Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mitantara Ireo Tsy Maty Tamin’ilay Tsunami Tany Japon Tamin’ny 2011

Mitantara Ireo Tsy Maty Tamin’ilay Tsunami Tany Japon Tamin’ny 2011

Mitantara Ireo Tsy Maty Tamin’ilay Tsunami Tany Japon Tamin’ny 2011

Ho hitanao ato ny fitantaran’ireo tsy maty tamin’ilay horohoron-tany sy tsunami tany Japon.

NISY horohoron-tany namely an’i Japon ny zoma 11 Martsa 2011, tamin’ny 2.46 tolakandro. Io no fahefatra amin’ireo horohoron-tany mahery indrindra hatramin’izay. Nisy tsunami sy horohoron-tany maromaro taorian’izay ka mbola natahotra ny olona nandritra ny herinandro vitsivitsy. Nisy 20 000 teo ho eo no maty na tsy hita popòka. An’arivony anefa no tafavoaka velona. Diniho izay nolazain’ny sasany taminy.

Tao an-tranony tany Ishinomaki, any Miyagi, i Tadayuki sy Harumi vadiny no nandre feo lavareny ary nanomboka nihozongozona be ny tranony. Hoy i Tadayuki: “Nihazakazaka nivoaka ny trano izahay ary taitra nahita ny tany nitresaka. Hitanay nitady hianjera ny tranonay ary toy ny setroka ny vovoka avy any anaty rindrina.”

Tany amin’ny 129 kilaometatra tany akaikin’ny morontsirak’i Miyagi no nisy ny foiben’ilay horohoron-tany, ary ny 670 kilaometatra amin’ny morontsirak’i Japon no simba. Nahatratra 15 metatra ny haavon’ny onja tany amin’ny faritra sasany ka nandrava an’ireo fefy aro onja teny amoron-dranomasina, ary hatrany amin’ny 40 kilaometatra no safotry ny rano.

Simba tanteraka ireo orinasa mpamokatra jiro sy rano ary gazy. Trano sy fivarotana ary orinasa miisa 160 000 eo ho eo no potika na lasan’ny rano. Tra-boina 440 000 eo ho eo no nialokaloka tany amin’ny toerana 2 500 teo ho eo, toy ny sekoly na tranobe hafa. Ny hafa kosa nankany amin’ny havany na ny namany. An’aliny no maty ary an’arivony no tsy hita.

Nahavaky fo

Nahafaty olona betsaka kokoa ilay tsunami, raha oharina amin’ilay horohoron-tany. Efa nampoizin’i Yoichi, mipetraka ao Rikuzentakata, any Iwate, fa hisy tsunami aorian’ilay horohoron-tany ka nentiny nitady fialofana teo akaiky teo ny ray aman-dreniny. Niverina nijery ny mpiara-monina taminy izy avy eo. Saika hijery an’ireo ray aman-dreniny indray i Yoichi sy Tatsuko vadiny nefa nandre hoe misy tsunami manatona.

Nikoropaka namonjy trano fialofana hafa izy mivady nefa voasakan’ny potipoti-javatra ny fidirana. Hitan’izy ireo nisosa nankeny aminy, avy eo, ilay trano fanatsofana hazo teo akaiky teo. Nikiakiaka i Tatsuko hoe: “Andao handositra!”

Tonga teo an-tokotanin’ny sekoly iray avo toerana kokoa izy ireo tamin’ny farany. Tazan’izy ireo avy teny ilay tsunami, nandifotra ny manodidina azy. Nisy nilaza hoe: “Lasan’ny rano ny tranonay!” Efa ho ny telo ampahefatry ny tanànan’i Rikuzentakata no rava, ary lasan’ny rano ny ray aman-drenin’i Yoichi. Tsy hita popòka ny dadany fa ny fatin’ny reniny kosa hita ihany.

Niasa teny akaikin’ny morontsirak’i Ishinomaki i Toru. Namonjy ny fiarany mba handositra izy, raha vao nijanona ilay hovotrovotra voalohany. Efa tsinjony hoe hisy tsunami, ka nasainy nitsoaka ny hafa.

Hoy i Toru: “Avo toerana ny tranoko ary saika ho any aho, nefa nikatso ny fifamoivoizana. Reko tamin’ny radio teny ambony fiara hoe efa teo amin’ny tanàna teo akaiky ilay tsunami. Nosokafako ny fitaratra mba hahafahako hitsoaka raha tonga ilay izy. Vetivety teo dia nisy onja mainty be roa metatra mahery nankeny amiko. Niantonta teny amin’ny fiarako ireo fiara teo aloha ary nentin’ny rano lavitra be izahay.

