Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Atody

Ny Atody

Nisy Namorona Ve?

Ny Atody

● Nahoana no misy milaza hoe “fonosana mahagaga” ny atody?

Diniho izao: Toy ny hoe tsy misy lavadavaka ny akoran’ny atodin’akoho nefa feno lavaka bitika hatramin’ny 8 000, sady be kalsioma. Eny amin’ireny lavaka ireny no fidiran’ny oksizenina sy fivoahan’ny gazy karbonika. Tena mila an’izany ilay atody mba hiainany. Miaro azy amin’ny bakteria koa ny akorany sy ireo fonon-tsela. Mahatonga an’ilay atody hahatanty an’izay midona aminy ny tapotsiny, izay ranoka maditidity.

Te haka tahaka ny firafitry ny atody ny mpikaroka, mba hanamboarana zavatra mafy toto kokoa sy fonon-javatra manify afaka miaro ny voankazo amin’ny bakteria sy katsentsitra. Hoy anefa i Marianne Diener tao amin’ny gazetiboky iray: “Tsy mora ny maka tahaka ny zavaboary.” Nilaza izy fa nanimba ny tontolo iainana foana ny fanandramana natao hatramin’izay.

Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny atody, izay “fonosana mahagaga”, sa nisy namorona?

[Kisary, pejy 28]

(Jereo ny gazety)

NY AO ANATIN’NY ATODY

Akora

Tamenany

Tanolika

Fonon-tsela ivelany

Fonon-tsela anatiny

Tsimokaina

Tapotsiny manify

Tapotsiny matevina

Fitoeran-drivotra