Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miahy ny Biby ve Andriamanitra?

Miahy ny Biby ve Andriamanitra?

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Miahy ny Biby ve Andriamanitra?

TANDINDOMIN-DOZA ny biby. Hitan’ny mpahay siansa maro fa mihalany tamingana haingana izy ireo. Mizaka ny vokatry ny fanimbana ataon’ny olombelona ny biby. Manginy fotsiny ny ataon’ny orinasa mpamokatra sakafo sy ny mpampiady biby ary ireo tsy miraharaha ny biby namana an-trano fa manary azy ireo.

Misy mihevitra fa tsy azo ialana izany noho ny fandrosoana. Izany ve anefa no fikasan’Andriamanitra? Tsy raharahainy ve ny biby ka avelany hampijalin’ny olona? Ahoana no ahalalantsika fa miahy ny biby izy?

Efa hatramin’ny voalohany

Faly Andriamanitra rehefa avy namorona ny trondro sy ny vorona ary ny biby an-tanety. Hoy ny Baiboly: “Hitan’Andriamanitra fa tsara izany.” (Genesisy 1:21, 25) Tian’ny Mpamorona sy nokarakarainy daholo ireny zavaboary ireny, manomboka amin’ny kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra. Nomeny “fahendrena voajanahary” izy ireo sady nomeny izay nilainy mba hahavelona azy tsara. Izany indrindra no nolazain’ny mpanoratra iray ao amin’ny Baiboly. Hoy izy: “Ireo rehetra ireo dia miandrandra anao hanome azy ny haniny amin’ny fotoanany. Raisiny izay omenao azy. Manokatra ny tananao ianao, ka voky zava-tsoa izy ireo.”—Ohabolana 30:24; Salamo 104:24, 25, 27, 28.

Marina fa nasain’Andriamanitra nofehezin’i Adama, lehilahy voalohany, ny biby. Tsy natao hisaina na ho afaka hifandray amin’Andriamanitra anefa ny biby. (2 Petera 2:12; Joda 19) I Adama kosa ambony kokoa satria noforonina araka ny “endrik’Andriamanitra.” Afaka nanahaka ny toetran’i Jehovah, ilay namorona azy, izy. (Genesisy 1:27; Salamo 83:18) Izany anefa tsy manome alalana ny olona hanao zavatra mifanohitra amin’ny fikasan’ny Mpamorona ka hoe hanjakazaka amin’ny biby.

Nanome anarana ny biby, ohatra, i Adama satria nasain’i Jehovah hanao izany. Nanampy an’i Adama koa i Jehovah. “Nentiny ho any amin-dralehilahy [ny biby] mba hahitana izay hiantsoany azy avy.” (Genesisy 2:19) Rehefa manaraka ny tari-dalan’ny Mpamorona ihany ny olona vao ho afaka hikarakara tsara ny biby.

Tena mikarakara azy ireo Andriamanitra

Mampalahelo fa nikomy tamin’ny Mpamorona i Adama. Nitondra loza ho an’ny olombelona sy ny zavamananaina rehetra eto an-tany izany. Efa nataon’ny Mpamorona mazava tsara anefa hoe ahoana no tokony hitondrana ny biby. Navela hihinana biby ny olona ary navela hampiasa biby raha nisy antony tsara. Tsy navelany hampijalijaly biby mihitsy anefa ny olona. Hoy ny Baiboly: “Mitsimbina ny ain’ny biby fiompiny ny marina, fa fahasiahana kosa no mba famindram-pon’ny ratsy fanahy.”—Ohabolana 12:10.

Nomen’Andriamanitra lalàna hiarovana ny biby mihitsy aza ny Israelita. Eo, ohatra, ny Sabata, izay andro natao hialana sasatra isan-kerinandro. Mba niala sasatra koa ny biby tamin’io fotoana io. (Eksodosy 23:12) Tsy nisy asa azo natao amin’io andro masina io, nefa tsy maintsy namonjy an’izay biby nila fanampiana ny olona. (Lioka 14:5) Nandidy koa Andriamanitra hoe tsy tokony hosakanana tsy hisakafo ny omby eo am-perinasa, ary tsy tokony hampitondrana entana mavesatra loatra ny biby. (Eksodosy 23:5; Deoteronomia 25:4) Tsy azo nampiraisina zioga ny omby sy ampondra, mba tsy hijalian’izy ireo. (Deoteronomia 22:10) Mazava àry ny fampianaran’ny Baiboly: Tokony hohajaina sy hanehoana fangorahana ny biby ary tsy tokony hampijalina.

Miahy sy mangoraka ny biby Andriamanitra, na dia maro aza ny olona tia tena ka tsy miraharaha hoe mety hisy vokany ratsy eo amin’ny biby ny ataony. Diniho, ohatra, izay nolazain’i Jehovah tamin’i Jona mpaminany. Nibebaka ny mponin’i Ninive ary tsy noringanin’Andriamanitra. Tsy namindra fo anefa i Jona, ka hoy i Jehovah: “Izaho ve tsy mba halahelo an’i Ninive, ilay tanàna lehibe misy olona maherin’ny roa alina sy iray hetsy izay tsy mahalala akory ny havia sy havanany, ary misy biby fiompy maro koa?” (Jona 4:11) Mampalahelo ny Mpamorona tokoa na dia ny biby aza.

Ho voakarakara tsara izy ireny

Tsy miraharaha ny biby àry ve Andriamanitra? Tsy izany mihitsy! Nilaza i Jesosy Zanany fa na fody iray aza no latsaka amin’ny tany dia fantatry ny Rainy. (Matio 10:29) Tsy mahatakatra tsara ny vokatry ny ataony eo amin’ny tontolo iainana ny olona, na dia tena te hanao zavatra tsara aza. Ny toe-tsaina no mila ovana raha te hanaja ny ain’ny biby ny olona rehefa manao zavatra hampandrosoana ny fiaraha-monina.

Soa ihany fa “ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany”, hoy ny Baiboly, rehefa hanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra. (Isaia 11:9) Hampianarin’ny Mpamorona sy hampiofaniny ny olona mankatò ka hanana an’io fahalalana io ary hahay hikarakara ny tany. Tsy hiady intsony ny olona sy ny biby ka hiverina ho toy ny nikasan’Andriamanitra azy tamin’ny voalohany ny fiainana eto an-tany.

Hoy ny Baiboly momba ny fiovana hitranga amin’izany: “Hiaraka tsindraindray ny zanak’ondry sy ny amboadia, hatoritory hiaraka amin’ny zanak’osy ny leopara, ary hiaraka daholo ny zanak’omby sy ny liona tanora ary ny biby nohatavezina, ka ankizilahikely no hitarika azy ireo. Hiara-misakafo ny ombivavy sy ny orsa, ary hiara-matoritory ny zanany. Na ny liona aza hihina-mololo toy ny omby. Hilalao eo amin’ny lavaky ny kôbrà ny zaza minono, ary ny zaza nisara-nono dia hametraka ny tanany eo amin’ny lavaky ny bibilava misy poizina.” Tsy andrintsika izay hahatongavan’izany!—Isaia 11:6-8.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Mihevitra an’izay manjo ny biby ve Andriamanitra?—Ohabolana 12:10; Matio 10:29.

● Hihavana tokoa ve ny biby sy ny olona?—Isaia 11:6-9.

[Teny notsongaina, pejy 11]

Ny toe-tsaina no mila ovana raha te hanaja ny ain’ny biby ny olona

[Sary nahazoan-dalana, pejy 11]

La Voz de Galicia/Fotógrafo: Víctor Mejuto