Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Korontana Tamin’ny Andron’i John Foxe

Korontana Tamin’ny Andron’i John Foxe

Korontana Tamin’ny Andron’i John Foxe

MBA miana-javatra avy amin’ny lasa ve ny olombelona? Eritrereto ny fiainan’ilay anglisy atao hoe John Foxe. Nitantara ny habibiana tamin’ny androny izy ary nanantena fa hankahala an’izany ny mpamaky.

Nisy vokany be teo amin’ny mponin’i Angletera nandritra ny taonjato maro ilay fitantaran’i John Foxe nosoratany nandritra ny Fanavaozana Protestanta. Maherin’ny 25 taona vao vita ilay bokiny hoe Ireo Zava-bita sy Vakoky ny Eglizy (anglisy). Misy milaza fa manarakaraka ny Baiboly, dia io boky io no tena nisy vokany teo amin’ny fiteny sy ny kolontsain’ny Anglisy.

Nisy korontana

Teraka tany Boston, Angletera, i John Foxe, tamin’ny 1516 na 1517. Milaza ny lovantsofina fa tokotokony ho tamin’izany i Martin Luther no nametaka taratasy misy hevitra 95 nanohitra ny Eglizy, teo amin’ny varavaran’ny eglizin’i Wittenberg, Alemaina. Tamin’ny fotoana nanoheran’ny Mpitondra Fanavaozana ny fahefana sy fampianaran’ny Eglizy Katolika àry no teraka i Foxe, ary Katolika ny ray aman-dreniny.

Nianatra tao amin’ny Oniversiten’i Oxford i Foxe ary nianatra teny grika sy hebreo, ka afaka namaky Baiboly tamin’ny teny nanoratana azy. Lasa tsy nino ny fampianarana sasany tao amin’ny Katolika izy. Nahiahin’ny mpiara-mianatra taminy ho nanaraka ny Fivavahana Protestanta mihitsy izy, ary nalazan’izy ireo tany amin’ny lehiben’ny oniversite, ka narahi-maso akaiky.

Azo notendrena ho pretra i Foxe tamin’ny 1543, rehefa nahazo mari-pahaizana ambony. Tsy nanaiky hatao pretra anefa izy satria tsy mahazo manambady ny pretra. Vao mainka àry izy nahiahina ho mpivadi-pinoana ka naleony niala tao amin’ilay oniversite, tamin’ny 1545. Nety ho novonoina mantsy izy raha voaporofo izany. Nafoiny ny asa tsara nety ho azony, ka lasa mpitaiza tao amin’ny fianakaviana iray tany akaikin’i Stratford-upon-Avon, any Warwickshire, izy. Tao izy no nanambady an’i Agnes Randall.

Avy ao Coventry teo akaiky teo i Agnes. Notantarainy tamin’i Foxe hoe nisy vehivavy maty vady atao hoe Smith nampianatra ny zanany momba ny Didy Folo sy ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Tsy tamin’ny teny latinina anefa no nampianarany ny zanany fa tamin’ny teny anglisy. Noho izany “heloka bevava” izany dia nodorana ilay vehivavy. Meloka ho nanao toy izany koa ny lehilahy enina hafa ka nodorana niaraka taminy. Tsy rariny izany ka tezitra ny olona. Nanely resaka àry ilay eveka teo an-toerana hoe nodorana izy ireo satria nanao “heloka bevava lehibe kokoa.” Nihinan-kena tamin’ny andro zoma sy tamin’ny andro hafa fifadian-kanina, hono, izy ireo.

Ahoana no nahalalan’ireo olona ireo ampahany amin’ny Baiboly anglisy? Efa nadikan’i John Wycliffe tamin’ny teny anglisy ny Baiboly latinina, 150 taona teo ho eo talohan’izay, na dia nanohitra an’izany aza ny Eglizy. Nampiofana mpitory, nantsoina hoe Lollards, koa izy mba hitety faritany. Nitondra ampahana Soratra Masina nadika tanana izy ireo, ka izany no novakiny tamin’ny olona. Niezaka nanakana an’izany ny Parlemanta. Namoaka lalàna izy ireo, tamin’ny 1401, mba hahafahan’ny eveka hanagadra sy hampijaly ny mpivadi-pinoana ary handoro azy ireo eo amin’ny tsato-kazo.

Natahotra ny hosamborina i Foxe ka nankany Londres izy mianakavy. Nanohana ny hevitry ny Protestanta izy, tatỳ aoriana. Nandika zavatra ho amin’ny teny anglisy izy tany, anisan’izany ny trakta latinina sy ny traktan’ny Alemà Mpitondra Fanavaozana. Nanoratra trakta koa izy.

Nanoratra ny tantaran’ireo Lollards tany Angletera koa i Foxe, ary vitany izany tamin’ny 1554. Kely velarana ilay boky, amin’ny teny latinina, ary misy takelaka 212. Natao pirinty tany Strasbourg, any Frantsa, izany. Io no voalohany amin’ireo Zava-bita sy Vakoky ny Eglizy, nosoratan’i Foxe. Nampiany izany, dimy taona tatỳ aoriana, ka lasa boky be velarana misy takelaka 750 mahery.

Tsy nilefitra ny Eglizy ka maro ny aina nafoy

Lehilahy sy vehivavy ary ankizy an’arivony no novonoina nandritra ny Fanavaozana Protestanta tany Eoropa. Lasa mpanjakan’i Angletera i Marie I, tamin’ny 1553. Katolika mafana fo izy ary nantsoina hoe Marie Mpandatsa-dra. Efa nanapaka ny fifandraisany tamin’i Roma ny Parlemanta Anglisy tamin’ny 1534. Tapa-kevitra ny hamerina an’i Angletera ho eo ambany fahefan’ny papa anefa i Marie I. Nandritra ny dimy taona nanjakany, dia olona 300 teo ho eo no nodorany satria hoe mpivadi-pinoana. Mpitondra fivavahana protestanta ny sasany tamin’izy ireo. Maro koa no maty tany am-ponja.

