Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza Ireo Tatar?

Iza Ireo Tatar?

Iza Ireo Tatar?

MBOLA kely aho dia efa nandre an’ilay fitenenana hoe mety ho Tatar ny olona mihevitra ny tenany ho Rosianina. Nihevitra foana aho hoe tena Rosianina, nefa nisy havanay niteny tamiko vao haingana hoe Tatar ny raibeko. * Nolazaiko tamin’ny namako izany ary nilaza tamiko ny sasany taminy hoe misy Tatar koa ny razambeny.

Tiako ny nianatra momba ny olo-malaza teratany tatar sy ny zava-bitany eo amin’ny zava-kanto sy ny fanatanjahan-tena ary ny sehatra hafa. Tatar avy any Rosia, ohatra, ny fianakavian’i Rudolf Nureyev, mpandihy matihanina. Nisy vokany be teo amin’ny dihy ny zava-bitany. Fito tapitrisa eo ho eo ny Tatar mipetraka any amin’ny tany anisan’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Aleo hotantaraiko anareo izay nianarako momba ny Tatar.

Ny tantaran’izy ireo

Tononina miaraka foana ny Mongol sy ny Tiorka ary ny Tatar. Niaraka tamin’ny tafik’i Gengis Khan, mpitarika mongol, izy ireo tamin’ny taonjato faha-13. * Midadasika ny fanjakany ary mitovitovy amin’ny velaran’ny Firaisana Sovietika teo aloha. Nitodi-doha ho any Eoropa ny miaramilany 150 000 teo ho eo, tamin’ny 1236, ka nankany andrefan’ny Tandavan-tendrombohitra Oural ary nanomboka nanafika tanàna rosianina.

Nanorina fanjakana mongol-tiorka ny Mongol rehefa resiny i Rosia, tsy ela taorian’izay. I Sarai Batu, any amin’ny Reniranon’i Volga ambany, no renivohiny. Anisan’io fanjakana io ny ampahany amin’i Siberia sy ny Tandavan-tendrombohitra Oural, ary ny tandavan-tendrombohitr’i Carpates sy Caucase any Ukraine sy Géorgie. Nasaina nandoa hetra ho an’ilay fanjakana ireo faritra nanjakan’ny andriana rosianina. Nanomboka nizarazara io fanjakana io tamin’ny taonjato faha-15, ka lasa tanàna kely kokoa toa an’i Crimée sy Astrakhan ary Kazan.

I Tatarstan sy Kazan renivohiny

Olona efatra tapitrisa eo ho eo avy amin’ny firenena samihafa izao no mipetraka any Tatarstan, any amin’ny farany atsinanan’i Rosia anisan’i Eoropa. Misy 68 000 kilaometatra toradroa ny velarany ary mampahalaza azy ny hoe anisan’ny repoblika “mandroso indrindra ara-toe-karena ao amin’ny Federasionan’i Rosia” izy. I Tatarstan no mpamokatra solitany sy gazy be indrindra any Rosia. Misy orinasa mpanamboatra fiaramanidina sy fiarakodia any, ary misy seranam-piaramanidina maro.

Tanàna maoderina i Kazan ary misy mponina iray tapitrisa. Ao no mihaona ny reniranon’i Volga sy Kazanka. Anisan’ireo tanàn-dehibe any Rosia manana gara tsara tarehy any ambanin’ny tany izy. * Samy manana ny mampiavaka azy ireo gara. Ao ny maoderina, ary ao ny mahatonga anao hahatsapa hoe hoatran’ny any Azia ianao, na miaina amin’ny andro fahiny. Voaravaka kisarisary 22 mampiseho angano tatar ny gara iray any Kazan.

Nanorina ny Oniversite Federalin’i Kazan i Alexandre I, mpanjaka rosianina, tamin’ny 1804. Anisan’ny manana fitehirizam-boky lehibe indrindra eto Rosia izy io. Misy boky 5 000 000 ao. Boky sora-tanana fahiny ny 30 000 aminy ary efa tamin’ny taonjato faha-9 ny sasany taminy. Foibem-pampianarana malaza io oniversite io ary fanaovana hetsika ara-kolontsaina. Nisy oniversite hafa koa naorina tany Tatarstan tatỳ aoriana.

Mahafinaritra ny mandeha an-tongotra manaraka ny Lalana Bauman. Feno fivarotana sy hotely fisakafoana any. Nahafinaritra anay mivady ny nandeha lakana teny amin’ny Reniranon’i Volga rehefa avy nitety an’ilay tanàna izahay.

