Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitaizana Ankizy ho Lasa Tanora

Fitaizana Ankizy ho Lasa Tanora

Fitaizana Ankizy ho Lasa Tanora

“Voaro tsara ao an-trano ny ankizy hatramin’izy dimy taona, ary mora kokoa ny manampy azy hanana toetra tsara. Lasa mahita ny fanaon’ny hafa sy ny fomba fiteniny anefa izy ireo rehefa miditra mianatra.”—Valter, Italia.

MANDINIKA ny manodidina azy ny ankizy rehefa mihalehibe. Mihabetsaka ny olona ifandraisany, anisan’izany ny mpiara-milalao sy ny mpiara-mianatra aminy ary ny havany. Araka ny tenin’i Valter etsy ambony, dia ianao irery no nodinihiny sy nianarany tamin’izy mbola zaza, fa efa tsy izany intsony kosa izao. Zava-dehibe àry ny hoe mbola zaza izy no ampianarinao hahita hoe tena ilaina ny mankatò sy mahalala fomba. Tsara atoro azy koa ny mety sy ny tsy mety.

Tsy ho hainao ho azy anefa izany sady ilana fotoana. Angamba ianao mila mananatra sy manome torohevitra ary miteny mafy an’izay mila tenenina, ka “hahari-po tanteraka sady hahay hampianatra rehefa manao izany rehetra izany.” (2 Timoty 4:2) Izao no didy nomena ny ray aman-dreny israelita: “Alenteho tsikelikely ao an-tsain’ny zanakao [ireo lalàn’Andriamanitra] ary resaho, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha eny an-dalana, na mandry, na mifoha.” (Deoteronomia 6:6, 7) Tena mila ny fampiofananao foana àry ny zanakao.

Maro ny zavatra mety hanahirana an’ireo mitaiza. Andeha hojerentsika ny sasany aminy.

Fotoana ihainoana

Milaza ny Baiboly fa “misy fotoana itenenana” ary misy fotoana ihainoana. (Mpitoriteny 3:7) Ahoana no ampianaranao ny zanakao hihaino rehefa miteny ny hafa, anisan’izany ianao? Manomeza modely. Henoinao tsara ve ny hafa, anisan’izany ny zanakao?

Mora variana ny ankizy ary azo inoana fa tena mila faharetana ianao rehefa miresaka aminy. Samy manana ny maha izy azy koa izy ireo. Mahaiza àry mandinika ary fantaro hoe inona no fomba mety indrindra iresahana amin’ny zanakao. Hoy, ohatra, i David any Grande-Bretagne: “Asaiko averin’ny zanako vavy amin’ny fahazoany azy izay vao avy noteneniko. Lasa nahay nihaino kokoa àry izy rehefa nihalehibe.”

Hoy i Jesosy rehefa nampianatra ny mpianany: “Tandremo ny fomba fihainoanareo.” (Lioka 8:18) Ny olon-dehibe aza mila manao an’izany, koa mainka fa ny ankizy!

“Mifamela heloka tanteraka”

Hoy ny Baiboly: “Mahaiza foana mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka, raha misy manana antony hitarainana momba ny sasany.” (Kolosianina 3:13) Azo ampianarina hahay hamela heloka ny ankizy. Ahoana no hanaovana izany?

Tokony ho modely ianareo, toy ny tamin’ny resaka fihainoana ihany. Ataovy hitan’ny zanakao hoe mamela ny heloky ny hafa ianao. Miezaka manao an’izany i Marina any Rosia. Hoy izy: “Miezaka hamela ny hafa sy handefitra ary tsy ho mora tezitra izahay, mba hisy hotahafin’ny zanakay. Miala tsiny amin’ny zanako aho rehefa diso. Tiako hanao toy izany amin’ny hafa koa ry zareo.”

Mila mahay mandamina disadisa sy mahay mamela heloka ny ankizy rehefa lehibe. Ampianaro hihevitra ny hafa sy hizaka ny vokatry ny zavatra tsy nety nataony izy. Tena hahasoa ny zanakao tokoa izany rehefa mihalehibe izy.

“Asehoy fa mahay mankasitraka ianareo”

“Tia tena” ny olona maro amin’izao “fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao. (2 Timoty 3:1, 2) Ampianaro hahay hankasitraka ny zanakao, dieny izao izy mbola kely izao. Hoy ny apostoly Paoly: “Asehoy fa mahay mankasitraka ianareo.”—Kolosianina 3:15.

Afaka mianatra ny hahalala fomba sy hihevitra ny hafa, na ny ankizikely aza. Ahoana no hanaovana an’izany? Hoy ny Dr. Kyle Pruett, ao amin’ny gazetiboky Ray Aman-dreny (anglisy): “Mila mahay mankasitraka foana ianao ao an-trano raha tianao ho toy izany koa ny zanakao. Midika izany fa tokony holazainao foana hoe tena ankasitrahanao ny fanampian’ny hafa na ny zavatra nataony ... Ilana fahazarana izany.”