Tsy maty ry Foxe mianakavy satria nitsoaka tany Bâle, any Soisa, raha vao nanjaka i Marie I. Niverina tany Angletera izy sy ny olon-kafa natao sesitany tamin’ny 1559, herintaona taorian’ny nanosorana an’i Élisabeth ho mpanjaka. Protestanta io rahavavin’i Marie io. Nataon’i Élisabeth nanan-kery indray ilay lalàna manome alalana ny mpanjaka ho Mpitondra Fara Tampon’ny Eglizy, tamin’io taona io. * Noroahin’ny Papa Pio Faha-5 tsy ho anisan’ny Fivavahana Katolika intsony àry izy, tamin’ny 1570. Tsy ela dia fantatra hoe nisy olona avy any ivelany niray tetika hiady amin’i Angletera ary nikasa hamono an’i Élisabeth. Katolika an-jatony àry no nasainy novonoina satria hoe mpamadika.

Tena tsy nanaraka ny fampianaran’i Jesosy Kristy ny Katolika sy ny Protestanta, izay milaza azy ho Kristianina. Hoy i Jesosy: “Tiavo foana ny fahavalonareo, ary mivavaha foana ho an’izay manenjika anareo.” (Matio 5:44) Tsy niraharaha an’izany toromarika mazava be izany ny Katolika sy ny Protestanta, ka tena afa-baraka ny Fivavahana Kristianina. Efa nolazain’ny Baiboly mialoha izany. Milaza ny apostoly Petera fa noho ny ataon’ireo miseho ho Kristianina no “hanevatevana ny lalan’ny fahamarinana.”—2 Petera 2:1, 2.

Namita an’ilay boky i Foxe

Notohizin’i Foxe ilay bokiny rehefa tafaverina tany Angletera izy. Nety ho nanatri-maso ny zavatra nosoratany ny mpamaky sasany. Nivoaka tamin’ny 1563 ny fanontana voalohany an’ilay bokiny amin’ny teny anglisy, ary izy io no be mpividy indrindra raha vao nivoaka. Nisy pejy 1 800 teo ho eo ilay izy ary nisy sary be dia be.

Nivoaka ny fanontana faharoa, fito taona taorian’izay. Boky roa ilay izy ary nisy pejy 2 300 mahery sy sary 153. Namoaka didy ny Eglizy Anglikanina, ny taona manaraka, hoe tokony hatao eo akaikin’ny Baiboly io bokin’i Foxe io, any amin’ny katedraly rehetra manerana an’i Angletera sy any amin’ny tranon’olona ambony ao amin’ny fiangonana, mba hovakin’ny mpiasa sy ny mpitsidika. Nanao toy izany koa ny paroasy taoriana kelin’izay. Nandray soa tamin’ilay boky na ireo tsy nahay namaky teny aza, noho ireo sary tsy hay hadinoina sy misy vokany lalina.

Efa niaraka tamin’ireo Puritains i Foxe tamin’izay. Protestanta ny Puritains ary nihevitra fa tsy ampy ny misaraka amin’ny Fivavahana Katolika. Nampianatra izy ireo fa tokony hesorina avokoa izay zavatra rehetra mamofompofona Katolika. Mahatsikaiky anefa fa izany no nampifandrafy azy ireo tamin’ny Fiangonana Protestanta tany Angletera, izay mbola nanaraka fombafomba sy fampianarana maro an’ny Katolika.

Nampiharihary ny habibiana maro nataon’ny fivavahana tamin’ny androny ny asa soratr’i John Foxe. Nisy vokany teo amin’ny fomba fijerin’ny olona ny fivavahana sy ny politika tany Angletera izany, nandritra ny taonjato maro.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Milaza i D. Montgomery, ao amin’ilay bokiny hoe Ireo Zava-nitranga Nampiova ny Tantaran’i Angletera (anglisy), fa tamin’ny 1534 dia nomen’ny Parlemanta fahefana feno ny mpanjaka ka “i Henri no manana fahefana feno amin’ny Eglizy, ary mpamadika izay mandà izany. Rehefa nanao sonia an’ilay taratasy ilay Mpanjaka, dia nanova tanteraka ny fanao efa naharitra arivo taona, ary lasa nanana ny egliziny mahaleo tena i Angletera, fa tsy miankina amin’ny Papa.”

[Efajoro/Sary, pejy 28]

BOKIN’IREO MARITIORA NOSORATAN’I FOXE

Nitantara ny tsipirian’ny fanenjehana sy famonoana mpivavaka tany amin’ny taniny ireo mpanoratra tany Eoropa, toa an’i Jean Crespin, nandritra ny adin’ny Eglizy Katolika sy ny Mpitondra Fanavaozana Protestanta. * Lasa nantsoina hoe Bokin’ireo Maritiora Nosoratan’i Foxe àry ilay bokiny hoe Ireo Zava-bita sy Vakoky ny Eglizy, rehefa nohavaozina sy nohafohezina imbetsaka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 25 Jereo ilay lahatsoratra hoe “Bokin’ireo Maritiora Nosoratan’i Jean Crespin”, ao amin’ny Mifohaza! Martsa 2011.

[Sary nahazoan-dalana]

© Classic Vision/age fotostock

[Sary, pejy 27]

Naniraka mpitory mpitety faritany nantsoina hoe Lollards i John Wycliffe

[Sary nahazoan-dalana]

From the book The Church of England: A History for the People, 1905, Vol. II

[Sary nahazoan-dalana, pejy 26]

From Foxe’s Book of Martyrs