Anisan’ny zavatra miavaka ao Kazan ilay lapam-panjakana malaza. Misy trano efa hatramin’ny taonjato faha-16 ao anatiny, ary io sisa no tanàna mimandan’ny Tatar any Rosia. Ao no misy ny Tilikambo Syuyumbeki, ary ahitana trano ampiasain’ny fanjakan’i Tatarstan, mosquée iray, ary Eglizy Ortodoksa iray ao.

Lasa Lova Iraisam-pirenena an’ny UNESCO io Lapam-panjakan’i Kazan io tamin’ny 2000. Tena tsara tarehy izy io amin’ny alina, noho ny taratr’ireo jiro eo amin’ilay renirano.

Ny mponina sy ny fiteniny

Misy firenena maromaro mampiasa fiteny mitovy sokajy any Rosia, ka ny Tatar no maro an’isa indrindra aminy. Voalaza fa 5 500 000 eo ho eo izy ireo. Tsy fantatra anefa ny tena isan’izy ireo manerana an’i Rosia.

Iray sokajy ny fiteny tatar, azerbaijaney, bashkir, kazakh, kirghiz, nogai, tiorka, turkmène, touva, ouzbek, ary iakoute. Mitovitovy ny sasany amin’ireo fiteny ireo, ka mifankahazo ihany ny olona mampiasa azy.

An-tapitrisany ny olona mampiasa an’ireo fiteny ireo eran-tany. Miteny tatar sy rosianina ny olona any amin’ireo tanàn-dehiben’i Tatarstan. Mampiasa an’ireo fiteny roa ireo koa ny gazety, ny boky, ny radio, ary ny tele. Amin’ny teny tatar ny teatra any Tatarstan ary mampiseho ny tantaran’ny Tatar sy ny fombafombany ary ny fiainany andavanandro izy ireny.

Amin’ny fiteny rosianina sy tatar ny soratra amin’ny fivarotana sy ny takela-by eny amin’ny arabe any Kazan sy any amin’ny tanàn-dehibe hafa. Betsaka ny teny rosianina avy amin’ny teny tatar. Soratra arabo no nanoratana ny teny tatar taloha, nefa lasa soratra latinina no nampiasaina manerana ny Firaisana Sovietika, tamin’ny 1928. Soratra sirilika mitovitovy amin’ny an’ny Rosianina no nanoratana ny tatar, nanomboka tamin’ny 1939.

Fomba mahazatra

Mpihaza sy mpiompy ny Tatar taloha. Mbola tia hena izy ireo hatramin’izao. Anisan’ny sakafony ny belesh, izay ankafizin’ny Tatar maro. Ahoana no fanaovana azy io? Fonosina ao anaty lafarinina ny ovy, hena, tongolobe, ary zavamanitra, ka andrahoina adiny roa eo ho eo ao anaty lafaoro. Eny an-databatra izy io vao didiana, amin’ilay izy mbola mafana tsara iny.

Ny Sabantui angamba no fetim-pirenena tatar tranainy sy malaza indrindra. Ny mpanompo sampy fahiny no nanomboka nankalaza azy io. Niara-nivavaka ireo nankalaza azy io, ary nanao fanatitra ho an’ny andriamanitra masoandro sy ny razana. Hanan-taranaka foana, hono, izy ireo amin’izay, hiteraka ny bibiny, ary hamokatra ny taniny.

Tia soavaly ny Tatar ary efa izay mihitsy no maha izy azy. Hita avy amin’izany koa hoe mpifindrafindra monina izy ireo fahiny. Any Kazan no misy ny iray amin’ireo kianja fanaovana hazakaza-tsoavaly tsara indrindra eran-tany. Misy tranon-tsoavaly 12 sy toeram-pitsaboana biby ao. Misy dobo filomanosana ho an’ny soavaly mihitsy aza ao!

Ny hoaviny

Hoy ny Kôrana: “Mazava ilay nosoratanay ao amin’ny Salamo, aorian’ny Torah hoe: ‘Handova ny tany tokoa ny oloko marina.’ ” (Sorata 21, Al-Anbiyā [Ny Mpaminany], andininy 105) Efa nosoratana 1 500 taona mahery talohan’ny nanoratana an’ireo teny ireo ny salamo nosoratan’i Davida ao amin’ny Baiboly. Hita fa nalaina avy amin’ity Salamo 37:29 ity izy io: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”

Avy amin’ny firenena sy foko inona ireo olo-marina sy sambatra ireo? Hoy ny faminaniana ao amin’ny Injil na ny asa soratra ao amin’ny Testamenta Vaovao: “Nisy vahoaka be tsy tambo isaina, avy tamin’ny firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra.” (Apokalypsy 7:9) Hahafinaritra tokoa ny fiainana rehefa hiara-miaina maneran-tany ny olona avy amin’ny firenena samihafa. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 2 Any Rosia no tena ahitana ny Tatar.

