Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitaizana Tanora ho Lasa Olon-dehibe

Fitaizana Tanora ho Lasa Olon-dehibe

Fitaizana Tanora ho Lasa Olon-dehibe

ERITRERETO hoe avy any amin’ny tany mafana ianao ary ho any amin’ny tany mangatsiaka. Mangatsiaka be ianao raha vao tonga any amin’ilay toerana. Ho zatra an’izany ve ianao? Ho zatra ianao, nefa misy fanovana sasany tokony hataonao.

Mitovitovy amin’izany ny manjo ny ray aman-dreny rehefa lasa tanora * ny zanany. Toy ny toetrandro miova be tampoka izany. Tsy nahasaraka anao mihitsy ny zanakao lahy taloha, nefa aleony indray izao miaraka amin’ny namany. Tsy andrin’ny zanakao vavy taloha ny hiresahana aminao an’izay nitranga, nefa zara raha mamaly izy izao rehefa anontaniana.

Hoy ianao: “Nanao ahoana ny tany am-pianarana?”

“Nahafinaritra!”, hoy izy.

Tsy misy miteny avy eo.

Hoy indray ianao: “Dia ahoana?”

“An an an, tsisy n’inon’inona”, hoy izy.

Vao mainka koa tsy misy miteny, avy eo.

Fa inona no nitranga? Vao haingana izay, dia tia mitantara aminao ny zava-drehetra mitranga aminy ny zanakao. Toa tsy dia miresaka aminao intsony anefa izy izao ary mety tsy holazainy aminao mihitsy izay lazainy amin’ny hafa. Mitazam-potsiny sisa no mba azonao atao.

Dia tsy misy azonao atao ve izany? Tsy izany mihitsy! Afaka mifandray akaiky amin’ny zanakao foana ianao rehefa mihalehibe izy. Tokony ho fantatrao anefa aloha izay mitranga aminy, amin’io fotoana mahafinaritra nefa misafotofoto io.

Rehefa mihalehibe

Nieritreritra ny mpikaroka taloha fa tsy misy fiovana intsony eo amin’ny atidohan’ny ankizy rehefa feno dimy taona izy. Mino kosa izy ireo izao fa mbola miova ny fomba fiasan’ny atidoha amin’io fotoana io, fa ny habeny no tsy dia miova. Miova ny hormonina ao amin’ny vatan’ny ankizy rehefa mihalehibe izy ka lasa miova ny fomba fisainany. Tsy mandefa saina lavitra, ohatra, ny ankizikely fa ny tanora kosa mandinika lalina kokoa. (1 Korintianina 13:11) Lasa manana ny heviny izy ary sahy milaza an’izany.

Nahamarika fiovana toy izany teo amin’ny zanany i Paolo, any Italia. Hoy izy: “Toy ny olon-dehibe kely no hitako fa tsy zaza intsony, rehefa mandinika ny zanako lahy aho. Tsy hoe nihalehibe fotsiny izy. Tena mahavariana ahy ny fomba fisainany. Tsy matahotra milaza ny heviny izy ary sahy mijoro amin’izany.”

Toy izany koa ve ny zanakao? Nanao an’izay nasainao nataony fotsiny angamba izy, tamin’izy mbola kely ary tsy nila fanazavana. Mila fanazavana anefa izy izao ary mety hampisalasala azy mihitsy aza ny fitsipika ao an-trano. Toy ny hoe mikomy izy indraindray rehefa maneho ny heviny.

Aza tonga dia mieritreritra anefa hoe tsy te hanaraka an’izay nampianarinao azy ny zanakao. Mety ho te hanaraka ny fitsipika arahinao izy ary eo am-piezahana hampihatra izany. Alao sary an-tsaina hoe mifindra trano ianao ary entinao ny entanao. Ho mora aminao ve ny hahita toerana ho an’ny entana tsirairay, any amin’ilay trano vaovao? Mety ho sarotra izany. Azo antoka anefa fa tsy harianao izay entana sarobidy aminao.

