Ahoana no Nampahalaza ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques?
Ahoana no Nampahalaza ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques?
MARO ny fety natao tany Angletera tamin’ity taona ity, ho fankalazana ny faha-400 taonan’ny dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques. Nisy fanadihadiana manokana tamin’ny tele sy radio, ary teo koa ny kaonferansa sy ny seminera samihafa.
Ny Printsy Charles no nitarika ny fankalazana natao ho an’io Baiboly mitondra ny anaran’i Jacques I, mpanjakan’i Angletera, io. Nivoaka tamin’ny Mey 1611 izy io. Nahoana no tena tian’ny Anglisy ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques (anglisy)?
Nahazo vahana ny fandikana Baiboly
Efa naniry mafy hahalala ny fampianaran’ny Baiboly ny olona tany Eoropa, tamin’ny 1550 tany ho any. Lasa te hamaky ny Baiboly amin’ny fiteniny mantsy ny olona miteny anglisy, satria nandika ny Baiboly latinina ho amin’ny teny anglisy i John Wycliffe tamin’ny 1382. Nandika tanana ny ampahany tamin’izy io ireo Lollards mpanara-dia azy, ary nampitampitain’izy ireo nanerana an’i Angletera izany, nandritra ny 200 taona.
Niavaka koa ilay Testamenta Vaovao nadikan’i William Tyndale, manam-pahaizana momba ny Baiboly. Ny teny grika nanoratana ny Baiboly tamin’ny voalohany no efa voadikany tamin’ny teny anglisy, tamin’ny 1525. Namoaka ny Baiboly manontolo amin’ny teny anglisy koa i Miles Coverdale, tamin’ny 1535. Nanapaka ny fifandraisany tamin’i Roma ny Mpanjaka Henri Faha-8, herintaona talohan’izay. Nisy tetika nataony mba hanamafisana ny toerany amin’ny maha lehiben’ny Eglizy Anglikanina azy. Nanome alalana handikana Baiboly iray amin’ny teny anglisy izy. Nantsoina hoe Baiboly Lehibe izy io, natao pirinty tamin’ny 1539, ary amin’ny endri-tsoratra hafakely.
Voatery nifindra tany Genève, any Soisa, ny Puritains sy ny Protestanta nanerana an’i Eoropa. Nivoaka tamin’ny 1560 ny Baibolin’i Genève. Io no Baiboly anglisy voalohany amin’ny soratra mora vakina, ary misy toko sy andininy. Avy tany Eoropa izy io ary nampidirina tany Angletera ka vetivety dia nalaza. Natao pirinty tany Angletera koa izy io tamin’ny 1576, ary nasiana sarintany sy fanamarihana eny amin’ny sisim-pejy. Nisy tsy tia anefa ireny fanamarihana ireny satria nanohintohina ny fahefan’ny papa.
Nisy olana
Vitsy no tia ny Baiboly Lehibe ary nahasosotra ny olona ny fanamarihana tao amin’ny Baibolin’i Genève, ka tapaka ny hevitra hoe hasiana
Baiboly hohavaozina. Ny Baiboly Lehibe no niaingana ary ny evekan’ny Eglizy Anglikanina no nasaina nanao izany. Nivoaka ny Baibolin’ny Eveka (anglisy), tamin’ny 1568. Lehibe izy io ary feno sary. Tsy tian’ny Kalvinista anefa ilay hoe “eveka” satria tsy tia anaram-boninahitra amin’ny fivavahana izy ireo. Tsy ny Anglisy rehetra àry no tia an’ilay Baibolin’ny Eveka.Lasa mpanjaka i Jacques I tamin’ny 1603 * ary nanao fanambarana hoe hisy fandikan-teny vaovao hatao. Nilaza izy fa ho tian’ny rehetra ilay izy satria tsy hisy fanamarihana manafintohina.
