Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka Minamana Amin’Andriamanitra Foana na dia Efa Antitra Aza

Afaka Minamana Amin’Andriamanitra Foana na dia Efa Antitra Aza

Afaka Minamana Amin’Andriamanitra Foana na dia Efa Antitra Aza

Notantarain’i Olavi J. Mattila

“Efa noeritreretinao ve hoe afaka mahalala ny tena marina momba ny Mpamorona ianao?” Vavolombelon’i Jehovah no nanontany ahy an’izany ary nahalasa saina ahy ilay izy. Efa 80 taona mahery aho tamin’izay ary nifanerasera tamin’ny olona ambony maro, hatramin’ny mpitondra fanjakana. Afaka ny hahafantatra an’Andriamanitra sy ho lasa namany tokoa ve aho?

TERAKA tamin’ny Oktobra 1918 aho, tany Hyvinkää, Failandy. Mbola kely aho dia efa nanao raharaha tao amin’ny toeram-piompiana. Niompy omby, soavaly, akoho ary gisa izahay. Niasa mafy aho ary afa-po tamin’izay nataoko.

Nampirisika ahy hanohy fianarana ny ray aman-dreniko rehefa lehibe aho. Niala tao an-trano àry aho ary nankeny amin’ny oniversite. Nanao fanatanjahan-tena koa aho ka nifankahalala tamin’i Urho Kekkonen, lehiben’ny Fikambanan’ny Mpanao Fanatanjahan-tena eto Failandy. Tsy nampoiziko mihitsy tamin’izany hoe i Ramose Kekkonen ange ka ho lasa praiminisitra sy filoham-pirenen’i Failandy, mandritra ny 30 taona eo ho eo. Tsy nampoiziko koa hoe hanova be ny fiainako izy.

Lasa nalaza sy nahazo fahefana

Niady i Failandy sy ny Firaisana Sovietika, tamin’ny 1939. Nantsoina ho ao amin’ny tafika àry aho, ny volana Novambra. Nasaina nampiofana rezervista aloha aho, ary avy eo lasa mpitarika andiana miaramila. Tao Carélie, eo anelanelan’i Failandy sy ny Firaisana Sovietika, ilay ady. Naratra mafy aho, teo antenatenan’ny 1941, rehefa niady tany akaikin’ny tanànan’i Vyborg, ka nentina tany amin’ny hopitaly miaramila. Tsy afaka niady intsony aho taorian’izay.

Niala tao amin’ny tafika aho, tamin’ny Septambra 1944, ary niverina tany amin’ny oniversite sady nanao fanatanjahan-tena indray. Intelo aho no tompon-dakan’i Failandy teo amin’ny hazakazaka. Nahazo diplaoma teo amin’ny fahaizana teknika sy fitantanam-bola koa aho.

Nahazo toerana ambony teo amin’ny politika koa i Urho Kekkonen tamin’izay. Nirahiny ho solontenam-panjakana tany Chine aho, tamin’ny 1952, tamin’izy praiminisitra. Nihaona tamin’ny olona ambony maro aho tany, anisan’izany i Mao Tsé-toung, mpitondra an’i Chine tamin’izany. Ny tena tiako tany anefa dia ny nihaonako tamin’i Annikki, tovovavy mahafinaritra, mpiasan’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Failandey. Nivady izahay tamin’ny Novambra 1956.

Nafindra tany amin’ny ambasadin’i Failandy any Arzantina aho, tamin’ny 1957. Tany no teraka ny zanakay roa lahy. Niverina tany Failandy izahay tamin’ny Janoary 1960, ary tsy ela dia niteraka vavikely.

Nahazo toerana ambony

Tsy niditra tamin’ny antoko politika mihitsy aho. Notendren’ny Filoha Kekkonen ho minisitry ny varotra anefa aho tamin’ny Novambra 1963. Niasa tao amin’ny kabinetra enina aho nandritra ny 12 taona, ka indroa no minisitry ny raharaham-bahiny. Nino mafy aho tamin’izany hoe ny fahaizan’ny olombelona no hamaha ny olana eran-tany. Hitako anefa hoe liam-pahefana ny olona. Izaho izao mihitsy no nahita ny voka-dratsin’ny tsy fifampitokisana sy ny fitsiriritana.—Mpitoriteny 8:9.

Hitako koa hoe maro no te hanatsara zavatra. Tsy mahatratra ny zava-kendreny anefa na ny mpitondra tsara fikasa indrindra aza.

Nanatrika ny Kaonferansa Momba ny Filaminana sy ny Fiaraha-miasa eto Eoropa, natao tany Helsinki, ny mpitondra fanjakana 35, teo antenatenan’ny 1975. Minisitry ny raharaham-bahiny aho tamin’izay, sady mpanolo-tsain’ny Filoha Kekkonen. Izaho no nasaina nikarakara an’ilay kaonferansa ary nihaona tamin’ireo olona ambony rehetra nanatrika an’ilay izy aho.

Tena nila nampiasa ny fahaizako miresaka aho tamin’ireo andro vitsivitsy ireo. Sarotra na dia ny hampanaiky an’ireo mpanatrika aza hoe aiza ny seza ipetrahany. Hitako ihany anefa hoe mba nampisy fiovana teo amin’ny resaka zon’olombelona iny kaonferansa iny sy ireo fivoriana nanaraka, sady nahatonga an’ireo firenena lehibe hifandefitra kokoa.