Mitovy amin’izany koa ny zanakao satria miomana “handao ny rainy sy ny reniny.” (Genesisy 2:24) Marina fa mbola ho ela izany ary mbola tsy olon-dehibe ny zanakao. Toy ny hoe efa manamboatra ny entany sahady anefa izy. Mandinika ny fitsipika nampianarina azy izy ary mijery an’izay fitsipika hoentiny hihalehibe. *

Mety hampahatahotra anao ny safidy hataon’ny zanakao momba an’izay fitsipika harahiny. Azo antoka anefa fa izay fitsipika heveriny ho sarobidy ihany no hoentiny hihalehibe. Dieny izao izy mbola ao an-trano izao àry no tokony hanadihady tsara an’izay fitsipika harahiny.—Asan’ny Apostoly 17:11.

Tena mahasoa ny zanakao izany. Mety hanaraka befahatany an’izay ataon’ny hafa mantsy izy any aoriana, raha manaraka am-bokony ny fitsipika apetrakao. (Eksodosy 23:2) Lazain’ny Baiboly fa mora fitahina ny tanora toy izany satria “tsy ampy saina.” (Ohabolana 7:7) Mety “hatopatopan’ny onja sy havezivezin’izao karazan-drivotry ny fampianarana rehetra izao amin’ny alalan’ny famitahan’ny olona” ny tanora tsy manana hazondamosina.—Efesianina 4:14.

Inona no azonao atao mba tsy ho voan’izany ny zanakao? Ataovy izay hananany an’ireto zavatra telo ireto:

1 FAHAIZA-MISAINA

Nilaza ny apostoly Paoly fa “ny olona matotra [dia] manana fahaiza-misaina efa nozarina hanavaka ny tsara sy ny ratsy.” (Hebreo 5:14) Mety hilaza anefa ianao hoe: ‘Efa ela ange aho no nampianatra ny zanako hanavaka ny tsara sy ny ratsy e!’ Azo antoka fa tena nahasoa azy izany, ary nanampy azy hiatrika ny fahatanorany. (2 Timoty 3:14) Nilaza anefa i Paoly fa ilaina ny manazatra ny fahaiza-misaina. Mety hahalala ny tsara sy ny ratsy ny ankizikely. Ny tanora kosa tokony “ho olon-dehibe raha ny amin’ny fahaiza-misaina.” (1 Korintianina 14:20; Ohabolana 1:4; 2:11) Tsy tianao hankatò an-jambany ny zanakao fa tianao hahay hampiasa tsara ny sainy. (Romanina 12:1, 2) Ahoana no hanampianao azy hanao izany?

Avelao izy hilaza ny heviny. Aza tapahina ny teniny ary miezaha hifehy tena, na dia milaza zavatra tsy tianao aza izy. Ampirisihin’ny Baiboly isika mba “ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, [ary] tsy ho mora tezitra.” (Jakoba 1:19; Ohabolana 18:13) Hoy koa i Jesosy: “Izay mameno ny fon’ny olona no lazain’ny vavany.” (Matio 12:34) Ho hitanao izay tena mampiasa saina ny zanakao raha mihaino azy ianao.

Miezaha hanontany fa aza miteniteny be. Nanontany ny hevitry ny mpianany sy ny olon-kafa mafy loha i Jesosy, indraindray, mba handrisihana azy ireo hilaza ny heviny. (Matio 21:23, 28) Afaka manao toy izany koa ianao rehefa miresaka amin’ny zanakao, na dia tsy mitovy hevitra aza ianareo. Ohatra:

Raha miteny izy hoe: “Hoatran’ny tsy mino an’Andriamanitra aho.”

Dia aza mamaly hoe: “Tsy izany mihitsy no nampianarinay anao. Mino an’Andriamanitra ianao!”

Valio kosa izy hoe: “Fa maninona ianao no mieritreritra an’izany?”

Nahoana ianao no mila manontany azy? Satria na dia efa renao aza izay nolazainy dia tokony hofantarinao izay eritreretiny. (Ohabolana 20:5) Mety hoe tsy ny fisian’Andriamanitra loatra no mampisalasala azy fa ny fanarahana ny fitsipiny.

Mety hisy olona, ohatra, hanery azy tsy hankatò ny lalàn’Andriamanitra momba ny fitondran-tena. Ataony àry izay tsy hinoana an’Andriamanitra. (Salamo 14:1) Mety hieritreritra izy hoe: ‘Raha tsy misy Andriamanitra dia tsy voatery hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly aho.’

Mety ho izany ve no eritreretin’ny zanakao? Tokony hosaintsaininy àry hoe tena inoany ve fa mahasoa azy ny fitsipik’Andriamanitra. (Isaia 48:17, 18) Raha mino izy fa mahasoa azy izany dia ataovy izay hahatsapany hoe mila mijoro amin’izany heviny izany izy.—Galatianina 5:1.

