Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efa Nampiasaina Talohan’i Kristy ny Hazo Krismasy

Efa Nampiasaina Talohan’i Kristy ny Hazo Krismasy

Efa Nampiasaina Talohan’i Kristy ny Hazo Krismasy

MANDRAVAKA ny fivarotana any amin’ny tany maro sady fampiasan’ny olona ny hazo krismasy, mandritra ny fety. Efa hatramin’ny ela ny hazo no nampiasain’ny olona teo amin’ny fivavahana.

Izany no porofoin’ny zavatra hita tany Bohuslän, any amin’ny morontsiraka andrefan’i Soeda, sy tany Østfold, any Norvezy. Nahitana sarina hazo 75 000 mahery vita sokitra tamin’ny vato, tany amin’ny toerana 5 000 teo ho eo, tany amin’ireo faritra ireo. Milaza ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany fa teo anelanelan’ny 1800 T.K. sy 500 T.K. tany ho any no nanaovana ny maro tamin’ireo sary ireo. *

Ahafantarantsika ny zavatra ninoan’ny olona taloha ela be, talohan’ny nahaterahan’i Jesosy avy any Nazareta, ireo sary ireo. Misy mpikaroka, ohatra, mihevitra fa masina tamin’ny olona tany amin’ny faritr’i Soeda sy Norvezy ankehitriny ilay hazo maitsoririnina mitovitovy endrika amin’ny hazo kesika.

Nahoana ny olona tany amin’ireo morontsiraka avaratra ireo no nanao ny sarin’io hazo io tamin’ny vato, talohan’ny andro kristianina? Milaza ny manam-pahaizana sasany, fa anisan’ny nahatonga izany ny hoe tsy fahita firy io hazo io tamin’ny fotoana nanaovana an’ireo sary. Tsy mahagaga raha nahavariana ny olona ilay hazo satria “velona” na maitso foana rehefa nangatsiaka ny andro ka nihintsana ny ravin’ny hazo hafa rehetra.

Manondro zavatra velona na tafavoaka velona na tsy mety maty koa ny hazo, any amin’ny tany maro. Mety ho izany koa no nahatonga ny olona hanao sarina hazo mitovitovy amin’ny kesika, vita sokitra mazava tsara eo amin’ny vato, tany amin’ny faritr’i Bohuslän sy Østfold. Taonjato maro tatỳ aoriana vao lasa betsaka an’io hazo io tany.

Hoy ny boky Sary Sokitra Tamin’ny Vato Tany Amin’ireo Sisin-tany (anglisy), izay nivoaka noho ny fiaraha-miasa tamin’ny Vaomieran’ny Lovam-pirenen’i Soeda: ‘Hita avy amin’ireo sarina hazo vita sokitra tamin’ny vato fa efa tamin’ny 2000 T.K. tany ho any ireo mponin’ny faritra atsimon’i Skandinavia no nanaraka ny fivavahana sy ny fomba amam-panao nanerana an’i Eoropa sy ny ampahany lehibe tamin’i Azia. Namboly sy niompy ny olona tany ary nampifanarahany tamin’izany ny fivavahany sy ny fiheverany ny manodidina azy. Nitovy ny andriamanitra nivavahan’izy ireo na dia samihafa aza no niantsoany azy ireo.’

Hoy koa ilay bokikely hoe Fitsidihana Vato Vita Sokitra (anglisy), navoakan’ny Tranombakok’i Bohuslän: “Tsy hoe te hampiseho ny fiainany andavanandro ireo mpanao sokitra amin’ny vato. Angamba ireny sary ireny karazana vavaka na fangatahana amin’ireo andriamanitra.” Hoy ihany ilay bokikely: “Misy ifandraisany amin’ny fiainana tsy misy farany, ny fiterahana, ny fahafatesana, ary ny fahaterahana indray ny finoan’izy ireo.”

Nisy sary maromaro natao, ela be talohan’ny nahaizan’ny olona tany Eoropa Avaratra nanoratra. Niresaka momba azy ireo ny rakipahalalana soedoà iray ka nilaza fa ‘tena zava-dehibe teo amin’ny fivavahan’ny mponina tany Avaratra ny fangatahana mba hiteraka sy hamokatra, matoa any misy sary betsaka mampiseho firaisana.’

Lasa fanao tany amin’ny tany maro ny fampiasana hazo maitsoririnina. Hoy Ny Rakipahalalana Britannica (anglisy) momba ny hazo krismasy: “Fanaon’ny mpanompo sampy tany Eoropa ny nivavaka tamin’ny hazo ary tsy nialany izany na dia efa lasa Kristianina aza izy ireo.” Maro ny fombafomba nampiasana ny hazo, anisan’izany ilay hoe “mametraka hazo krismasy eo am-baravarana na ao an-trano, mandritra ny fety amin’ny fisasahan’ny ririnina.”

Inona no tena nampahalaza ny hazo krismasy? Nampiasa hazo maitsoririnina nohaingoina ny fianakavian’ny mpanjaka tany Grande-Bretagne rehefa nankalaza Krismasy, tamin’ny 1841. Fantatra hatraiza hatraiza izao ny hazo krismasy ary an-tapitrisany ny hazo tadiavin’ny olona, na tena hazo izany na tsia. Na ahoana na ahoana, dia porofoin’ireo sary sokitra tamin’ny vato any Skandinavia fa tsy ny Kristianina mihitsy no voalohany nampiasa hazo krismasy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Nampidirin’ny UNESCO ho anisan’ny Lova Iraisam-pirenena ny toerana sasany ahitana an’ireo vato misy sary any Bohuslän.

[Teny notsongaina, pejy 12]

Asehon’ireo sary sokitra tamin’ny vato fa efa nivavaka tamin’ny hazo maitsoririnina ny mpanompo sampy, talohan’i Kristy

[Sary, pejy 13]

Sarina hazo vita sokitra amin’ny vato, any 1) Torsbo sy 2) Backa ary 3) Lökeberg, Soeda

[Sary nahazoan-dalana]

Courtesy Stiftelsen för dokumentation av Bohusläns hällristningar