Nila nahalala ny Baiboly aho

Nisotro ronono aho tamin’ny 1983 ary nifindra tatỳ amin’ny zanako vavy, atỳ Frantsa. Nampalahelo fa hita tamin’ny Novambra 1994 hoe voan’ny kanseran’ny nono i Annikki. Voarohirohy tamin-javatra tsy ara-dalàna koa aho tamin’io taona io. Niezaka mafy aho hatramin’izay mba ho tsara laza. Indray mandeha fotsiny anefa aho no tsy nisaina tsara, dia efa simba tanteraka ny lazako.

Nahita Vavolombelon’i Jehovah foana aho hatramin’izay. Tiako ny tsidihin’izy ireo ary nandray ny gazetiny aho, nefa tsy nanam-potoana handinihana ny Baiboly mihitsy. Mbola niady tamin’ny kansera anefa i Annikki, tamin’ny 2000, ary nikarakara azy aho. Nisy Vavolombelon’i Jehovah nitsidika ahy tamin’ny Septambra 2002. Napetrany tamiko ilay fanontaniana terỳ am-piandohana. Nieritreritra aho hoe: ‘Tena azo ianarana ve ny momba an’Andriamanitra? Azo atao ve ny ho lasa namany?’ Efa fenofeno vovoka ihany ny Baiboliko tamin’izay nefa nikarokaroka tao aho, ka nanomboka nandinika tsy tapaka ny Baiboly, niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Nodimandry ilay vady tsy foiko tamin’ny Jona 2004 ary tavela irery aho. Mazava ho azy fa nampahery ahy ny zanako. Lasa saina anefa aho hoe manao ahoana isika rehefa maty. Nanontany pretra loteranina roa aho nefa izao fotsiny no navaliny: “Sarotra be izany.” Tsy afa-po mihitsy aho. Vao mainka aho nahatsapa hoe mila mahalala ny Baiboly.

Nanohy nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho ka nihanahalala ny marina, izay efa notadiaviko hatry ny ela. Hazavain’ny Baiboly, ohatra, fa tsy mahatsapa na inona na inona ny maty fa toy ny matory, ary mety mbola ho velona eto an-tany indray. (Jaona 11:25) Nahavelom-panantenana ahy izany sady tena nampionona ahy.

Tsy ela dia namaky ny Baiboly manontolo aho. Anisan’ny nahaliana ahy izay voalazan’ny Mika 6:8 hoe: “Inona moa no takin’i Jehovah aminao, afa-tsy ny hanao ny rariny sy ny ho tia hatsaram-panahy ary ny hanetry tena rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitrao?” Tsotra izany teny izany nefa feno fahendrena. Hitako hoe be fitiavana sy manao ny rariny i Jehovah Andriamanitra.

Ny fanantenako

Lasa nino sy natoky an’ilay Andriamanitra Mpamorona aho rehefa nianatra momba azy ary lasa namany. Nahagaga ahy ilay teniny ao amin’ny Isaia 55:11 hoe: “Dia ho toy izany ny teny aloaky ny vavako. Tsy hiverim-potsiny atỳ amiko ny teniko, fa hanatanteraka izay sitrako ary hahomby amin’izay andefasako azy.” Nanatanteraka ny fampanantenany foana tokoa izy ary mbola hanao izany amin’ny hoavy. Izy no hanao ny zavatra tsy vitan’ireo mpitondra sy ireo kaonferansa isan-karazany. Hoy, ohatra, ny Salamo 46:9: “Mampitsahatra ady hatrany amin’ny faran’ny tany izy.”

Tena mandray soa amin’ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah aho. Tany aho no nahita mivantana an’izany hoe Kristianina tena mifankatia izany, ary izany rahateo no ahafantarana ny tena mpanara-dia an’i Jesosy. (Jaona 13:35) Mifankatia izy ireo na dia tsy iray firenena aza. Tsy fahita mihitsy izany eo amin’ny politika sy ny varotra.

Ilay tombontsoa lehibe indrindra

Efa 90 taona mahery aho izao ary raisiko ho tombontsoa faran’izay lehibe ny hoe Vavolombelon’i Jehovah. Afa-po aho satria mahalala ny marina. Lasa fantatro hoe misy dikany ny fiainana sy hoe inona no marina momba an’Andriamanitra.

Faly koa aho satria mbola afaka mandray anjara amin’ny asa kristianina na dia efa mandroso taona aza. Nihaona tamin’ny olona ambony maro aho ary nitana andraikitra lehibe foana. Tsy misy dikany anefa izany raha ampitahaina amin’ny tombontsoa ananako satria mahalala an’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona aho ary lasa namany. Velom-pankasitrahana azy aho ary te hidera azy satria avelany ‘hiara-miasa’ aminy. (1 Korintianina 3:9) Azo atao foana ny minamana amin’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona na dia efa antitra aza!

[Sary, pejy 25]

Niaraka tamin’i Ford, filoha amerikanina, sy ny Filoha Kekkonen, tamin’ilay kaonferansa tany Helsinki tamin’ny 1975

[Sary, pejy 25]

Niaraka tamin’i Brejnev, filoha sovietika, sy ny Filoha Kekkonen

[Sary, pejy 26]

Mazoto manao asa kristianina aho

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Ambany havia: Ensio Ilmonen/Lehtikuva; ambany havanana: Esa Pyysalo/Lehtikuva