Miezaka manao an’izany i Richard, any Grande-Bretagne. Hoy izy: “Asehonay mivady hoe ahoana no hisaorana an’ireo olona tsara fanahy aminay, anisan’izany ny mpampianatra sy Dadabe sy Bebe. Manao taratasy fisaorana izahay, isaky ny misy olona manasa anay hisakafo, ary manao sonia ao ny ankizy rehetra na manao sarisary.” Raha mihevitra ny hafa sy mahay mankasitraka ianao, dia hanampy ny zanakao hanana namana akaiky izany. Tsy ho mora misaraka amin’ny namany koa izy.

“Aza misalasala manafay”

Zava-dehibe ny hahalalan’ny ankizy hoe misy vokany ny ataony. Mila manaiky ny fahefana ao an-trano sy any am-pianarana ary eo amin’ny fiaraha-monina ny ankizy, na dia mbola kely aza. Ampio izy hahatakatra fa hijinja an’izay afafiny ny olona. (Galatianina 6:7) Ahoana no hanaovana an’izany?

Hoy ny Baiboly: “Aza misalasala manafay.” (Ohabolana 23:13) Aza matahotra mampihatra an’izay nolazainao, raha efa nohazavainao tsara tamin’ny zanakao ny sazy vokatry ny ditrany. Hoy i Norma, renim-pianakaviana any Arzantina: “Ilaina ny tsy miovaova hevitra mba tsy hanararaotan’ny ankizy an’izany, ka hanaovany an’izay tiany.”

Tokony hampahafantarin’ny ray aman-dreny mialoha hoe inona no ho vokatry ny tsy fankatoavana, amin’izay izy tsy hila hiady hevitra be rehefa avy manao zavatra tsy mety ny zanany. Tokony hazava amin’ny ankizy ny fitsipika apetrakao, sy ny sazy hampiharinao aminy raha tsy mankatò an’izany izy, ary ny hoe tsy maintsy hampiharina ireo sazy. Azo inoana hoe tsy ho mora mikomy izy raha fantany ireo.

Mazava ho azy fa tsy tokony hatao amin-katezerana ny famaizana raha tiana handaitra. Hoy ny Baiboly: “Aoka hesorina tsy ho eo aminareo ny lolompo rehetra, ny fahatezerana rehetra, ny fahavinirana rehetra, ny filelalelana rehetra ary ny fanevatevana rehetra.” (Efesianina 4:31) Tsy tokony hasiaka be ianao rehefa manasazy, ary tsy tokony handratra ny zanakao na hankarary ny fony.

Inona anefa no hanampy anao hifehy tena raha tena manao izay hahatezitra anao ny zanakao? Hoy i Peter, raim-pianakaviana any Nouvelle-Zélande: “Sarotra izany nefa mila tsapan’ny ankizy hoe ny nataony no nahavoasazy azy fa tsy hoe satria tsy nahafehy tena ny ray aman-dreniny.”

Miezaka mampiseho amin’ny zanany i Peter sy ny vadiny hoe mahasoa ny famaizana. Hoy i Peter: “Na mahasosotra be aza ny ataon’ny ankizy, dia resahinay aminy hoe tokony hahafinaritra izy ireo fa tsy hanao zavatra mahatsiravina toy ilay vao avy nataony.”

“Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo”

Hoy Andriamanitra tamin’ny vahoakany: ‘Hofaiziko araka ny antonony ianao.’ (Jeremia 46:28) Hahita vokatra tsara ianao raha ara-drariny ny famaizanao sady mifandanja amin’izay ditra natao. Hoy i Paoly tamin’ny Kristianina: “Aoka ho fantatry ny rehetra fa mahay mandanjalanja ianareo.”—Filipianina 4:5.

Ahoana no hahaizana mandanjalanja rehefa manafay zanaka? Avelao hanana ny hajany izy. Hoy i Santi, raim-pianakaviana any Italia: “Tsy manambany ny zanako mihitsy aho. Jereko tsara kosa izay nahatonga an’ilay olana ary ezahiko alamina. Tsy faiziko eny imason’olona na eo imason’izy samy izy ny zanako, raha mbola azoko atao. Tsy esoiko amin’ny fahadisoany koa ry zareo, na mitokana izany na eny imason’olona.”

Miaiky koa i Richard, voaresaka tany aloha, fa ilaina ny mandanjalanja. Hoy izy: “Tsy tokony hatao mihamafy isaky ny misy ditra ny sazy. Rehefa avy nosazinao izy dia tsy tokony hampahatsiahivina intsony ny momba an’iny.”

Tsy mora ny mitaiza ary mitaky fahafoizan-tena. Betsaka anefa ny valisoa azo, araka ny tenin’i Yelena, avy any Rosia. Hoy izy: “Niasa tapa-potoana aho mba hiarahako bebe kokoa amin’ny zanako lahy. Ilana ezaka izany sady mampihena ny vola miditra. Tsy nanenenako anefa izany satria faly be ny zanako lahy ary mifankatia tsara izahay mianaka.”

[Sary, pejy 11]

Azo ampianarina hihevitra ny hafa ny ankizy

[Sary, pejy 12]

Avelao hanana ny hajany ihany ny zanakao rehefa manafay azy ianao