Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Hevitry ny Ray Aman-dreny

Ny Hevitry ny Ray Aman-dreny

Ny Hevitry ny Ray Aman-dreny

Tojo olana vaovao ny ray aman-dreny maro rehefa lasa tanora ny zanany. Ilay tanora koa anefa mba sahiran-tsaina. Inona no azon’ny ray aman-dreny anampiana ny zanany tanora? Mariho izay nolazain’ny ray aman-dreny sasany any amin’ny tany samihafa.

FIOVANA

“Nanaiky ny torohevitro avy hatrany ny zanako lahy tamin’izy mbola kely. Hoatran’ny hoe nitady tsy hatoky ahy intsony anefa izy rehefa nihalehibe, fa nanadihady be rehefa niteny aho. Lasa hafahafa taminy ny fomba nilazako zavatra.”—Frank, Kanada.

“Tsy miresaka be hoatran’ny taloha intsony ny zanako lahy. Tsy miteny izy raha tsy anontaniana. Tsy mamaly eo no ho eo koa anefa izy.”—Francis, Aostralia.

“Tena mila manam-paharetana ianao. Maha te hivazavaza ny ankizy indraindray. Aleo foana anefa tony ary miresaka aminy.”—Felicia, Etazonia.

FIFAMPIRESAHANA

“Tia miaro tena ny zanako vavy indraindray ary heveriny fa manakiankiana azy aho. Tsy maintsy averimberiko aminy foana àry hoe tiako izy ary mpinamana izahay ka tiako hahavita zavatra tsara izy.”—Lisa, Etazonia.

“Tonga dia miresaka be ny zanako, tamin’izy ireo mbola kely. Mora erỳ ny namantatra ny tao an-tsainy. Raha tiako hilaza an’izay ao am-pony anefa ry zareo izao, dia tsy maintsy miezaka mamantatra an’izay tsapany aho, sady mampiseho hoe samy hajaiko ry zareo.”—Nan-hi, Korea.

“Tsy ampy ny mandrara ny tanora tsy hanao zavatra sasany. Tsy maintsy ampisaintsainina izy ary mila mahay manohina ny fony ianao. Raha tianao hiresaka izy, dia tokony ho vonona hihaino azy ianao, na dia mety hisy tsy tianao aza izay lazainy.”—Dalila, Brezila.

“Ezahiko tenenina mitokana ny zanako vavy raha tsy maintsy mibedy azy aho. Tsy ataoko eny imason’olona izany.”—Edna, Nizeria.

“Lasa variana manao zavatra hafa ao an-trano aho indraindray rehefa miresaka amin’ny zanako lahy ka tsy mihaino azy tsara. Tsapany izany, ka izay angamba no mahatonga azy tsy dia miresaka amiko intsony. Mila mifantoka kokoa amin’izay resahiny aho, amin’izay izy miresaka foana.”—Miriam, Meksika.

FAHAFAHANA

“Natahotra hanome fahafahana ny zanako aho ary nampiady anay foana izany. Nifampiresaka mazava tsara izahay. Nohazavaiko hoe nahoana aho no natahotra, ary nohazavain’izy ireo koa ny antony ilany fahafahana bebe kokoa. Nahita marimaritra iraisana izahay: Nomeko fahalalahana bebe kokoa izy ireo nefa nasiako fetrany ihany izany.”—Edwin, Ghana.

“Te hanana môtô ny zanako lahy. Tena tsy tiako izany ka nibedy azy aho ary notanisaiko daholo ny maharatsy ny môtô. Tsy navelako niteny mihitsy izy. Tezitra izy ka vao mainka te hanana môtô. Nitady hevitra hafa àry aho. Nasaiko nandinika tsara an’izay tafiditra tamin’izany izy, anisan’izany ny loza sy ny vola lany ary ny taratasy mila karakaraina. Nasaiko naka torohevitra tamin’ny Kristianina matotra teo anivon’ny fiangonana koa izy. Tahaka izay aho tsy sarotiny loatra fa nampirisika azy hilaza ny faniriany, mba hanohinana ny fony.”—Hye-young, Korea.

“Nametraka fitsipika izahay nefa koa nanome fahafahana tsikelikely. Raha hendry tsara izy rehefa nomena fahafahana, dia nahazo bebe kokoa taorian’izay. Navelanay àry izy ireo hampiseho hoe te hahazo fahafahana. Nataonay hitany hoe tianay hahazo fahafahana izy ireo nefa tsy hitsitsitsitsy koa izahay raha nanararaotra anay izy ireo.”—Dorothée, Frantsa.