“Raha vao tafavoaka avy teo amin’ilay fitaratra aho, dia nentin’ny rano feno menaka sy mamofona. Nifatratra tao amin’ny garazy iray aho. Nihazona mafy ny sisin-tohatra aho ary niakatra tany ambony rihana. Niezaka mafy aho ka nahavita nisintona olona telo. Tsy matin’ilay rano niakatra sy hatsiaka ary lanezy nandritra ny alina ny sasany taminay. Tsy afaka namonjy olon-kafa niantso vonjy anefa izahay.”

Vao afa-panadinana teny amin’ny lise i Midori, mipetraka ao Kamaishi, any Iwate, ary niara-nifalifaly tamin’ny dadabeny sy bebeny. Efa elaela ny dadabeny no nalemy. Namaky mafy an’ilay diplaoma izy sady nidera an’i Midori noho ny ezaka nataony. Namely ilay horohoron-tany, dimy andro taorian’izay.

Nampirisika ny dadabeny sy bebeny handositra i Midori sy Yuko reniny, satria nino hoe hisy tsunami. Hoy anefa ny dadabeny: “An an an, tsy handeha aho. Tsy mbola nisy tsunami tonga hatratỳ an-tanety lavitra be atỳ.” Niezaka nibata azy hiala tao an-trano izy mianaka nefa tsy vitany, ka nandeha nitady fanampiana izy ireo. Efa teo amoron-tsiraka ilay tsunami tamin’izay. Niantsoantso ireo lehilahy teo amin’ny tendrombohitra tsy lavitra teo hoe: “Mihazakazaha haingana!” Safotry ny rano tsirairay ireo trano. Nanako mafy ny kiakiakan’i Midori hoe: “Dadabe sy Bebe a!” Hita ny fatin’ny dadabeny, tatỳ aoriana, fa tsy hita popòka kosa ny bebeny.

Fanampiana

Nirahin’ny fanjakana japoney nanerana an’i Japon avy hatrany ny mpamono afo sy polisy ary mpitandro filaminana. Vetivety dia nisy mpamonjy voina 130 000 mahery. Tonga koa ny fanampiana avy any ivelany sy avy amin’ny fikambanana iraisam-pirenena. Tsy ela dia nisy mpamonjy voina sy mpitsabo maro tonga. Nitady an’ireo mbola tsy maty izy ireo, nitsabo, ary nanala an’ireo sisan-javatra.

Nanampy ny mpikambana tao aminy ny fikambanana maro, anisan’izany ny Vavolombelon’i Jehovah. Ny zoma tolakandro taorian’ilay horohoron-tany sy tsunami, dia efa nojeren’ireo Vavolombelona hoe manao ahoana ny mpiara-mivory aminy. Maro anefa ny lalana tapaka ary tapaka koa ny jiro sy ny telefaonina. Sarotra be ny nitady olona tao amin’ilay toerana midadasika nitrangan’ny loza.

Anti-panahin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Soma, any Fukushima, i Takayuki. Fianakaviana vitsivitsy ihany no azony nifandraisana ny zoma tolakandro. Hoy izy: “Tapa-kevitra aho fa hitady ny mpiara-mivory aminay hafa, ny ampitson’iny. Nandeha fiara aho raha vao nangiran-dratsy ary avy eo nandeha an-tongotra, mandra-pahalin’ny andro. Nitety toerana 20 aho, anisan’izany ireo toeram-pialofana. Rehefa hitako izy ireo, dia namakiako Baiboly ary niara-nivavaka izahay.”

Hoy i Shunji, any Ishinomaki: “Nitady ny mpiray finoana taminay izahay ary nizarazara. Gina izahay rehefa tonga teo amin’ilay faritra tra-doza. Nihantona teny amin’ny pôtô ny fiara, nifampitaingina ireo trano, ary nivangongo avo noho ny trano ny korontan-javatra. Nahita faty teo ambonin’ny tafon’ny fiara iray izahay, angamba olona matin’ny hatsiaka nandritra ny alina. Nisy fiara iray nivadika ambony ambany nihantona teo anelanelan’ny trano, ary nisy olona maty tao anatiny.”

Faly i Shunji nahita an’ireo mpiray finoana taminy tany amin’ireo trano fialofana. Hoy izy: “Tsapako hoe tena sarobidy amiko ry zareo, rehefa nihaona taminy aho.”

“Tena vetivety ianareo dia tonga!”

Mipetraka any Minamisanriku, any Miyagi, i Yui sy Mizuki. Vavolombelona izy ireo ary nifanakaiky ny tranony. Nihazakazaka nivoaka ny tranony izy mirahavavy raha vao tapitra ilay hovotrovotra voalohany, ary niara-namonjy toerana avo. Tazan’izy ireo nirodana ny tranony, tsy ampy folo minitra taorian’izay, ary lasan’ny rano ilay tanàna manontolo.

