Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hanova Zavatra ve ny Fihaonam-be Momba ny Toetrandro?

Hanova Zavatra ve ny Fihaonam-be Momba ny Toetrandro?

Hanova Zavatra ve ny Fihaonam-be Momba ny Toetrandro?

“Mila miara-mientana izao tontolo izao ka hiady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Miaiky ny mpahay siansa fa raha tsy manao na inona na inona isika, dia vao mainka hisy hain-tany, mosary, ary fifindra-monina faobe, izay hiteraka ady mandritra ny am-polony taona.”—Barack Obama, filohan’i Etazonia.

HITAN’NY mpahay siansa sasany fa toa mitady ho tafahoatra ny hafanana eran-tany. Raha mbola miakatra izany, hoy ny gazetiboky Ilay Mpiambina (anglisy), dia mety “hampisy fiovana goavana eo amin’ny tontolo iainana, ary vao mainka hiteraka hafanana bebe kokoa eran-tany.”

Fa inona no nahatonga an’izany? Misy vahaolana ve? Vitan’ny olombelona ve ny hanakana ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany sy ireo olana lehibe hafa?

Mpahay siansa maro no mino fa ny ataon’ny olona ihany no tena nahatonga an’ilay olana. Nandroso be mantsy ny taozava-baventy ka lasa nampiasaina be ny arintany sy ny solitany. Nitombo koa ny fandripahana ala. Tena ilaina anefa ny ala satria ny hazo no mifoka ny gazy manimba sasany, izay mampiakatra ny mari-panan’ny tany. Lasa feno an’ireny gazy ireny àry ny rivotra satria betsaka ny ala ripaka. Te hamaha an’izany olana izany ny mpitondra eran-tany ka nandamina fihaonam-be.

Ilay fihaonam-be tany Kyoto

Nisy fihaonam-be natao tany Kyoto tamin’ny 1997 ary ireo tany anisan’ny Vondrona Eoropeanina sy firenena mandroso 37 no nanatrika azy io. Nifanaraka izy ireo fa hahenany 5 isan-jato eo ho eo amin’ny tamin’ny 1990 ny gazy karbonika haparitak’izy ireo, manomboka amin’ny 2008 ka hatramin’ny 2012.

Nisy lesoka lehibe anefa tamin’ilay fifanarahana tany Kyoto. Tsy nanaiky an’ilay fifanarahana mihitsy, ohatra, i Etazonia. Tsy nety nanaraka an’ireo fetra nasaina narahiny koa ireo tany lehibe an-dalam-pandrosoana, toa an’i Chine sy Inde. Efa ny 40 isan-jato eo ho eo amin’ny gazy karbonika miparitaka eran-tany anefa no avy any Etazonia sy Chine.

Ilay fihaonam-be tany Copenhague

Inona no tanjon’ilay fihaonam-be tany Copenhague? * Solon’ilay tany Kyoto izy io ary nametra tanjona vaovao ho an’ny taona 2012 sy ny aorian’izay. Natao tany Copenhague, Danemark, izy io tamin’ny Desambra 2009. Solontenan’ny firenena 192 no nanatrika azy io, anisan’izany ny filoham-pirenena 119. Nidinika momba ny fiovan’ny toetrandro izy ireo. Ireto no zava-tsarotra telo lehibe nipoitra tamin’izay:

1. Ny hanao izay haneken’ny rehetra an’ireo fifanarahana. Mety tsy hanaja an’ilay fetrana gazy karbonika azo avoaka ireo tany mandroso, ary mety tsy ho tian’ny tany an-dalam-pandrosoana koa ny hametra ny azy.

2. Ny hahitana vola ho an’ny vahaolana maharitra. Mitombo haingana ny vokatry ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany ka afaka taona maro vao mety hilamina. Vola an’arivony tapitrisa dolara no ilain’ireo tany an-dalam-pandrosoana mba hiatrehana izany sy hamokarana fitaovana maoderina tsy manimba tontolo iainana.

3. Ny hanarahan’ny rehetra fomba iray hanaraha-maso ny fiparitahan’ny gazy karbonika. Hanampy ny tany tsirairay tsy hihoatra an’izay fetra napetraka izany. Ho azo antoka koa hoe hampiasa tsara ny vola omena azy ny tany an-dalam-pandrosoana.

