Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nafenina Tamin’ny Sarambabem-bahoaka

Nafenina Tamin’ny Sarambabem-bahoaka

Nafenina Tamin’ny Sarambabem-bahoaka

NEZAHINA nadika tamin’ny fiteny fampiasan’ny olona ny Baiboly, rehefa nandeha ny fotoana. Vitsy no afaka namaky azy io tamin’ny teny hebreo sy grika, izay fiteny nanoratana azy. Ho sarotra amin’ny ankamaroantsika angamba ny hahazo izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra, raha tsy nisy afa-tsy tamin’ireo fiteny ireo ny Baiboly.

Nanomboka nadika tamin’ny teny grika ny Soratra Hebreo, 300 taona teo ho eo talohan’ny nahaterahan’i Jesosy. Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo no anaran’io fandikan-teny io. Namoaka an’ilay fandikan-teny malaza antsoina hoe Vulgate koa i Jérôme, 700 taona teo ho eo taorian’izay. Ny Soratra Hebreo sy Grika nadika amin’ny teny latinina izy io. Ny teny latinina no fitenin’ny olona tany amin’ny Fanjakana Romanina, tamin’izany.

Tsy be mpampiasa intsony ny teny latinina, tatỳ aoriana. Izay avara-pianarana ihany sisa no nianatra azy io. Niezaka nanakana ny olona tsy handika Baiboly ho amin’ny fiteny hafa ny Eglizy Katolika. Nilaza ny mpitondra fivavahana fa tokony ho amin’ny teny hebreo sy grika ary latinina ihany ny Baiboly. *

Nadika ny Baiboly ary nizara ny Eglizy

Nisolo tena ny Eglizy Tatsinanana any Byzance i Méthode sy Cyrille, misionera avy any Tesalonika, tamin’ny taonjato fahasivy, ka nampirisika ny hampiasana ny teny slavy any am-piangonana. Tsy nahay teny grika sy latinina ny Slavy tany Eoropa Atsinanana, ka tian’izy ireo hampiana hianatra momba an’Andriamanitra tamin’ny fiteniny.

Nanohitra mafy azy ireo anefa ny pretra alemà. Tsy tian’ireo pretra ireo hanan-kery ny Fivavahana Kristianina avy any Byzance ka nilaza izy ireo fa ny teny latinina ihany no tokony hampiasaina. Hita hoe ny politika no zava-dehibe kokoa tamin’izy ireo fa tsy ny hanampy ny olona hahalala an’Andriamanitra. Nihamafy ny disadisa teo amin’ireo Fivavahana Milaza Azy ho Kristianina tany Andrefana sy tany Atsinanana ka nisaraka tanteraka ny Fivavahana Katolika sy ny Fivavahana Ortodoksa Tatsinanana, tamin’ny 1054.

Nosakanana ny fandikana Baiboly

Lasa noheverin’ny Katolika ho masina ny teny latinina. Izao àry no nosoratan’ny Papa Grégoire Faha-7, rehefa nangataka alalana hampiasa ny teny slavy amin’ny fotoam-pivavahana i Vratislaus, andrianan’i Bohême, tamin’ny 1079: “Tsy azonay ekena mihitsy izany fangatahana izany.” Fa nahoana?

Hoy i Grégoire: “Takatr’ireo mandinika tsara fa tian’Andriamanitra tsy hazava amin’ny olona any amin’ny tany sasany ny Soratra Masina, satria raha mazava amin’ny olon-drehetra izany dia mety hambanin’ny olona sy tsy hohajainy, na mety tsy ho azon’ireo tsy dia mahay ka diso ny handraisany azy.”

Zara raha navela hamaky Baiboly ny sarambabem-bahoaka mba hahafahan’ny mpitondra fivavahana hifehy azy ireo. Tsy tian’ny mpitondra fivavahana hidikiditra amin’ny resaka heveriny fa azy manokana ny sarambabem-bahoaka.

Nisy nandika Baiboly ho amin’ny teny frantsay ary sahy nifampiresaka momba izany. Niresaka momba azy ireo ny Papa Innocent III tamin’ny 1199 ary niantso azy ireo hoe “mpivadi-pinoana”, sady nilaza fa izy ireo no tian’i Jesosy holazaina amin’ilay hoe: “Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoa ny perla any aminareo.” (Matio 7:6) Inona no tiany holazaina? Hoy izy: “Mihaja loatra ny Soratra Masina ka tsy misy olon-tsotra sy tsy nahita fianarana tokony ho sahy handalina azy na hitory azy amin’ny hafa.” Matetika no nalefa tany amin’ny mpanao famotorana izay nanda ny didin’ny papa ka nampijalina, mandra-panaikiny hoe diso izy. Nodorana velona izay tsy nanaiky.

