Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Hita tamin’ny fitiliana fa mitovy amin’ny habetsahan’ny mikraoba amin’ny sezan-kabinem-bahoaka ny habetsahan’ny mikraoba amin’ny fitendrin’ny fitaovana mpamoaka vola, any amin’ireo tanàn-dehibe manerana an’i Angletera.—THE TELEGRAPH, GRANDE-BRETAGNE.

“Mahagaga ny mpahay siansa indraindray ny horohoron-tany [toy ireo tany Nouvelle-Zélande tamin’ity taona ity sy tany Haïti tamin’ny herintaona] satria tsy hita mihitsy hoe misy tresaka any amin’ny toerana itrangany. ... Mampanahy àry hoe firifiry izao ny horohoron-tany lehibe mananontanona any amin’ny toerana heverina ho misy tresaka kely na heverina ho tsy misy mihitsy.”—THE NEW YORK TIMES, ETAZONIA.

‘Manankarena kokoa noho ny tany 57 mahantra indrindra eran-tany ny olona efatra manankarena indrindra eto an-tany.’—FOREIGN POLICY, Janoary/Febroary 2011, ETAZONIA.

Ny 90 isan-jaton’ireo tompona orinasa any Polonina no nilaza fa efa nangalaran’ny mpiasany na nofitahin’izy ireo, tato anatin’ny roa taona.—GAZETA PRACA, POLONINA.

Asain’ny eglizy katolika iray any Brezila mandoa lamandy 300 dolara ny mpanambady raha tara vao tonga ao am-piangonana. Mila manome seky mialoha izy ireo ary averina aminy izany raha tonga ara-potoana izy ireo.—G1, BREZILA.

Tsy Mpanome Taova Intsony ny Papa

Milaza ny gazety italianina La Repubblica fa mpanome taova i Joseph Ratzinger tamin’izy mbola kardinalin’ny Eglizy Katolika. Tsy mpanome taova intsony anefa izy rehefa voafidy ho Papa Benoît Faha-16. Nahoana? Hoy ny Arseveka Zygmunt Zimowski, anisan’ny lohandohany ao Vatikana: “An’ny Eglizy manontolo ny vatan’ny Papa. ... Tsy tokony hisy banga àry ny vatan’ny papa rehefa maty izy, satria mety mbola hankamasinina izany amin’ny hoavy.”

Vola sa Aina?

Hisy hahafoy herintaona amin’ny fiainany ve raha omena iray tapitrisa euros? Maherin’ny ampahefatry ny lehilahy alemà sy maherin’ny ampahenin’ny vehivavy alemà no vonona hanao izany, araka ny fanadihadiana iray natao ho an’ny Reader’s Digest Deutschland. Ny tanora no mora manaiky an’ilay izy, izany hoe ny 29 isan-jaton’ireo eo anelanelan’ny 14 sy 29 taona ary ny 25 isan-jaton’ireo eo anelanelan’ny 30 sy 39 taona. Mankamamy ny ainy kosa ireo efa lehibebe. Tsy misy mieritreritra ny hampihena herintaona ny fiainany, afa-tsy ny 13 isan-jaton’ireo eo anelanelan’ny 50 sy 59 taona sy ny 11 isan-jaton’ireo 60 taona mahery.