Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Azo Ekena Ihany ve ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?

Azo Ekena Ihany ve ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy?

LASA ekena any amin’ny tany maro ny firaisan’ny samy lehilahy. * Ampirisihin’ny antokon’olona ao amin’ny fiangonana iray any Etazonia ny olona mba hanana “fomba fisaina maoderina” ka handinika indray an’izay lazain’ny Baiboly momba ny firaisan’ny samy lehilahy. Vao haingana koa ny pasitera iray any Brezila no nanambady lehilahy. Mba hanekena ny fomba fiheviny sy ny an’ny mpiara-miangona aminy, dia nampirisihiny “hanana fomba fijery vaovao” ny olona “rehefa mandinika ny Baiboly.”

Lazaina fa manavakavaka na mankahala lehilahy miray amin’ny lehilahy ireo tsy mankasitraka ny firaisan’ny samy lehilahy. Inona marina no lazain’ny Baiboly momba izany?

Inona no lazain’ny Baiboly?

Tsy mampirisika antsika hankahala olona ny Baiboly. Mazava anefa ny fiheverany ny firaisan’ny samy lehilahy.

“Aza manao firaisana amin’ny lehilahy toy ny fanaovana firaisana amin’ny vehivavy, fa zava-maharikoriko izany.”Levitikosy 18:22.

Anisan’ny Lalàn’i Mosesy io ary iray amin’ireo fitsipika maro momba ny fitondran-tena nomena ny firenen’Israely. Na izany aza, dia asehon’izy io amintsika ny fahitan’Andriamanitra ny firaisan’ny samy lehilahy, na Jiosy na tsy Jiosy no manao izany. Hoy izy: “Zava-maharikoriko izany.” Fahita teo amin’ny firenena nanodidina an’i Israely ny firaisan’ny samy lehilahy, ny firaisana amin’olom-pady, ny fanitsakitsaham-bady, ary ny fanao hafa raran’ny Lalàna. Maloto àry no fahitan’Andriamanitra an’ireny firenena ireny. (Levitikosy 18:24, 25) Niova ve izany tatỳ aoriana? Diniho ity taratasy nosoratana ho an’ny Kristianina ity:

‘Andriamanitra namela azy hanaraka ny filan’ny nofo mahafa-baraka, fa nanova ny fanao voajanahary ho amin’ny fanao tsy voajanahary ny vehivavy teo aminy. Torak’izany koa fa na ny lehilahy aza namela ny fanao voajanahary amin’ny vehivavy, ary nanjary narehitry ny filana mafy dia mafy hanao zava-betaveta teo amin’izy samy lehilahy.’Romanina 1:26, 27.

Nahoana ny Baiboly no milaza fa fanao tsy voajanahary sy zava-betaveta ny firaisan’ny samy lehilahy? Satria tsy araka ny nikasan’ny Mpamorona azy izany. Tsy ahazoana taranaka ny firaisan’ny samy lehilahy. Niray tamin’ireo vehivavy niaina talohan’ny Safodrano tamin’ny andron’i Noa ireo anjely mpikomy, izay lasa nantsoina hoe demonia. Ampitovin’ny Baiboly amin’izay nataon’izy ireo ny firaisan’ny samy lehilahy. (Genesisy 6:4; 19:4, 5; Joda 6, 7) Samy heverin’Andriamanitra ho tsy voajanahary ireo.

Mety ho azo ekena ihany ve ilay fanao?

Mety hisy hanontany hoe: ‘Tsy maninona ve raha resin’ny faniriany ilay olona, noho ny fototarazony, na ny manodidina azy, na ny zavatra nitranga taminy, ohatra hoe nisy nametaveta izy?’ Tsia no valiny. Eritrereto hoe tia toaka be ny olona iray satria hoe efa manaranaka izany, araka ny filazan’ny mpahay siansa azy, na mpisotro be ny ao an-tranony. Mampalahelo tokoa izany nefa tsy tokony hampirisihina hisotro toaka be izy, na hoe hokivina rehefa miezaka ny tsy hisotro be loatra, satria fotsiny hoe vao teraka izy dia efa toy izany na hoe efa izany no nitaizana azy.

Tsy manameloka an’ireo miady mafy amin’ilay fanao ny Baiboly. Tsy milefitra amin’ireo manaiky ho resin’ilay faniriana anefa izy, na ny fototarazon’ilay olona no nahatonga izany na zavatra hafa. (Romanina 7:21-25; 1 Korintianina 9:27) Manome torohevitra azo ampiharina sy mampahery kosa ny Baiboly mba hanampiana an’ireo miady mafy amin’ilay faniriana.

Inona no sitrapon’Andriamanitra ho azy ireo?

Manome toky antsika ny Baiboly fa “sitrapon’Andriamanitra ny hamonjena ny karazan’olona rehetra sy ny hananany fahalalana marina tsara ny fahamarinana.” (1 Timoty 2:4) Tsy mankasitraka ny firaisan’ny samy lehilahy ny Baiboly, nefa tsy mampirisika ny hankahalana ny lehilahy miray amin’ny lehilahy.

Tsy azo hamaivanina ny fiheveran’Andriamanitra ny firaisan’ny samy lehilahy. Milaza ny 1 Korintianina 6:9, 10 fa “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra” ny “lehilahy miray amin’ny lehilahy.” Mampahery anefa ny andininy 11 hoe: “Efa toy izany ihany ny sasany aminareo, saingy efa voasasa madio tsara ianareo, efa nohamasinina ianareo, efa nambara ho marina ianareo tamin’ny anaran’i Jesosy Kristy Tompontsika sy tamin’ny fanahin’Andriamanitsika.”

Noraisina tsara teo anivon’ny fiangonana kristianina tany am-boalohany àry ireo tena naniry hanompo an’Andriamanitra araka ny itiavany azy. Raisina tsara koa ankehitriny ireo olona tso-po te hahazo sitraka amin’Andriamanitra. Mampifanaraka ny fiainany amin’izay lazain’ny Baiboly izy ireny fa tsy mandray ny Baiboly araka izay itiavany azy.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Ny firaisan’ny samy lehilahy no voaresaka ato nefa tafiditra koa ny firaisan’ny samy vehivavy.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Inona no lazain’ny Baiboly momba ny firaisan’ny samy lehilahy?—Romanina 1:26, 27.

● Manavakavaka ny lehilahy miray amin’ny lehilahy ve Andriamanitra?—1 Timoty 2:4.

● Mety ho vitan’ny olona iray ve ny mifady ny firaisan’ny samy lehilahy?—1 Korintianina 6:9-11.

[Sary, pejy 29]

Tokony horaisina araka izay itiavantsika azy ve ny fiheveran’Andriamanitra ny firaisan’ny samy lehilahy na ny samy vehivavy?