Nanohana an’ilay tetikasa ny Mpanjaka Jacques. Nozarazaraina maromaro ny Baiboly. Nanomana azy ireny tany Angletera ny manam-pahaizana 47, izay nizara ho ekipa enina. Nampiasa ny Baibolin’i Tyndale sy Coverdale izy ireo ary nanitsy ny Baibolin’ny Eveka. Nakan’izy ireo hevitra koa ny Baibolin’i Genève sy ilay Baiboly katolika Testamenta Vaovao (1582) natao tany Rheims.
Manam-pahaizana momba ny Baiboly koa i Jacques ary izao no nosoratana tao anatin’ilay Baiboly, ho fisaorana azy: “Ho an’i Jacques, ilay avo indrindra sady andriana mahery.” Lehiben’ny Eglizy Anglikanina izy ka noheverina hoe mampihatra ny fahefany mba hampiraisana ny firenena.
Asa soratra miavaka
Faly ny mpitondra fivavahana satria nahazo Baiboly avy tamin’ny mpanjaka ary “natao hovakina any am-piangonana” izy io. Ahoana anefa no handraisan’ny olona an’io Baiboly vaovao io?
Nilaza ireo mpandika teny, eo amin’ny sasin-teny, fa manahy izy ireo sao tsy ho tian’ny olona ilay izy. Nandeha tsara ihany anefa ny zava-drehetra, na dia afaka 30 taona teo ho eo aza ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques vao tena tian’ny olona mihoatra noho ny Baibolin’i Genève.
Milaza ny boky Ny Baiboly sy ny Anglisy (anglisy) fa efa io no nekena ho Baiboly ofisialy tany am-piangonana tamin’izay, na dia ny hakantony ihany aza no nahatonga izany. Hoy Ny Tantaran’ny Baiboly Navoakan’i Cambridge (anglisy): “Noheverina ho masina sy teny
naloaky ny vavan’Andriamanitra mihitsy ny teny ao anatiny. Maro ny Kristianina anglisy mihevitra fa toy ny fanevatevana an’Andriamanitra ny manova ny teny ao amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques.”Hatrany amin’ny faran’ny tany
Nitondra ny Baibolin’i Genève nankany Amerika Avaratra ireo mpifindra monina voalohandohany avy any Angletera. Ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques anefa no fampiasa, tatỳ aoriana. Rehefa nitatra maneran-tany ny Fanjakana Britanika, dia lasa fampiasa izy io noho ireo misionera protestanta. Ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques amin’ny teny anglisy àry no nampiasain’ireo mpandika teny tany an-tany hafa, satria tsy nahazatra azy ny Baiboly hebreo sy grika.
Hoy ny Tranomboky Britanika: “Mbola ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques ihany no boky anglisy natao pirinty be indrindra.” Misy milaza fa arivo tapitrisa mahery tamin’izy io no natao pirinty eran-tany.
Nohavaozina
Betsaka no nihevitra hoe ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques ihany no “marina.” Nohavaozina tanteraka izy io nanomboka tamin’ny 1870, tany Angletera, ka nivoaka ny Dikan-teny Nohavaozina (anglisy). Nisy fanovana kely natao tatỳ aoriana ka nivoaka ny Dikan-teny Amerikanina Mahazatra. * Nohavaozina indray izany tamin’ny 1982 ka voalaza ao amin’ny sasin-teniny fa nisy ezaka natao “mba hihazonana an’ilay fomba fanoratra kanto”, nampiavaka ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques nivoaka tamin’ny 1611.
Ny Baiboly foana no boky be mpividy indrindra ary ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques no malaza indrindra. Hoy anefa i Richard Moulton, mpampianatra: ‘Natao daholo izay azo natao tamin’ireo asa soratra hebreo sy grika. Nadika sy nohavaozina izy ireny. Mbola misy zavatra iray tokony hatao amin’ny Baiboly anefa. Mila vakina izy io.’
