Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tia Nanontany Izy

Tia Nanontany Izy

Tia Nanontany Izy

● Inona no tianao hahatsiarovana anao? Inona no tadidin’ny olona rehefa mieritreritra anao izy? Maro no manao zavatra be eo amin’ny resaka siansa, politika, fanatanjahan-tena, ary zava-kanto satria mieritreritra an’izay hotsarovana momba azy. Ary ahoana raha ny fanontaniana napetrakao no ahatsiarovana anao?

Nametraka fanontaniana maro mampisaintsaina ny lehilahy iray teraka tany Amerika Afovoany, 500 taona lasa izay. Nicarao no anarany ary olona ambony izy. Azo antoka fa avy amin’io anarany io ilay hoe “Nikaragoà.” Ny anarany no lasa niantsoana ny foko nisy azy sy ny taniny ary ilay farihy lehibe any amin-dry zareo.

Teo amin’ilay tany lavalava eo anelanelan’ny Oseana Pasifika sy ny Farihin’i Nikaragoà ny fokon’i Nicarao. Tonga tany ny Espaniola, taoriana kelin’ny nahitan’i Christophe Colomb an’i Amerika. Avy tao Costa Rica ankehitriny ny Kapiteny Gil González Dávila sy ny olony no nianavaratra nankany amin-dry Nicarao, tamin’ny 1523.

Eritrereto ny tebitebin’ireo mpikaroka tany vaovao rehefa namakivaky tany tsy fantany. Faly erỳ izy ireo nihaona tamin’i Nicarao. Nalala-tanana koa ny olona ary nandray tsara an’ireo Espaniola ka nanome azy volamena be dia be sy zavatra hafa. Mbola mampiavaka ny mponin’i Nikaragoà ny fahalalahan-tanana hatramin’izao.

Nanontany zavatra maro efa noeritreretiny hatry ny ela i Nicarao. Vokatry ny fahatongavan’ny Espaniola kosa ny fanontaniany sasany. Misy mitantara hoe izao ny fanontaniany:

Efa nandre momba ny safodrano lehibe nahafaty ny olona sy ny biby rehetra ve ianareo? Mbola hataon’Andriamanitra safotry ny rano indray ve ny tany? Inona no mitranga amin’ny maty? Ahoana no hihetsehan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana? Inona no mampihantona azy ireny eny an-danitra? Lavitra be ve izy ireny? Rahoviana no tsy hamiratra intsony izy ireny? Avy aiza ny rivotra? Inona no mahatonga ny hafanana sy ny hatsiaka, ary ny hazavana sy ny haizina? Nahoana no miovaova ny halavan’ny andro mandritra ny taona?

Tena te hahalala ny tontolo manodidina azy i Nicarao. Mampiharihary ny zavatra ninoany ny fanontaniany. Hita fa mitovy amin’ny an’ny olona maro ankehitriny ny zavatra nahaliana sy nampanahy azy. Mampahatsiahy antsika tantara ao amin’ny Baiboly koa ilay hoe nahafantatra momba ny safodrano lehibe iray i Nicarao sy ny vahoakany.—Genesisy 7:17-19.

Zatra nifandray tamin’ny herin’ny maizina ny vahoakan’i Nicarao sady nanao sorona olombelona, nefa nahalasa saina azy ny toetran’izy ireo sy ny fomba fiainany. Hita avy amin’ny fanontaniana napetrany fa manana feon’ny fieritreretana ny olona. Hoy ny apostoly Paoly momba izany: “Ny feon’ny fieritreretany koa no vavolombelona miaraka aminy, ka ny eritreriny ihany no miampanga azy na manala tsiny azy mihitsy aza.”—Romanina 2:14, 15.

Misy tsangambato fahatsiarovana an’i Nicarao izao eo akaikin’ilay toerana noheverina fa nihaonany voalohany tamin’ireo Espaniola. Tia nanontany izy ka nieritreritra lalina momba ny fiainana sy ny tontolo manodidina azy. Ohatra tsara ho antsika izany!—Romanina 1:20.

[Sarintany, pejy 21]

(Jereo ny gazety)

Nikaragoà

AMERIKA ATSIMO

OSEANA ATLANTIKA