“Tsy milefitra amin’ny fitsipika efa napetrako mihitsy aho. Nomeko fahafahana anefa ny ankizy rehefa hendry. Navelako nody taratara, ohatra, ry zareo indraindray. Nofaiziko anefa ry zareo raha vao nody tara mihoatra ny indray mandeha nefa tsy niera.”—Il-hyun, Korea.

“Ho tian’ny mpampiasa kokoa ny mpiasa iray raha mankatò sy mandray andraikitra. Hitan’ny zanako koa fa homena fahafahana tsikelikely izy rehefa mankatò sy mandray andraikitra, sady tsy mihoatra ny fetra napetrakay. Fantatry ny zanako fa voasazy ny mpiasa raha tsy manao ny andraikiny. Ho very koa ny fahafahany raha manao kitoatoa izy.”—Ramón, Meksika.

[Teny notsongaina, pejy 22]

“Zaro amin’izay lalana tokony halehany ny zaza, ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin’izany.”—Ohabolana 22:6

[Efajoro/Sary, pejy 23]

MOMBAMOMBA NY FIANAKAVIANA ROA

“Mahafinaritra Be ny Mitaiza Tanora”

Joseph: Hitako hoe tena ilaina ny mihaino sy manisy fiheverana ny hevitr’izy mirahavavy zokiny. Mitsotra aho rehefa tsy mety ny ataoko ary manaja ny zanako aho rehefa miresaka aminy. Manampy anay hifampiresaka tsara foana izany. Tsapako hoe mahafinaritra be ny mitaiza tanora, noho ny tari-dalan’ny Tenin’Andriamanitra.

Lisa: Hitako hoe vao mainka nila ahy ny zanako vavimatoa, rehefa 13 taona teo ho eo. Tadidiko izaho nihaino azy ela be sy niresaka taminy ary nanampy azy hatoky tena. Nataonay mivady fantatry ny zanakay hoe afaka niresaka taminay foana izy ary hanaja ny fihetseham-pony izahay. Nampihatra ny voalazan’ny Jakoba 1:19 izahay ka niezaka “ho mailaka hihaino [sy] tsy ho maika hiteny.”

Victoria: I Neny no namako akaiky indrindra. Mbola tsy nahita olona tsara fanahy sy tia manampy olona hoatr’azy aho, ary hoatr’izany izy amin’ny olona rehetra. Be fitiavana izy, ary izany no teny tena mahalaza azy. Tsy atakaloko an’iza na iza izy.

Olivia: Be fiahiana sy tia manome i Dada. Manome foana izy, na dia rehefa tsy manan-javatra firy aza izahay. Tena mahay mifalifaly izy nefa mifantoka koa rehefa misy zava-dehibe atao. Hafa mihitsy dadanay ary faly aho fa zanany!

“Tsy Mankaleo Mihitsy ny Fiainanay!”

Sonny: Rehefa manana olana ny ankizy, dia mipetraka izahay ary miresaka momba an’ilay izy. Samy tsy misalasala milaza izay tsapanay izahay ary mijery ny toro lalan’ny Baiboly rehefa hanapa-kevitra. Ataonay sy Ynez koa izay ananan’izy roa vavy namana tsara sy matotra. Ataonay namana ny naman’izy ireo ary namany ny namanay.

Ynez: Miara-manao zavatra foana izahay. Vavolombelon’i Jehovah izahay ka variana manao fanompoana, fianarana samirery sy fianaram-pianakaviana, ary asa an-tsitrapo, toy ny fanampiana tra-boina sy fanorenana Efitrano Fanjakana. Miala voly koa izahay. Tsy mankaleo mihitsy ny fiainanay!

Kellsie: Mahay mihaino i Dada. Manontany anay rehetra izy isaky ny handray fanapahan-kevitra lehibe. Vonona hihaino ahy foana koa i Neny rehefa mila fanampiana aho, na mba te hiresaka fotsiny.

Samantha: Tsy fantatr’i Neny akory indraindray hoe ny zavatra ataony no mahatonga ahy hahatsapa ho tena miavaka sy tena tiana ary tena misy vidiny. Mihaino izy sady tena miahy. Mpinamana be izahay ary tsy misy hatakaloko an’izany mihitsy.

[Sary]

Ry Zapata mianakavy: Kellsie, Ynez, Sonny, ary Samantha

Ry Camera mianakavy: Joseph, Lisa, Victoria, Olivia, ary Isabella

[Sary, pejy 22]

Manome fahafahana ny ray aman-dreny, nefa koa asiany fetra voalanjalanja tsara izany