Matetika no nampiasaina io taratasin’ny Papa Innocent io mba handrarana ny olona tsy hampiasa Baiboly sy tsy handika azy io amin’ny fiteny hafa. Nanomboka ny fandoroana ny Baiboly amin’ny fiteny fampiasan’ny olona sy ny fandoroana ny olona sasany nanana Baiboly. Nanao an’izay azony natao ireo eveka sy mpitondra tao amin’ny Katolika tany Eoropa, nandritra ny taonjato maro, mba hanarahana an-tsakany sy an-davany an’ilay fandrarana napetraky ny Papa Innocent III.

Azo antoka fa fantatr’ireo lohandohany tao amin’ny Katolika hoe maro amin’ny fampianarany no tsy avy ao amin’ny Baiboly, fa avy tamin’ny lovantsofin’ny eglizy. Azo inoana fa izany no tsy nampahazoto azy ireo hamela ny mpiangona ao aminy hanana Baiboly. Ho hitan’ny olona mantsy fa tsy mifanaraka amin’ny Baiboly ny zavatra ampianariny, rehefa mamaky Baiboly ny olona.

Vokatry ny Fanavaozana Protestanta

Nanova tanteraka ny fivavahana tany Eoropa ny fisian’ny Fivavahana Protestanta. Nahatakatra an’izay voalazan’ny Soratra Masina i Martin Luther ka niezaka nanova ny Eglizy Katolika sy niala tanteraka tao, tamin’ny 1521. Mpandika teny nahay izy ka rehefa tafasaraka tanteraka tamin’ny Katolika, dia niezaka nanao an’izay hananan’ny besinimaro Baiboly.

Nadikan’i Luther tamin’ny teny alemà ny Baiboly ary niely be ilay izy. Voamariky ny Eglizy Katolika izany ka hitan’izy ireo fa tokony hamoaka fandikan-teny hafa izy ireo, amin’izay mihen-danja ny Baibolin’i Luther. Tsy ela dia nisy fandikan-teny roa toy izany, tamin’ny teny alemà. Voalazan’ny Konsilin’i Trente anefa tamin’ny 1546, izany hoe efa ho 25 taona tatỳ aoriana, fa izay boky ara-pivavahana rehetra atao pirinty, anisan’izany ny Baiboly, dia tokony ho eo ambany fanaraha-mason’ny Eglizy.

Izao no tapaka tamin’ny Konsilin’i Trente: ‘Manomboka izao ny Soratra Masina dia tsy maintsy hatao pirinty amin’ny fomba tsara araka izay azo atao. Tsy manara-dalàna izay manao pirinty na mampanao pirinty boky masina nefa tsy mametraka ny anaran’ny mpanoratra ao. Tsy azo atao koa ny mivarotra izany, ary na dia ny manana izany aza, raha tsy efa nodinihin’ny [eveka eo an-toerana] sy nekeny.’

Ny Papa Paoly Faha-4 no voalohany namoaka ny lisitry ny boky voararan’ny Eglizy Katolika, tamin’ny 1559. Voarara ny manana Baiboly amin’ny teny alemà, anglisy, espaniola, frantsay, holandey, italianina, sy Baiboly sasany amin’ny teny latinina. Nasaina nangataka fanomezan-dalana an-tsoratra avy tamin’ny eveka na ny mpanao famotorana izay rehetra te hamaky Baiboly. Tsy nazoto nanao an’izany anefa izay tsy te hahiahina ho mpivadi-pinoana.

Niharan’ny fahatezeran’ny Eglizy Katolika izay sahy nitahiry na nizara Baiboly tamin’ny fiteny mahazatra ny olona. Maro no nosamborina, nodorana teo amin’ny tsato-kazo, natono, nogadraina mandra-pahafatiny, na natao andevo mpivoy sambo. Nodorana izay Baiboly tratra. Mbola naka an-keriny sy nandoro Baiboly ny pretra katolika hatramin’ny taonjato faha-20.

Tsy hoe ny Fivavahana Protestanta anefa no tena tia sy niaro ny Baiboly. Lasa tia nitsikera Baiboly ny teolojianina protestanta sasany tamin’ny taonjato faha-18 sy 19. Maro no nanaiky an’ilay fampianaran’i Darwin hoe tsy nisy namorona ny zavaboary fa tongatonga ho azy ary nivoatra tsikelikely.

Nampianarin’ireo teolojianina sy mpitondra fivavahana maro fa tsy tena nisy ny ankamaroan’izay tantarain’ny Baiboly. Tsy mahagaga àry ny mandre mpitondra fivavahana protestanta sy mpivavaka milaza fa tsy marina ny tantara ao amin’ny Baiboly.

Voamarikao angamba hoe nokianina ny Baiboly ka nolazaina fa tsy marina, ary mety hahagaga anao ny ezaka natao mba hamongorana azy io. Tsy nahomby anefa ireny fa mbola eo foana ny Baiboly.

