Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Pejy Faharoa

Pejy Faharoa

Pejy Faharoa

Ahoana no Hitaizako ny Zanako?

Izao angamba no zavatra tsy tian’ny ray aman-dreny hoeritreretina indrindra rehefa mandinika ny zanany vao teraka izy: Tsy maintsy hihalehibe io zaza io ary hitokan-trano. Izany anefa no tsy maintsy hitranga satria hoy ny Baiboly: “Ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny.” (Genesisy 2:24) Toy izany koa ny vehivavy.

Faly sahirana anefa ny ray aman-dreny rehefa lehibe ny zanany ka handao azy. Manahy izy ireo ka manontany tena hoe: ‘Nety tsara ve ny nitaizako ny zanako? Haharitra amin’ny asany ve izy? Hahay hikarakara ny tranony sy hitantam-bola ve izy?’ Tena mampanahy azy koa ny hoe mbola hanaraka ny fitsipika nampianariny ve ny zanany.—Ohabolana 22:6; 2 Timoty 3:15.

Ho hita ato amin’ity laharana manokana amin’ny Mifohaza! ity ny torohevitry ny Baiboly hanampy ny ray aman-dreny hitaiza ny zanany kely mandra-pahalehibeny.