Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Boky Miavaka sy Tsy Mety Potika

Boky Miavaka sy Tsy Mety Potika

Boky Miavaka sy Tsy Mety Potika

“Io no boky be mpanohitra indrindra. Tsy nihontsina mihitsy anefa izy io rehefa notafihin’ny manam-pahefana sy ny manam-pahaizana ary ny olona mahay mandaha-teny.”

NAHOANA ianao no tokony ho liana amin’ny Baiboly? Satria milaza izy io fa mirakitra ny hafatr’Andriamanitra ho an’ny olombelona. (2 Timoty 3:16) Raha marina izany, dia ho voa mafy ianao raha tsy mamaky azy.

Io koa no boky tranainy sy miely indrindra, voadika amin’ny fiteny betsaka indrindra, ary be mpividy indrindra hatramin’izay.

Mahagaga fa miely be sy mbola misy hatramin’izao ilay boky milaza fa avy amin’Andriamanitra nefa efa be dia be ny zavatra natao hamongorana azy. Hoy i Albert Barnes, teolojianina tamin’ny taonjato faha-19: “Io no boky be mpanohitra indrindra. Tsy nihontsina mihitsy anefa izy io rehefa notafihin’ny manam-pahefana sy ny manam-pahaizana ary ny olona mahay mandaha-teny.”

Milaza io mpanoratra io fa mahaliana ny olona ny zavatra tsy nihontsina tamin’ny fanafihana maro. Nilaza koa izy hoe: “Tsy nisy tafika tafavoaka velona tamin’ny ady toy ny natao tamin’ny Baiboly. ... Tsy nisy tanàna fahiny mafy be toy ny Baiboly ka hoe tsy nihontsina rehefa natao fahirano sy notafihina imbetsaka, na tsy simba rehefa nandeha ny fotoana. Tsy nisy vato nahajoro toy ny Baiboly ka hoe tsy niala tamin’ny toerany rehefa nofaohin’ny riaka be imbetsaka.”

Maro amin’ny asa soratra fahiny no tsy hita intsony na potika na tsy noraharahaina fotsiny. Mbola eo foana anefa ny Baiboly na maro aza no niezaka namongotra azy. Nisy nanao vivery ny ainy mba hahafahan’ny sarambabem-bahoaka hanana Baiboly. Nisy kosa naka an-keriny ny Baibolin’ny olona tena te hamaky Baiboly, ary nandoro azy ireny niaraka tamin’ny tompony, teny imason’olona.

Nahoana no tena tian’ny olona ny Baiboly nefa koa be mpankahala? Inona avy no efa natao taminy? Iza no nitady hanafoana azy? Nahoana no mbola misy hatramin’izao izy io? Nahoana ianao no tokony ho liana amin’ny hafatra raketiny? Hovaliana ao amin’ireo pejy manaraka izany.

[Tabilao/Sary, pejy 2, 3]

(Jereo ny gazety)

TAONA MIAVAKA

1513 T.K. Nosoratana tamin’ny teny hebreo sy aramianina ary grika ny Baiboly

–98 A.K. t.

100 Tamin’ny endrika kôdeksa ka mora nentina kokoa

405 Nadikan’i Jérôme tamin’ny teny latinina

1380 Nadikan’i Wycliffe ho amin’ny teny anglisy ny Baiboly latinina

1455 Nanao pirinty voalohany ny Baiboly i Gutenberg

1525 Nadikan’i Tyndale tamin’ny teny anglisy ny Baiboly

1938 Natao pirinty tamin’ny fiteny 1 000 mahery

2011 Misy amin’ny fiteny 2 500 mahery