Rosianina no nampiasa vilia baolina vita sokitra misy sary hoso-doko, sy sotro sy kaopy ary kojakojan-dakozia hafa vita amin’ny hazo. Sarina zavamaniry na biby no eo amin’izy ireny matetika. Mety ho ny iray tanàna no miara-manamboatra karazan-javatra iray vita amin’ny hazo.

Tsy dia misy atao eny an-tsaha mandritra ny ririnina, ka amin’iny fotoana lava be iny ny tantsaha no manao an’ireny asa tanana ireny. Tena nahazoana tombony izy ireny tany amin’ny tanàna sasany, 200 taona na mahery lasa izay. Tsy niasa teny an-tsaha mihitsy, ohatra, ny mponin’i Semënov indray taona, ka efa ho roa tapitrisa ny vilia baolina, vilia lehibe, kaopy, ary sotro, vita amin’ny hazo nataon’izy ireo.

Nahita fomba hanamboarana kojakojan-dakozia mafy sy mivolombolamena ireo tantsaha tany akaikin’ny tanànan’i Nijni Novgorod. Nolokoana tamin’ny loko mahatanty hafanana ilay zavatra namboarina ary nohosorana verinia. Nodorana tao anaty lafaoro izany avy eo ka lasa malama sy mivolombolamena ilay ivelany mivolombolafotsy. Mbola izany ihany no fomba fiasa any amin’ireo orinasa mpanao khokhloma, any akaikin’i Nijni Novgorod.

Inona avy ny sary hita amin’ny khokhloma? Vorona, trondro, voninkazo, zavamaniry any amin’ny ala sy sahan’i Rosia, ary sarina ahitra sy ravinkazo miolikolika, mifangaro amin’ny karazana voankazo sasany. Ny loko mena na mainty na maitso na mivolombolamena no fampiasa matetika. Ireo loko tsara tarehy eny ambanivohitr’i Rosia izao no mandravaka ny latabatra fisakafoan’ny olona maro eran-tany, noho ny khokhloma.