Raha miteny izy hoe: “Fivavahanareo irery io fa tsy voatery hanaraka an’io aho.”

Dia aza mamaly hoe: Fivavahantsika io. Ianao ange zanakay e! Tokony hino an’izay asainay inoanao ianao.”

Valio kosa izy hoe: “Mahery be izany teninao izany a! Raha tsy inoanao àry ny zavatra inoako, dia inona no inoanao? Inona no fitsipi-pitondran-tena hitanao hoe tsara?”

Nahoana ianao no mila manontany azy? Satria hanampy azy handinika tsara ny fomba fisainany izany. Mety ho gaga izy hahita hoe mitovy ihany ny zavatra inoanareo, fa zavatra hafa mihitsy raha ny marina no mampanahy azy.

Mety tsy ho hain’ny zanakao, ohatra, ny manazava ny zavatra inoany. (Kolosianina 4:6; 1 Petera 3:15) Na mety ho tia ankizilahy na ankizivavy tsy mitovy finoana aminy izy. Fantaro hoe inona marina no olana ary ampio hamantatra an’izany koa izy. Ho vonona kokoa ho lasa olon-dehibe izy, arakaraka ny ampiasany ny fahaizany misaina.

2 OLON-DEHIBE MITARIKA

Misy manam-pahaizana milaza fa tsy maintsy mandalo “krizy” ny tanora. Zara raha misy anefa izany any amin’ny tany sasany. Hitan’ny mpikaroka fa aloha kokoa ny tanora any amin’ireny tany ireny dia efa miara-miasa sy miara-manao zavatra amin’olon-dehibe, ary anankinana andraikitr’olon-dehibe.

Ny tanora any amin’ny tany maro kosa mianatra any amin’ny sekoly be mpianatra loatra, ary tsy misy afa-tsy tanora no tena ifaneraserany. Tsy misy olona koa ao an-trano rehefa mody izy, satria miasa ny ray aman-dreniny. Lavitra be daholo koa ny havany. Ny ankizy mitovy taona aminy ihany no akaiky azy indrindra. * Inona no maharatsy an’izany? Tsy hoe atahorana hanana naman-dratsy fotsiny ilay tanora. Hitan’ny mpikaroka koa fa mora manaonao foana ny tanora, na dia ireo fakan-tahaka aza, rehefa tsy mifandray amin’ny olon-dehibe.

Tsy natokantokana ny tanora teo amin’ny Israely fahiny. * Milaza, ohatra, ny Baiboly fa mbola kely i Ozia dia efa lasa mpanjakan’ny Joda. Inona no nanampy azy tamin’izany andraikitra lehibe izany? Miharihary fa anisan’ny tena nanampy azy i Zakaria, ilay lazain’ny Baiboly hoe “nampianatra azy hatahotra an’ilay tena Andriamanitra.”—2 Tantara 26:5.

Aza mialona raha misy olon-dehibe manaraka ny fitsipika arahinao sady manoro hevitra ny zanakao. Tena hanampy ny zanakao hanao ny tsara mantsy izany. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.”—Ohabolana 13:20.

3 FAHATSAPANA ADIDY

Taorian’ny taonjato faha-18 sy 19, dia noferan’ny lalàna tany amin’ny tany sasany ny fotoana azon’ny tanora iasana isan-kerinandro, na norarany ny mampanao azy asa sasany. Natao hiarovana ny ankizy amin’ny loza any amin’ny toeram-piasana izany.

Miaro ny ankizy amin’ny loza sy ny fanararaotana ireny lalàna ireny. Mahatonga azy tsy handray andraikitra anefa izy ireny, hoy ny manam-pahaizana sasany. Milaza àry ny boky iray fa tanora maro no lasa “manambonimbony tena, ka hoatran’ny hoe tokony hotoloram-potsiny fa tsy hiezaka mihitsy.” Milaza ilay mpanoratra fa “toa ara-dalàna izany satria ny hampiala voly ny tanora foana no atao fa tsy mba itakiana na inona na inona mihitsy izy ireo.”