^ feh. 5 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Mpifindrafindra Monina Nahaorina Fanjakana”, ao amin’ny Mifohaza! Mey 2008.

^ feh. 9 Manana gara any ambanin’ny tany koa ny tanàna hafa any Rosia, toa an’i Iekaterinbourg, Moscou, Nijni Novgorod, Novossibirsk, Saint-Pétersbourg, ary Samara.

^ feh. 25 Manazava bebe kokoa ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany ilay bokikely hoe Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro, pejy 25]

ANARAN’ANDRIAMANITRA AMIN’NY FITENY TATAR

Nilaza i Khuzhayev, Tatar mpanoratra, ao amin’ilay bokiny hoe Dinnər Tarixb (Fivavahan’izao Tontolo Izao) fa i Yakhve Allah, na i Jehovah Andriamanitra, no namorona an’i Adama. Misy an’izao fanamarihana ambany pejy izao koa eo amin’ny Genesisy 2:4, ao amin’ny Boky Dimy Voalohany amin’ny Baiboly maoderina, amin’ny fiteny tatar: “Mety ho Iaveh no nanononan’ny Hebreo fahiny an’io [anaran’Andriamanitra io].”

[Efajoro, pejy 26]

NY VAVOLOMBELON’I JEHOVAH ANY TATARSTAN

Mandamina kilasy fianarana teny tatar ny Vavolombelon’i Jehovah any Rosia satria tena te hanampy ny olona hahafantatra ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy ny vehivavy iray any Tatarstan: “Latsa-dranomaso mihitsy aho rehefa nianatra momba an’Andriamanitra tamin’ny fitenin-drazako.”

Nanomboka nivory mba hianatra Baiboly tamin’ny teny tatar ny Vavolombelon’i Jehovah tatar vitsivitsy, tamin’ny 1973. Nanomboka namoaka boky sy gazety ara-baiboly tamin’ny teny tatar ny Vavolombelon’i Jehovah, taoriana kelin’ny 1990. * Niforona ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah miteny tatar, tamin’ny 2003, tany Naberejnyie Tchelny, any Tatarstan. Misy fiangonana 8 sy antoko-mpitory 20 miteny tatar izao any Rosia.

Nisy olona avy any Astrakhan, Siberia Andrefana, ary avy any amin’ny Faritr’i Volga sy ny Tendrombohitra Oural ary ny faritra avaratra indrindran’i Siberia, tonga nanatrika ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2008 amin’ny teny tatar. Misy fiangonana sy antoko-mpitory 36 miteny tatar sy rosianina ary tenin’ny tanana rosianina izao any Tatarstan, ary misy olona 2 300 mahery mazoto mampianatra ny marina momba an’Andriamanitra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 37 Mamoaka Baiboly sy boky ary gazety ara-baiboly amin’ny fiteny 560 mahery ny Watch Tower Bible and Tract Society.

[Efajoro/Sary, pejy 27]

MPIBATA FONJAM-BY LASA MPITORY

Teraka tao amin’ny tanàna iray any Tatarstan i Pyotr Markov tamin’ny 1948. Mpibata fonjam-by sy mpanao tolona no nahafantarana azy nandritra ny 30 taona. Nahavita nibata fonjam-by 32 kilao in-130 izy indray mandeha. Vavolombelon’i Jehovah izy izao ary ny miresaka momba an’Andriamanitra amin’ny teny tatar sy rosianina indray no ahafantarana azy. Manampy olona hiatrika olana koa izy.

Manahaka an’ilay Mpamorona be fitiavana àry i Pyotr. Izao no lazain’ny Isaia 40:11: “Toy ny mpiandry ondry izy ka handrasany ny andian’ondriny. Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny. Ary hotarihiny amim-pitandremana ireo mampinono.”

[Sary]

Mpiandry ara-panahy izao i Pyotr

[Sarintany, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

ROSIA

TANDAVAN-TENDROMBOHITRA OURAL

MOSCOU

Saint-Pétersbourg

REPOBLIKAN’I TATARSTAN

Kazan

Reniranon’i Volga

[Sary, pejy 25]

Ilay Lapam-panjakan’i Kazan, eo amoron’ny Reniranon’i Kazanka

[Sary nahazoan-dalana]

© Michel Setboun/CORBIS

[Sary, pejy 26]

Ankafizin’ny Tatar maro ny “belesh”