Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Zazakely 7 isaky ny 10 any Alemaina no efa ao amin’ny Internet sahady. Mamorona kaonty sy adiresy e-mail ho azy ireo ny ray aman-dreniny na mametraka ny sariny na ny sariny tao am-bohoka ao amin’ny Internet. Mampitandrina ny amin’izany anefa ny manam-pahaizana satria tsy ho afa-bela amin’ireny sariny ao amin’ny Internet ireny intsony ilay ankizy.—BABY UND FAMILIE, ALEMAINA.

Vehivavy 14 000 isan-taona no maty noho ny herisetra an-tokantrano any Rosia, araka ny antontan’isa avy amin’ny fanjakana.—RIA NOVOSTI, ROSIA.

Misy arsenika sy kadmiôma ny lanezy any amin’ny 6 858 metatra ka hatramin’ny 7 752 metatra amin’ny Tendrombohitra Everest. Voalaza fa mampidi-doza ireo raha lasa any amin’ny rano fisotro. Ny fandotoana ataon’ny olona no heverina fa mahatonga izany.—SOIL SURVEY HORIZONS, ETAZONIA.

Vao nahavita pirinty ny faha-80 tapitrisa amin’ny Baiboly novokariny ilay hany orinasa mahazo mamokatra Baiboly any Chine. Baiboly 1 tapitrisa isam-bolana no ataony pirinty, izany hoe ampahefatry ny Baiboly atao pirinty eran-tany.—XINHUA, CHINE.

‘Ny 10,1 isan-jaton’ny Amerikanina efa lehibe no niala tsy ho Katolika, nefa notezaina tamin’izany.’—NATIONAL CATHOLIC REPORTER, ETAZONIA.

Loza Voajanahary Tamin’ny 2010

Nisy loza voajanahary 950 eran-tany, tamin’ny 2010, araka ny tatitra voarain’ny trano fiantohana lehibe iray. Nitombo izany satria 785 teo ho eo isan-taona ny salanisa nandritra ny folo taona talohan’izay. Ny ratsy indrindra, dia ireo horohoron-tany tany Chine sy Haïti ary Silia, ilay tondra-drano tany Pakistan, ary ilay hafanam-be sy rivotra maloto tany Rosia, izay namoizana ain’olona an’aliny. Zara raha nanimba zavatra tany Eoropa Avaratra ilay lavenona avy amin’ny volkano tany Islandy, nefa nampisy olana teo amin’ny fivezivezena ana habakabaka. Indroa no nisy oram-baratra narahina havandra tany Aostralia ary maherin’ny 2 000 tapitrisa dolara amerikanina ny zavatra simba. Milaza ny gazety The Telegraph fa “nitentina 130 000 tapitrisa dolara ny zavatra simba, anisan’izany ireo tsy noneran’ny fiantohana, nefa 50 000 tapitrisa dolara izany tamin’ny taon-dasa.”

Mitovy Amintsika ve Ireo Olona Rajako?

Hoy ny gazety New Scientist: ‘Niova ilay fiheverana hatry ny ela hoe ambany noho ny olombelona ny olon’i Néanderthal [olona rajako], satria hita tsikelikely fa ananan’izy ireo ny fahaizana noheverina fa mampiavaka antsika.’ Hita tamin’ny fikarohana vao haingana fa nanao trano izy ireo, nampiasa afo, niakanjo, nahandro, nanao fitaovana samihafa, ary nanamboatra lakaoly hametahana lela-lefona amin’ny tahony. Voaporofo koa fa nikarakara marary izy ireo, nanao firavaka, ary nandevina. Hoy i Erik Trinkaus, mpampianatra sy mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Washington, Etazonia: “Olona ihany ny olon’i Néanderthal ary nety ho nanana fahaizana mitovy amin’ny antsika.”