Ilay Fanontaniana Lehibe Indrindra
Ilay Fanontaniana Lehibe Indrindra
HOY i Francis Collins, manam-pahaizana momba ny fototarazo: “Tsy misy fanontaniana lehibe noho ny hoe ‘Misy ve Andriamanitra?’ ” Tena zava-dehibe io fanontaniana io, satria raha tsy misy Andriamanitra dia tsy misy fahefana ambony mamaritra an’izay fitondran-tena mety sy tsy mety.
Tsy mino an’Andriamanitra ny mpahay siansa maro ka lasa mihevitra koa ny olona sasany hoe tsy misy izy. Tena diso anefa indraindray ny hevitry ny besinimaro, araka ny asehon’ny lahatsoratra manaraka.
Mampalahelo fa fivavahana maro eran-tany no mampianatra zavatra tsy mifanaraka amin’izay efa voaporofon’ny siansa fa marina, ka vao mainka mikorontan-tsaina ny olona. Anisan’izany ilay fampianarana tsy ara-baiboly hoe noforonin’Andriamanitra tao anatin’ny enina andro misy 24 ora avy ny tany, an’arivony taona lasa izay.
Maro no tsy mikaroka intsony hoe misy Andriamanitra sa tsia satria mifanipaka ireo fampianarana momba izany. Tena ilaina anefa ny mitady valiny azo antoka. Hisy fiantraikany be eo amin’ny fiainantsika koa izany. Marina fa mbola tsy nisy nahita an’Andriamanitra ary samy tsy teo isika raha vao nisy izao rehetra izao sy ny zavamananaina. Mila finoana foana àry isika, na mino an’Andriamanitra na tsia. Finoana manao ahoana anefa?
Mila porofo marim-pototra ny tena finoana
Eritrereto izao: Manaiky hanao asa iray isika satria manantena handray karama ary mamboly isika satria manantena hahazo vokatra. Matoky ny namantsika koa isika ary matoky ny lalàna mifehy an’izao rehetra izao. Azo lazaina hoe efa mino zavatra maro àry isika. Misy porofo anefa matoa isika mino an’ireo. Mila porofo koa isika mba hinoana an’Andriamanitra.
Hoy ny Baiboly ao amin’ny Hebreo 11:1: ‘Ny finoana dia fanomezana porofo mazava momba ny zavatra tena misy izay tsy hita maso.’ Eritrereto, ohatra, hoe mandeha eny amoron-dranomasina ianao. Tampotampoka eo dia renao mihovotrovotra ny tany ary hitanao misintona be ny ranomasina. Fantatrao àry hoe hisy tsunami. Ilay hovotrovotra sy ilay rano misintona no “porofo mazava” hoe hisy onja be hanatona, na dia mbola tsy hitanao aza izany. Mino àry ianao fa hisy tsunami, ka mandositra any amin’ny toerana avo sy azo antoka ianao.
Tokony hanana porofo marim-pototra koa isika vao hino fa tena misy Andriamanitra, na dia tsy hitantsika maso aza. Tsy maintsy ho manam-pahaizana be ve isika vao ho afaka handinika ny porofo toy izany? Niaiky i Vladimir Prelog, anisan’ny nahazo Loka Nobel, fa na “ireo nahazo Loka Nobel [aza] tsy mahay kokoa noho ny olon-kafa, raha eo amin’ny resaka Andriamanitra sy fivavahana ary fiainana aorian’ny fahafatesana.”
Tokony handinika ny porofo amin’ny saina tsy miangatra ianao raha tso-po sy tena te hahalala ny marina. Tokony hanaiky an’izay asehon’ny porofo hitanao koa ianao. Inona avy ny porofo azo dinihina?
[Sary, pejy 3]
Mino ny mpamboly fa hitsiry sy hitombo izay namboleny