Miresaka momba ny tanora nanana andraikitra lehibe kosa ny Baiboly. Tsy ampy 20 taona, ohatra, i Timoty rehefa nihaona tamin’ny apostoly Paoly. Nanan-kery be teo aminy i Paoly. Hoy izy tamin’i Timoty: ‘Ataovy miredareda toy ny afo ilay fanomezan’Andriamanitra, izay noraisinao.’ (2 Timoty 1:6) Nandao ny tranony i Timoty tamin’izy 20 taona teo ho eo ary niaraka tamin’i Paoly mba hanorina fiangonana sy hampahery an’ireo rahalahy. Rehefa avy niara-niasa taminy folo taona teo ho eo i Paoly, dia nilaza tamin’ny Kristianina tany Filipy hoe: “Izaho tsy mahita olon-kafa mitovy toetra aminy, izay tena hikarakara ny momba anareo.”—Filipianina 2:20.

Matetika ny tanora no mailaka handray andraikitra, indrindra rehefa fantany fa zava-dehibe ilay ampanaovina azy. Mampiofana azy ho lasa olon-dehibe mahay mandray andraikitra izany sady mandrisika azy hiezaka.

Mizatra an’ilay fiovana

Araka ny voalaza tany am-piandohana, dia azo inoana fa tsapanao hoe niova be ny fifandraisanao sy ny zanakao, rehefa nihalehibe izy. Matokia fa ho vitanao ny hizatra an’ilay fiovana ka hahay hifandray tsara aminy ihany ianao, toy ny tamin’izy mbola kely.

Hararaoty ny fotoana maha tanora ny zanakao mba hanampiana azy 1) hanana fahaiza-misaina sy 2) hahita olon-dehibe hanoro hevitra azy ary 3) hahatsapa adidy. Hanampy ny zanakao ho lasa olon-dehibe ianao, raha manao izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Ankizy eo anelanelan’ny 13 sy 19 taona eo ho eo no tiana holazaina amin’ny hoe “tanora” ato.

^ feh. 17 Misy fanazavana fanampiny ao amin’ny pejy 10-12 amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey 2009, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 38 Tia miaraka amin’ireo mitovy taona aminy ny tanora, ary hararaotin’ny mpitady vola izany ka ataony izay hahatonga azy ireo hihevitra fa manana ny fombafombany manokana ny tanora ary tsy takatry ny olon-dehibe sy tsy azony idirana izany.

^ feh. 39 Hita fa tsy toy ny any amin’ny tany maro ankehitriny ny fomba nitondrana ny tanora teo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra, tamin’ny taonjato voalohany sy talohan’izay, satria mbola kely kokoa izy ireo dia efa nifandray tamin’ny olon-dehibe foana.

[Efajoro/Sary, pejy 20]

“TSY HAHITA RAY AMAN-DRENY HOATR’AZY IREO MIHITSY AHO”

Mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly ny ray aman-dreny Vavolombelon’i Jehovah sady mampianatra ny zanany hanao izany. (Efesianina 6:4) Tsy manery ny zanany anefa izy ireo. Takatry ny ray aman-dreny Vavolombelona fa tsy maintsy hifidy izay fitsipika harahiny ny zanany rehefa lehibe.

Manaraka ny fitsipika nampianarina azy i Aislyn, 18 taona. Hoy izy: “Ny ahy ny fivavahako tsy hoe zavatra ataoko indray mandeha isan-kerinandro fotsiny, fa iainako mihitsy sady misy vokany eo amin’ny zava-drehetra ataoko. Manan-kery eo amin’ny fanapahan-kevitra rehetra raisiko koa izany, anisan’izany ny fifidianako namana sy ny fianarana hataoko ary hatramin’ny boky vakiko.”

Tena mankasitraka ny fitaizan’ny ray aman-dreniny azy i Aislyn. Hoy izy: “Tsy hahita ray aman-dreny hoatr’azy ireo mihitsy aho. Izy ireo no nahatonga ahy haniry ho Vavolombelon’i Jehovah sady manampy ahy tsy hivadika. Tena sambatra aho! Avelako hitari-dalana ahy foana ry zareo, raha mbola velona koa aho.”

[Sary, pejy 17]

Avelao hiresaka ny zanakao

[Sary, pejy 18]

Mety hahasoa ny zanakao ny olon-dehibe mpanoro hevitra

[Sary, pejy 19]

Manampy ny tanora ho lasa olon-dehibe matotra ny fanomezana azy asa misy dikany