Rehefa Mihalehibe Izy Ireo
Rehefa Mihalehibe Izy Ireo
“Samy tianay mivady ilay boky hoe Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly, tamin’izahay mbola kely. Manan-janakalahy herintaona sy efa-bolana izahay izao. Joshua no anarany. Tena mety tsara hampianarana azy ilay boky. Mbola kely izy nefa mahalala anaran’olona 35 ao amin’ilay boky. Tononiny matetika izy ireny.”—Timothy sy Ann.
“Tian’ny zanako lahikely ny mamaky an’ilay boky hoe Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe ary efa fantany ny ankamaroan’ireo sary. Afaka manampy azy handamina ny olana any an-tsekoly sy ny olana hafa aho, noho io boky io. Tsy nampoiziko mihitsy hoe hahavita an’izany izy io!”—Jennifer.
“Miresaka ny zavatra rehetra iainan’ny tanora ny boky Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2. Sivy ambin’ny folo taona aho ary io boky io no manampy ahy hanana tanjona sy hahay hanapa-kevitra eo amin’ny resaka fiarahana amin’ny ankizilahy ary hifandray kokoa amin’Andriamanitra. Ampirisihiko hamaky azy io daholo na antitra na tanora.”—Courtney.
□ Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
□ Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
□ Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2
□ Mba andefaso an’izay boky nofidiko aho. (Ampiasao izay adiresy mety, amin’ireo eo amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.)
□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.