Voalamina ve ireo zava-tsarotra ireo? Toa ho sarotra na dia ny hifanaraka amin-javatra faran’izay tsotra aza, noho ireo olana lehibe ireo. Olona ambony avy any amin’ny tany 28 no nanao an’ilay fifanarahana antsoina hoe Fifanarahan’i Copenhague, rehefa hifarana ilay fihaonam-be. Milaza ny masoivohom-baovao Reuters fa izao fotsiny no tapaka ao amin’ilay fifanarahana, raha ny marina: “Ity fihaonam-be ity ... dia manisy fiheverana ny Fifanarahan’i Copenhague.” Raha tsorina dia miankina amin’ny tany tsirairay ny hoe hanaraka an’izay voalaza ao izy na tsia.

Inona indray ny manaraka?

Betsaka ny fihaonam-be efa natao sy kasaina hatao, nefa maro no tsy manantena fiovana firy. Hoy i Paul Krugman ao amin’ny Gazetin’i New York (anglisy): ‘Mbola hiakatra hatrany ny mari-panan’ny tany.’ Matetika no tsy manova ny fanaony ireo firenena satria aleony mahazo vola sy tombony ara-politika eo no ho eo, toy izay hiezaka hikarakara ny tontolo iainana mba handraisan-tsoa amin’ny hoavy. Hoy ihany i Krugman: ‘Resa-bola no mahatonga ny olona tsy hanao zavatra hanatsarana ny toetrandro.’ Nilaza koa izy fa ny “fitiavan-karena sy ny tahotra” eo amin’ny resaka politika no tena mandrava ny ezaka ataon’ny fireneny hanatsarana ny toetrandro.

Toy ny rivo-doza ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany. Azo refesina ny hamafin’ny rivo-doza sady azo fantarina ny lalany, ary mahasoa an’izay holalovany izany. Na ny mpahay siansa sy mpanao politika ary mpandraharaha rehetra aza anefa tsy hahasakana rivo-doza. Mitovy amin’izany koa ny fiakaran’ny mari-panan’ny tany. Mampahatsiahy antsika an’ity voalazan’ny Baiboly ity izany: “Tsy an’ny olombelona ny lalan-kalehany. Tsy natao hitondra samirery ny fiainany koa ny olona.”—Jeremia 10:23.

Hofaranan’Andriamanitra ny olana momba ny toetrandro

Hoy ny Baiboly momba an’ilay “Mpamolavola ny tany sy Mpanao azy”: ‘Tsy hoe tsy misy antony ny namoronany ny tany.’ (Isaia 45:18) Hoy koa ny Baiboly: ‘Maharitra mandrakizay ny tany.’—Mpitoriteny 1:4.

Tsy havelan’Andriamanitra ho tsy azo onenana ny tany. Handamina ny olana eo amin’ny olombelona izy ka hesoriny ireo fitondran’olombelona tsy mahomby sy ireo olona tsy miraharaha ny tany. Hotsimbininy kosa ny ain’ireo tsara fitondran-tena sy ireo tena te hampifaly azy. Hoy ny Ohabolana 2:21, 22: “Ny olo-mahitsy no honina amin’ny tany, ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa tavela eo. Fa ny ratsy fanahy kosa ho ringana tsy ho amin’ny tany, ary ny mpivadika hesorina tsy ho amin’ny tany.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Ny sampan-draharaha misahana ny fiovan’ny toetrandro, ao amin’ny Firenena Mikambana, no mandamina tsy tapaka an’ilay fihaonam-be.

[Efajoro, pejy 13]

Misy karazana gazy ratsy eny amin’ny atmosfera ary izy ireny no mifoka ny taratra avy etỳ an-tany. Avy amin’ireo orinasa maoderina ny ankamaroany. Anisan’izany ny gazy karbonika, ny gazy CFC, ny metanina, ary ny oksidana azota. Ny gazy karbonika fotsiny no efa 25 000 tapitrisa taonina mahery isan-taona. Asehon’ny tatitra fa niakatra 40 isan-jato ny gazy karbonika eny amin’ny atmosfera, hatramin’ny nisian’ny taozava-baventy.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]

Tany: NASA/The Visible Earth (http://visibleearth.nasa.gov/); Barack Obama: ATTILA KISBENEDEK/AFP/Getty Images