Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Fa Naninona àry Aho no Niteny An’izany?

Fa Naninona àry Aho no Niteny An’izany?

Ho hitanao ato amin’ity lahatsoratra ity ireto:

NAHOANA ianao no miteniteny foana?

INONA no hatao rehefa lasalasa ny vava?

AHOANA no hifehezana ny lela?

“Matetika aho no mahatandrina an’izay lazaiko. Lasalasa anefa ny vavako indraindray ka te hisitri-belona aho.”—Chase

“Mety hieritreritra an’ilay izy daholo ny olona fa tsisy miteny. Izaho no tonga dia tafateny an’ilay izy... Loza mihitsy!”—Allie

NAHOANA NO LASALASA NY VAVAKO?

Andinin-teny: “Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary.” (Jakoba 3:2) Tsy misy tena mahafehy ny lelany àry. Maro no mitovy amin’i Bao, * izay nilaza fa efa mitandrina izy nefa vao mainka mahateny zavatra tsy tokony holazaina.

Tena nisy: “Nisy akanjo efa tsy nanaovako intsony nefa tian’ny namako. Tsy nieritreritra na inona na inona aho rehefa niteny hoe: ‘Tsy haiko ireo raha ho antonona an-dry.’ Hoy izy: ‘Inona a? Izaho angaha heverin-dry fa bota be?’ ”—Corrine.

Ataovy ireto mba hahitanao hoe nahoana no lasalasa ny vavanao indraindray:

● Fantaro ny fahalemenao.

․․․․․ Mora mimenomenona aho rehefa tezitra

․․․․․ Tsy mieritreritra tsara aho alohan’ny hitenenako

․․․․․ Miteny aho nefa tsy mba mihaino

․․․․․ Hafa ․․․․․

Ohatra: “Be vazivazy loatra aho ka diso fandray ny teniko ny olona indraindray.”—Alexis.

Fantaro hoe rehefa miaraka amin’iza ianao no lasalasa ny vavanao.

․․․․․ I Dada na i Neny

․․․․․ Zoky na zandry

․․․․․ Namana iray

․․․․․ Olon-kafa ․․․․․

Ohatra: Hoy i Christine, 20 taona: “Mampalahelo fa mora mandratra ny fon’ny olona akaiky ahy aho. Mino aho fa noho izahay mifankazatra be no mahatonga ahy tsy hitandrina.”

INONA NO HATAO REHEFA LASALASA NY VAVA?

Andinin-teny: ‘Aoka isika hiezaka hampisy fihavanana.’ (Romanina 14:19) Fomba iray hanaovana an’izany ny miala tsiny.

Tena nisy: “Maty ny mamako tamin’izaho folo volana ary mbola tsy hitako mihitsy ny dadako. I Nenitoa sy Dadatoa àry no nitaiza ahy. Indray mandeha, tamin’izaho 10 na 11 taona, dia nalahelo be aho sady tezitra satria tsy nisy Mama. Te hanome tsiny olona aho tamin’izay. Raha vao nasain’i Nenitoa nanampy azy hanao zavatra àry aho, dia nanomboka nimenomenona ary tafateny hoe tsy tiako izy ary tsy tena mamako. Hitako hoe taitra be izy. Nankany an’efitranony izy, nohidiany ny varavarana, ary reko izy nitomany. Nanenina be aho tamin’izay. Izy foana no nikarakara ahy nefa novingavingaiko hoatran’ny fako. Niresaka tamiko i Dadatoa avy eo, ary nampisehoany andinin-teny momba ny fifehezana ny lela aho. Nankany amin’i Nenitoa àry aho ka niala tsiny tamin’ny fo manontolo. Tsy maintsy niaiky aho hoe diso.”—Karen.

Soraty eto ny mahasarotra ny miala tsiny:

․․․․․

Nahoana ianao no mety ho maivamaivana raha miala tsiny?

․․․․․

Soso-kevitra: Saintsaino ny toro lalana ao amin’ny Ohabolana 11:2 sy Matio 5:23, 24.

Mazava ho azy fa tsara kokoa ny misoroka, amin’izay ianao tsy voatery hiala tsiny. Ahoana no hanaovana an’izany?

AHOANA NO HIFEHEZANA NY LELA?

Andinin-teny: “Aoka [ianao] ho mailaka hihaino, tsy ho maika hiteny, tsy ho mora tezitra.” (Jakoba 1:19) Ireto misy soso-kevitra hanampy anao hampihatra an’izany torohevitra izany.

Jereo ireto andininy ireto ary ampifandraiso tsirairay amin’ny etsy ampita.

Ohabolana 12:16

Ohabolana 17:14

Ohabolana 26:20

Mpitoriteny 7:9

Filipianina 2:3

1 “Aza mihevi-tena ho zavatra loatra, sao ianao ho afa-baraka eo.”—Dina.

2 “Mandehandeha kely aho. Mba irery vetivety aho amin’izay ka mihatony.”—Bodo.

3 “Nieritreritra aho tamin’izaho mbola kely hoe tsy maintsy alamina daholo ity rehetra ity, ka lasa niady hevitra momba ny zava-drehetra aho. Hitako anefa hoe aleo ho any fotsiny ny zavatra sasany.”—Sandy.

4 “Raha misy olona mivazavaza aminao nefa ianao tsy mamaly mihitsy, dia ho reraka ihany izy amin’ny farany. Mila maharitra fotsiny ianao. Aza itarina ilay olana.”—Kelly.

5 “Misy fotoana aho tezitra amin’olona, ary eritreretiko daholo izay zavatra tiako holazaina aminy. Rehefa afaka elaela anefa dia hitako hoe tsy hitondra ho aiza mihitsy izany. Nianarako hoe aleo tsy tonga dia miteny.”—Charles.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Novana ny anarana sasany.

[Efajoro/Sary, pejy 22]

Allie​—Eritreretiko ireto alohan’ny hitenenako: ‘Hanatsara zavatra ve ilay izy? Inona no ho vokany eo amin’ilay olona iresahako?’ Raha mampisalasala anao ilay izy, dia aleo tsy tenenina.

Chase​—Rehefa misy zavatra tiako hotenenina, dia ezahiko eritreretina izay ho vokany eo amin’ny manodidina ahy. Hitako hoe mihamahay mifehy ny lelako aho izao. Tsy maintsy ianarana tsikelikely ilay izy.

[Efajoro, pejy 23]

ANONTANIO NY RAY AMAN-DRENINAO

Tsy misy tonga lafatra isika, araka ny lazain’i Jakoba hoe: ‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra.’ (Jakoba 3:2) Anontanio ny ray aman-dreninao àry izay ezaka nataony hifehezany ny lelany.

[Sary, pejy 22]

“Tsy azo averina intsony ny ao anatin’ny famotsia-nify rehefa nopotsirina. Hoatr’izany koa ny teny mandratra. Tsy azo sintonina intsony ilay izy rehefa voateny.”—James.