Nahita Vavolombelona hafa izy roa tao amin’ny toeram-pialofana iray, ary niara-nivavaka izy rehetra. Namakivaky tendrombohitra ny Vavolombelona avy tao amin’ny fiangonany sy ny fiangonana teo akaiky teo, ny ampitso maraina, mba hitondra sakafo sy zavatra hafa ho azy ireo. Hoy i Yui sy Mizuki: “Fantatray ihany hoe ho avy ianareo, fa tena vetivety ianareo dia tonga!”

Nitsidika an’ilay toeram-pialofana i Hideharu, anisan’ny mpiandraikitra ao amin’ny fiangonan’ny Vavolombelona ao Tome. Hoy izy: “Nitady ny namanay nipetraka teny amoron-tsiraka aho, nandritra ny alina. Henoko, avy eo, tamin’ny 4.00 maraina hoe nisy namanay tany amin’ny sekoly iray. Nisy folo teo ho eo izahay no nikarakara volavolam-bary, ary nitondra an’izany tamin’ny fiara ny telo taminay, tamin’ny 7.00 maraina. Tsy azo naleha ny ankamaroan’ny lalana. Tonga tany amin’ilay sekoly ihany anefa izahay nony farany. Nanampy anay na dia ireo namoy ny tranony aza.”

Nanome izay nilaina teo amin’ny lafiny ara-panahy

Miara-mivory tsy tapaka ny Vavolombelon’i Jehovah mba hianatra Baiboly. Zoma hariva ny fivorian’ny fiangonana sasany, toy ny tao Rikuzentakata. Vao lasan’ny tsunami anefa ny efitrano fivorian’ny Vavolombelona tao. Hoy ny Vavolombelona iray: “Andao hivory ihany e!” Tapaka àry fa hivory any amin’ny trano iray tsy dia simba izy ireo, ka nifampilaza.

Tapaka ny jiro nefa nisy milina mpamokatra herinaratra azo nampiasaina. Nisy olona 16 tonga. Hoy i Yasuyuki, tanora namoy ny tranony: “Faly loatra izahay ka latsaka ny ranomasonay. Tao no toeram-piarovana tsara indrindra.” Hoy koa i Hideko: “Mbola nihovotrovotra tsindraindray ny tany ka voahelingelina ny fivoriana. Tsy natahotra na nanahy intsony anefa aho rehefa tafaraka tamin’ny hafa.”

Tsy tapaka mihitsy ny fivoriana taorian’izay. Ilay lahateny hoe “Fianakavian’ny Mpirahalahy Maneran-tany ho Voavonjy Amin’ny Loza” no lahateny ho an’ny besinimaro ny alahady taorian’ilay loza.

Nilamina tsara ny asa fanampiana

Nanomboka nanome fanampiana ny fikambanana samihafa an’ny fanjakana. Nanao toy izany koa ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Ebina, any akaikin’i Tokyo. Nozarainy telo ilay faritra midadasika tra-doza, ny ampitson’ilay loza. Nitsidika an’ireny toerana ireny ny solontenan’ilay sampana ny alatsinainy, telo andro taorian’ilay loza.

Nitohy nandritra ny volana vitsivitsy ny fanampiana. An-taonina maro ny fanampiana nomen’ny Vavolombelona. Trano 3 fanampiana tra-boina sy trano 21 fanatobiana entana ary toerana maro hafa no nizarana ny fanampiana, tamin’ny fotoana sasany. An-jatony no nanolo-tena hizara sakafo sy akanjo ary zavatra hafa, nilanja 250 taonina mahery, nandritra ny roa volana voalohany. Vavolombelona maro no nizara izany tamin’ny mpiara-monina taminy.

Naorina indray ny efitrano fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah tao Rikuzentakata sy tao Ofunato ary nampiasaina hampaherezana ny olona. Manampy ny olona tsy hitanondrika be loatra sy hizaka ny fahoriany vokatry ny fandravan’ilay horohoron-tany sy ilay tsunami izany. Ny 12 tamin’ireo Vavolombelona 14 000 mahery teo amin’ilay faritra tra-doza no fantatra hoe maty ary 2 no mbola tsy hita.