Asa soratra miavaka tokoa ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques. Tsy manan-tsahala ny fomba nanoratana azy ka tian’ny olona sy sarobidy aminy. Ary ny hafatra raketiny? Avy amin’ny fanahy masina ny Baiboly ka mirakitra vahaolana maharitra amin’ireo zava-tsarotra iainantsika. Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hampianatra Baiboly anao, na inona na inona Baiboly tianao hampiasaina.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 10 Teraka tamin’ny 1566 i Jacques ary lasa mpanjaka tamin’ny 1567 ka nantsoina hoe Jacques Faha-6, mpanjakan’i Ekosy. Lasa mpanjakan’i Angletera koa izy tamin’ny 1603 ary nantsoina hoe Mpanjaka Jacques I. Tamin’ny 1604 izy vao nantsoina hoe “Mpanjakan’i Grande-Bretagne.”
^ feh. 21 Jereo ilay efajoro hoe “Dikan-teny Amerikanina Mahazatra.”
[Efajoro/Sary, pejy 23]
DIKAN-TENY AMERIKANINA MAHAZATRA
Avy tamin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques ny Dikan-teny Amerikanina Mahazatra, ary nivoaka tamin’ny 1901. Izao no voalaza ao amin’ny sasin-teniny: ‘Fantatray tokoa fa kanto ny fomba nanoratana ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques ary misy lanjany ny teny nampiasaina tao.’ Nisy fanovana lehibe natao anefa tao amin’ny Dikan-teny Amerikanina Mahazatra.
Hoy ihany ilay sasin-teny: “Rehefa avy nandinika tsara ireo mpandika teny nanavao ity Baiboly ity, dia niara-niaiky toy izao: Tsy tokony harahin’ny mpandika ny Testamenta Taloha amin’ny teny anglisy na amin’ny teny hafa intsony, ilay finoanoam-poana jiosy hoe masina loatra ny Anaran’Andriamanitra ka tsy azo tononina. Soa ihany fa tsy ahitana taratr’io finoanoam-poana io intsony ny dikan-teny maoderina maro navoakan’ny misionera.”
Tsy hoe tsy hita ao amin’ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques mihitsy akory ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah. Miverina inefatra izy io ao, izany hoe ao amin’ny Eksodosy 6:3; Salamo 83:18; Isaia 12:2; ary ny Isaia 26:4. Miverina im-7 000 eo ho eo amin’ny toerana tokony hisy azy anefa izy io ao amin’ny Dikan-teny Amerikanina Mahazatra.
[Sary]
1901
[Efajoro/Sary, pejy 24]
TENA NILAINA
Navoakan’ny Mpianatra ny Baiboly tany Etazonia tamin’ny 1907 ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, an’ny Watch Tower Bible and Tract Society. Misy fanazavana fanampiny antsoina hoe “Bokin’ny Mpampianatra Baibolin’ny Berianina” ao amin’izy io. Nampiasa ny fanontam-pirintiny ny Vavolombelon’i Jehovah, tatỳ aoriana, mba hamoahana ny Dikan-tenin’ny Mpanjaka Jacques, ka 1 858 368 tamin’izy io no efa vitan’izy ireo pirinty tamin’ny 1992.
[Sary]
1907
[Efajoro/Sary, pejy 24]
BAIBOLY MAODERINA TENA SAROBIDY
Maro ny fandikan-tenin’ny Baiboly navoaka tato anatin’ny 50 taona, ary misy amin’ny fiteny maro ny sasany aminy. Anisan’ny heverin’ny maro ho tena sarobidy Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao, ary 170 tapitrisa mahery no efa naely. Misy amin’ny fiteny 100 izy io, na izy manontolo izany na ny ampahany aminy. Misy fanontana amin’izy io ahitana sarintany sy fanondroana ary fanazavana fanampiny, ka manampy ny mpamaky hahazo kokoa izay lazain’ny Baiboly momba ny androntsika.
[Sary]
1961
[Sary, pejy 22]
1611
[Sary nahazoan-dalana, pejy 22]
Art Resource, NY