Nahoana no mbola misy Baiboly hatramin’izao?

Marina fa nisy olona maro tia Baiboly sy vonona hamoy ny ainy hiarovana azy io. Tsy izany anefa no nahatonga ny Baiboly mbola hisy hatramin’izao. Fa inona kosa? Nahazo ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ireo nanoratra ny boky ao amin’ny Baiboly.—Isaia 40:8; 1 Petera 1:25.

Hihatsara ny fiainantsika sy ny fahasalamantsika ary ny tokantranontsika raha mamaky sy manaraka an’izay lazain’ny Baiboly isika. Tian’Andriamanitra hisy hatramin’izao ny Baiboly ary tiany hadika amin’ny fiteny faran’izay betsaka. Amin’izay ny olona rehetra afaka mianatra ny ho tia sy hanompo azy ary hankafy ny fitahiany mandrakizay. Tsy izany ve no irintsika rehetra?

Hoy i Jesosy rehefa nivavaka tamin’ny Rainy tany an-danitra: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17) Ampiasain’Andriamanitra hamaliana an’ireo fanontaniana apetraky ny olona tso-po ny Baiboly, na ny Soratra Masina novakin’i Jesosy sy nampianariny.

Ampirisihinay ianao hianatra bebe kokoa ny Baiboly, izay mirakitra ny hafatr’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Ho faly hanampy anao ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mizara an’ity gazety ity. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Toa avy amin’ny asa soratr’ilay eveka espaniola atao hoe Isidore de Séville (560-636) no nahatonga an’io hevitra io. Hoy izy: “Telo ny fiteny masina, dia ny hebreo sy grika ary latinina, ka ireo no fiteny ambony indrindra eran-tany. Tamin’ireo fiteny telo ireo mantsy no nanoratan’i Pilato ny fanamelohana ny Tompo teo amin’ny lakroa.” Mazava ho azy fa ny Romanina mpanompo sampy, fa tsy Andriamanitra, no nanapa-kevitra hoe hatao amin’ireo fiteny telo ireo ilay fanamelohana.

^ feh. 28 Azonao ampiasaina ny iray amin’ireo adiresy eo amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity na ao amin’ny www.watchtower.org, raha te hanoratra amin’izy ireo ianao.

[Teny notsongaina, pejy 6]

Zara raha navela hamaky Baiboly ny sarambabem-bahoaka, mba hahafahan’ny mpitondra fivavahana hifehy azy ireo

[Teny notsongaina, pejy 8]

Nodorana teo amin’ny tsato-kazo na nogadraina mandra-pahafatiny izay sahy nitahiry na nizara Baiboly, rehefa tratra

[Efajoro, pejy 9]

NY FANAZAVAN’NY BAIBOLY

Tian’ny Mpamorona hahafantatra ny valin’ireto fanontaniana lehibe ireto isika:

● Inona no antony namoronana antsika?

● Nahoana no misy fahoriana be dia be?

● Aiza no misy ny maty?

● Hanao ahoana ny fiainan’ny olombelona?

Mamaly an’ireo ny Baiboly sady manome torohevitra hahasambatra antsika.

[Tabilao/Sary, pejy 6, 7]

TAONA MIAVAKA

636 t.

Nilaza i Isidore de Séville fa fiteny “masina” ny hebreo sy grika ary latinina, ka tokony ho amin’ireo fiteny ireo ihany ny Baiboly Masina

1079

Nanda an-kitsirano ny fangatahan’i Vratislaus hampiasa ny teny slavy tao am-piangonana ny Papa Grégoire Faha-7, ka nilaza fa tsy tokony hahazo ny hevitry ny Soratra Masina ireo “tsy dia mahay”

1199

Nolazain’ny Papa Innocent III fa mpivadi-pinoana izay sahy nandika Baiboly sy nandinika azy io. Matetika no nampijalina sy novonoina ireo nanohitra ny didin’ny papa

1546

Tapaka tamin’ny Konsilin’i Trente hoe mila ny faneken’ny Eglizy Katolika ny fanaovana pirinty Baiboly

1559

Tsy navelan’ny Papa Paoly Faha-4 hanana Baiboly amin’ny fiteniny ny sarambabem-bahoaka. Nalainy an-keriny sy nodorany ireny Baiboly ireny, ary matetika no niara-nodorana taminy ny tompony

[Sary nahazoan-dalana]

Papa Grégoire Faha-7: © Scala/White Images/Art Resource, NY; Papa Innocent III: © Scala/Art Resource, NY; Konsilin’i Trente: © Scala/White Images/Art Resource, NY; Papa Paoly Faha-4: © The Print Collector, Great Britain/HIP/Art Resource, NY

[Sary nahazoan-dalana, pejy 8]

From Foxe’s Book of Martyrs