Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Hahasambatra ny Mpivady?

Inona no Hahasambatra ny Mpivady?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Inona no Hahasambatra ny Mpivady?

“Izay namorona ny olona, dia nanao azy ho lahy sy vavy, tany am-piandohana, ka nilaza hoe: ‘Noho izany, ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa.’ ... Aoka àry izay nampiraisin’Andriamanitra zioga, tsy hosarahin’olona.”—Jesosy Kristy, araka ny Matio 19:4-6.

MIOVA foana ny fitsipika arahin’ny olona ka tsy zava-dehibe amin’ny maro intsony ny fanambadiana. Misara-toerana na misaraka ny mpivady maro rehefa tsy mifankatia intsony na rehefa misy olana, na dia olana kely aza. Taitra sy malahelo ny ankizy rehefa misaraka ny ray aman-dreniny.

Tsy gaga ny mpianatra ny Baiboly raha maro no manao toy izany. Efa nilaza ny Baiboly fa tsy hanana an’ireo toetra mampifankatia ny mpianakavy ny olona amin’izao “andro farany” izao, izany hoe tsy ho mena-mivadika sy tsy hifankatia ary tsy ho tia ny mpianakaviny. (2 Timoty 3:1-5) Mampiasa saina anao ve izany? Mbola zava-dehibe aminao ve ny fanambadiana?

Hampahery anao àry ny Baiboly satria mahavita manampy mpivady maro ny torohevitra raketiny, hatramin’izao. Diniho, ohatra, ireto toro lalana dimy ireto. *

Torohevitra dimy hahasambatra ny mpivady

1) Ekeo hoe masina ny fanambadiana. Hita amin’ilay tenin’i Jesosy etsy ankavia fa mihevitra ny fanambadiana ho masina izy sy Jehovah Andriamanitra Mpamorona. Manamafy an’izany izay nolazain’Andriamanitra tamin’ireo lehilahy fahiny, izay nisaraka tamin’ny vadiny mba hanambadiana vehivavy tanora kokoa. Hoy izy: “I Jehovah no mijoro ho vavolombelona miampanga anao eo anatrehan’ny vadin’ny fahatanoranao, izay nivadihanao na dia namanao sy vady vita fifanekena taminao aza.” Niteny mafy azy ireo i Jehovah avy eo hoe: “Halako ny fisaraham-panambadiana.” (Malakia 2:14-16) Zava-dehibe amin’Andriamanitra àry ny fanambadiana. Hitany ny fomba ifampitondran’ny mpivady.

2) Miezaha ho lehilahy mahay mandray andraikitra. Milaza ny Baiboly fa ny lehilahy no manapa-kevitra farany amin’ny raharaha lehibe ao an-tokantrano. Hoy ny Efesianina 5:23: “Ny lehilahy no lohan’ny vadiny.” Tsy midika anefa izany hoe afaka manjakazaka amin’ny vadiny izy. Tokony hotadidin’ny lehilahy fa “nofo iray” izy mivady ka tokony hanome voninahitra ny vadiny ny lehilahy ary hanontany ny heviny amin’ny raharaha mahakasika ny tokantrano. (1 Petera 3:7) ‘Tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ny lehilahy’, hoy ny Baiboly.—Efesianina 5:28.

3) Aoka ny vehivavy hanohana ny vadiny. Milaza ny Baiboly fa famenon’ny vadiny ny vehivavy. (Genesisy 2:18) Ilaina ao an-tokantrano àry ny toetra tsarany. Famenon’ny vadiny izy ka tsy mifaninana aminy fa manohana sy tia azy kosa. Mampitombo ny fiadanana ao an-tokantrano izany. Hoy ny Efesianina 5:22: “Aoka ny vehivavy hanaiky ny vadiny.” Ahoana kosa raha tsy mitovy hevitra amin’ny vadiny izy? Tokony tsy hisalasala hilaza ny heviny izy, nefa tokony hanaja rehefa manao izany. Toy ny fomba tiany hiresahan’ny vadiny aminy no hiresahany aminy.

4) Aza manantena be loatra ary mivonòna hiatrika olana. Inona avy no olana mety hatrehin’ny mpivady? Mety hifanao teny tsy voahevitra izy ireo, na hasiaka, na ho tratran’ny olana ara-bola, aretina mafy, na adin-tsaina amin’ny fitaizana. Milaza ny Baiboly fa “hanam-pahoriana amin’ny nofony” ireo manambady. (1 Korintianina 7:28) Aza avela hampihena ny fifankatiavanareo anefa ireny fahoriana na olana ireny. Afaka mamaha ny olana mety hampisara-bazana azy ny olon-droa, rehefa mifankatia sy manana ny fahendren’Andriamanitra. Manana an’izany fahendrena izany ve ianao? Hoy ny Baiboly: “Raha misy aminareo tsy ampy fahendrena, aoka izy tsy hitsahatra hangataka izany amin’Andriamanitra, fa malala-tanana amin’ny rehetra izy sady tsy manome tsiny.”—Jakoba 1:5.

5) Aza mivadika amin’ny vadinao. Tena manao tsinontsinona ny fanambadiana ny olona mijangajanga, izany hoe manao firaisana amin’olon-kafa ankoatra ny vadiny. Izany ihany no antony amelan’Andriamanitra ny mpivady hisaraka. (Matio 19:9) Hoy ny Baiboly: “Aoka ho mendri-kaja eo imason’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrianan’ny mpivady, fa homelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady.” (Hebreo 13:4) Inona no hanampy ny mpivady tsy halaim-panahy hanao firaisana amin’olon-kafa? Hoy ny Baiboly: “Aoka ny lehilahy hanao ny adidiny amin’ny vadiny, ary ny vehivavy koa mba hanao toy izany.”—1 Korintianina 7:3, 4.

Mety hisy hihevitra fa sarotra tanterahina loatra ireo voalaza ireo na efa lany andro. Tsy izany anefa no asehon’ny zava-misy. Milaza ny Baiboly fa raha manaiky hotarihin’Andriamanitra eo amin’ny fiainany manontolo ny olona iray, dia “ho toy ny hazo nambolena eo amoron’ny rano mikoriana izy, dia hazo mamoa amin’ny fotoanany, ary tsy mba malazo ny raviny. Hahomby daholo izay ataony”, anisan’izany ny fanambadiany.—Salamo 1:2, 3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 6 Misy fanazavana fanampiny momba ny fanambadiana, ao amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2011.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Ahoana no fiheveran’Andriamanitra ny fisaraham-panambadiana? —Malakia 2:14-16.

● Ahoana no tokony hitondran’ny lehilahy ny vadiny?—Efesianina 5:23, 28.

● Ny fahendren’iza no mahasambatra ny mpivady?—Salamo 1:2, 3.