Maro amin’ny Vavolombelon’i Jehovah tratran’iny loza mahatsiravina iny no mitovy hevitra amin’ny fianakaviana iray, izay nilaza hoe: “Kitapo iray avy no nentinay rehefa nandositra izahay, fa ny mpiray finoana aminay no nanome izay rehetra nilainay.” Faly ny mpanompon’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, satria anisan’ilay fianakaviambe maneran-tany noresahin’i Jesosy sy ny apostoliny. Tsy misy maharava ny fifankatiavan’izy ireo, na tsunami na loza hafa.—Jaona 13:34, 35; Hebreo 10:24, 25; 1 Petera 5:9.

[Efajoro/Sary, pejy 18]

NISY LOZA NIOKLEARY

Nalaza eran-tany ny fahasimban’ilay fitaovana mpamokatra hery niokleary tao Fukushima Daiichi, vokatr’ilay tsunami. Niely eran’i Japon sy ny firenen-kafa ny taratra radiôaktifa. Olona an’arivony no nafindra toerana sao ho fatin’ilay taratra.

Hoy i Megumi: “Teo akaikin’ilay foiben-kerinaratra ny tranonay. Renay fa simba ilay izy ny ampitson’ilay horohoron-tany, ka nasaina nandositra izahay.” Hoy i Natsumi rahavaviny: “Nivezivezy ny helikoptera, naneno ny fanairana, ary nisy olona tsy nitsahatra niantsoantso hoe tsy maintsy mifindra izahay.” Nifindrafindra toerana intsivy izy ireo nandritra ny herinandro vitsivitsy. Navela hiverina kely adiny roa tany an-tranony izy mirahavavy tatỳ aoriana, mba haka entana vitsivitsy.

Hoy i Chikako, izay 60 taona mahery ary mipetraka any Namie, any Fukushima: “Namonjy toeram-pialofana teo akaiky teo aho rehefa nitranga ilay horohoron-tany. Tsy natory nandritra ny alina izahay sy ny zanako mianadahy, noho ireo hovotrovotra mafy taorian’ilay horohoron-tany. Nasaina nifindra haingana tany amin’ny toeram-pialofana tany an-tanàna hafa izahay ny ampitso maraina tamin’ny 7.00.

“Tamin’ny 3.00 tolakandro izahay vao tonga tany satria nitohana ny fifamoivoizana. Tany izahay no nandre hoe nipoaka ilay foiben-kerinaratra. Tsy nitondra na inona na inona izahay satria nieritreritra fa vetivety dia ho tafaverina any an-trano.” Nifindrafindra toerana izy ireo mandra-pahitany trano, lavitra ny tranony taloha.

[Sary nahazoan-dalana]

Photo by DigitalGlobe via Getty Images

[Efajoro/Sary, pejy 20]

LESONA HO ANTSIKA

Namoy ny ankamaroan’ny fananany i Yoichi, any Rikuzentakata, ilay voaresaka tany aloha. Hoy izy: “Hitako tamin’ny zavatra niainako hoe tena tsy maharo ny fananana.” Efa ela no nahatsapa an’izany ny mpanompon’Andriamanitra, indrindra fa ireo nanaraka ny fampianaran’i Jesosy. Nohazavain’i Jesosy fa tsy misy dikany ny harena raha oharina amin’ny hoe ankasitrahan’Andriamanitra sy tahiny.—Matio 6:19, 20, 33, 34.

Ilaina koa ny manao zavatra raha vao misy fampitandremana, satria iankinan’ny aina izany. Hita tamin’izay nitranga tany Japon hoe voavonjy ireo nitady toerana avo avy hatrany.

[Sarintany/Sary, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

JAPON

TOKYO

Kamaishi

Rikuzentakata

Minamisanriku

Ishinomaki

Soma

Foiben-kerinaratra any Fukushima

Ebina

Biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah

[Sary]

Rikuzentakata, any Iwate

Soma, any Fukushima

Ishinomaki, any Miyagi

Kamaishi, any Iwate

Minamisanriku, any Miyagi

[Sary, pejy 14]

Harumi sy Tadayuki

[Sary, pejy 15]

Yoichi sy Tatsuko

[Sary, pejy 17]

Yuko sy Midori

[Sary, pejy 17]

Toru

[Sary, pejy 17]

Ilay fiara nentin’i Toru

[Sary, pejy 17]

Takayuki

[Sary, pejy 18]

Shunji

[Sary, pejy 19]

Mizuki sy Yui

[Sary, pejy 19]

Hideharu

[Sary, pejy 19]

Fanampiana tra-boina

[Sary, pejy 20]

Efitrano Fanjakana any Rikuzentakata, taorian’ilay tsunami

[Sary, pejy 20]

Asa fanorenana, telo volana tatỳ aoriana

[Sary, pejy 20]

Efitrano Fanjakana voaorina

[Sary nahazoan-dalana, pejy 14]

JIJI PRESS/AFP/Getty Images