Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Enjehina ny Baiboly

Enjehina ny Baiboly

Enjehina ny Baiboly

NOSORATANA nandritra ny 1 600 taona mahery ilay fitambaram-boky antsoina hoe Baiboly. I Mosesy no nanoratra ny ampahany voalohany amin’izy io ary mpianatr’i Jesosy Kristy no nanoratra ny ampahany farany, 100 taona teo ho eo taorian’ny nahaterahan’i Jesosy.

Efa ela be talohan’ny nahaterahan’i Jesosy no nisy ezaka hanakanana ny olona tsy hamaky Baiboly, ary mitohy hatramin’ny andro maoderina izany. Nitantara momba izany, ohatra, i Jeremia mpaminanin’Andriamanitra, izay velona 600 taona mahery talohan’ny nahaterahan’i Jesosy Kristy.

Notoherina ilay hafatra tsy tiam-bahoaka

Nasain’Andriamanitra nosoratan’i Jeremia tao amin’ny horonana iray ny fanamelohana ny mponin’i Joda fahiny, sy ny fampitandremana hoe horavana i Jerosalema renivohitra raha tsy miova izy ireo. Novakin’i Baroka, mpitan-tsoratr’i Jeremia, teo imason’olona tao amin’ny tempolin’i Jerosalema izany. Naveriny novakina tamin’ny andrianan’i Joda ilay horonana ary nentin’izy ireo tany amin’i Joiakima Mpanjaka. Tsy tian’io mpanjaka io ny zavatra reny tao amin’ilay horonana mirakitra ny tenin’Andriamanitra, ka notapatapahiny sy nodorany ilay horonana.—Jeremia 36:1-23.

Hoy Andriamanitra tamin’i Jeremia, avy eo: “Makà indray horonam-boky hafa, ary soraty ao daholo ny teny tao amin’ilay horonam-boky voalohany, izay nodoran’i Joiakima mpanjakan’ny Joda.” (Jeremia 36:28) Tanteraka tokoa ilay tenin’i Jehovah, 17 taona teo ho eo tatỳ aoriana. Rava i Jerosalema, novonoina ny olona ambony maromaro, ary nentina ho babo tany Babylona ny mponina tao. Mbola ao amin’ny bokin’i Jeremia ao amin’ny Baiboly izao ny hafatra tao amin’ilay horonana sy ny fitantarana ny zava-nitranga mifandray amin’ny ezaka natao hamongorana azy.

Mitohy ny fandoroana Baiboly

Nisy olon-kafa niezaka nandoro ny Tenin’Andriamanitra koa talohan’ny andron’i Jesosy. Ireo tarana-mpanjaka avy amin’i Séleucus no nanapaka ny Israely rehefa nizarazara ny fanjakana grika. Te hampanjaka ny kolontsaina grika tao amin’ny faritra nofeheziny ilay taranak’i Séleucus atao hoe Antiochus Épiphane, izay nanjaka tamin’ny 175-164 T.K. * Notereny hanaraka ny fomba amam-panao sy ny fivavahana grika àry ny Jiosy.

Norobain’i Antiochus ny tempolin’i Jehovah tao Jerosalema tamin’ny 168 T.K. tany ho any. Nanorina alitara ho an’i Zeosy, andriamanitra grika, izy, teo an-tampon’ilay alitara tao. Tsy navelany nitandrina Sabata koa ny Jiosy sady tsy navelany namora ny zanany lahy. Novonoina ho faty izay tsy nankatò an’izany.

Rehefa nanery ny olona hiova fivavahana i Antiochus dia niezaka nanafoana ny horonana rehetra nisy ny Lalàna. Tsy vitany anefa ny nanafoana ny Soratra Hebreo rehetra, na dia nanao izany nanerana an’i Israely aza izy. Toa voafina tsara ny horonana sasany tao Israely ka tsy may, ary voatahiry tsara ny Soratra Masina tany amin’ny Jiosy nipetraka tany an-toeran-kafa.

Ny lalàn’i Dioclétien

Niezaka nanafoana ny Soratra Masina koa i Dioclétien, mpanjaka romanina. Namoaka lalàna maromaro nanohitra ny Kristianina izy, tamin’ny taona 303. Nisesisesy izany sady nihahenjana foana, ka nantsoin’ny mpahay tantara sasany hoe “Fanenjehana Mafy.” Izao no lalàna voalohany navoakany: Dorana daholo ny Soratra Masina ary ravana ny toerana fivorian’ny Kristianina. Hoy i Harry Gamble, mpampianatra momba ny fivavahana, ao amin’ny Oniversiten’i Virginie: “Noheverin’i Dioclétien fa tsy manana an’ireo fitambaram-boky ireo daholo angamba ny Kristianina rehetra, na aiza na aiza misy azy, ary noheveriny fa tsy zava-dehibe amin’izy ireo angamba ireny boky ireny.” Hoy koa ilay mpahay tantara atao hoe Eusèbe avy any Kaisaria, izay niaina tamin’ny andron’i Dioclétien: “Ny masonay mihitsy no nahita an’ireo trano fivavahana narodana hatramin’ny fototra sy ireo Soratra Masina nodorana teny an-tsena.”

Voalaza fa nandidy ny Kristianina mba hanome ny “asa soratra [rehetra] misy ny lalàna” sy ny “soratra masina” rehetra ny ben’ny tanànan’i Cirta (Constantine ankehitriny), any Afrika Avaratra, telo volana taorian’ny nivoahan’ny lalàn’i Dioclétien. Voalaza koa fa naleon’ny Kristianina sasany nampijalina sy novonoina, toy izay hanome ny Baiboliny mba hopotehina.

Nahoana no misy te hanafoana ny Baiboly?

Samy te hanafoana ny Tenin’Andriamanitra i Joiakima sy Antiochus ary Dioclétien. Tsy nisy nahafoana ny Baiboly anefa. Mody nilaza azy ho Kristianina ireo mpitondra an’i Roma, taorian’i Dioclétien. Mbola nisy te hanafoana ny Baiboly anefa.

Nilaza ireo mpitondra fanjakana sy mpitondra fivavahana fa tsy hoe te hanapotika ny Baiboly izy ireo raha nandoro azy io. Tsy tian’izy ireo hanana Baiboly fotsiny ny sarambabem-bahoaka. Nahoana? Inona no nataon’izy ireo mba hanakanana ny olona tsy hamaky Baiboly? Andao izany hojerentsika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Midika hoe “Talohan’i Kristy” ny hoe T.K., “Aorian’i Kristy” ny hoe A.K., ary “tany ho any” ny hoe t.