Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Nahoana no Nialako Ilay Asa Be Karama? (Jona 2010) Tena misaotra anareo aho noho iny lahatsoratra iny. Izaho irery no mitaiza ny zanako telo ary 39 taona aho. Sarotra ny mahita asa atỳ amin’ny faritra misy anay. Nanampy ahy anefa izay nataon’i Martha Márquez. Milaza ilay lahatsoratra fa nanao koban-katsaka misy hena izy ary namidiny teny an-dalana izany, mba hahafahany hitory manontolo andro. Tapa-kevitra ny hanao hoatr’azy aho ka manao mofo rosianina antsoina hoe piroshki. Mety tsara ilay izy ary izany izao no ivelomanay mianakavy. Lasa mahay manao zavatra sy mihamahay mandray andraikitra ny zanako, noho izany.

G. M., Rosia

Miakanakam-piteny ve Ianao? (Mey 2010) Isaorako ianareo namoaka fanazavana marina momba ny olona miakanakam-piteny. Miezaka mafy mantsy izahay mba hahafantaran’ireo miakanakam-piteny hoe maro ny zavatra mety hanampy azy.

J. F., filohan’ny Fikambanana Manampy ny Olona Miakanakam-piteny, Etazonia

Manontany ny Tanora Hoe... Ahoana no Hanazavako Izay Lazain’ny Baiboly Momba ny Firaisan’ny Samy Vehivavy? (Desambra 2010) Efa folo taona izay no nanambadiako ary manan-janaka iray aho. Miady amin’ny ‘tsilo ao amin’ny nofoko’ aho, isan’andro. Lehilahy aho ary tia lehilahy. Tsy niova izany na dia nanambady aza aho. Kivy be aho satria toa tsy ho resiko mihitsy ilay fanirian-dratsy. Tsy kivy be intsony anefa aho rehefa avy namaky an’io lahatsoratra io, satria tratrako ny tanjoko: Vitako ny nifehy ny faniriako.—2 Korintianina 12:7.

Tsy mitonona anarana, Etazonia

Lehilahy aho ary efa hatramin’izaho dimy taona no tia lehilahy. Efa 61 taona aho izao ary mbola tia lehilahy ihany. Tena tiako ilay hevitra hoe na ny lehilahy tia vehivavy sy ny vehivavy tia lehilahy aza dia tsy maintsy mandositra ny fijangajangana, sy ilay hoe afaka ny ho sambatra ireo “mpitovo mety tsy ho afaka hanambady sy ny vadin’ireo marary tsy afaka manao firaisana”, na dia tsy manome fahafaham-po ny faniriany aza. Afaka ny hadio fitondran-tena koa àry ny lehilahy tia lehilahy raha tena te hampifaly an’Andriamanitra. Misaotra anareo aho manampy ny olona hoatr’anay.

Tsy mitonona anarana, Etazonia