Ilay Zavamaneno avy Amin’ny Hazo
Ilay Zavamaneno avy Amin’ny Hazo
EFA ela ireo mponina sasany any an-tendrombohitr’i Alpes, any Soisa, no nampiasa karazana anjomara mba hifandraisana. Tsy mora ny nibata azy io, satria efa ho indroan’ny halavan’ny mpitsoka azy ny halavany. Azo entin-tanana ihany anefa izy io. Ny sasany aza azo saratsarahina ka tafiditra ao anaty fitoerany. Re hatrany amin’ny folo kilaometatra izy io any amin’ny lohasahan’i Alpes.
Ahoana no fanamboarana azy?
Tsy mahagaga raha fahita any an-tendrombohitr’i Alpes any Soisa ny anjomaran’i Alpes, satria any no betsaka an’ilay karazana kesika fanamboarana azy. Mifaingoka ny fototr’io kesika io, noho izy maniry eny amin’ny tehezan-kavoana misolampy.
Fidin’ilay mpanamboatra aloha ny hazo. Zarainy roa manaraka ny lavany izany ary esoriny amin’ny fandraka ny atiny. Mety ho adiny 80 izany vao vita! Kikisana ny atin’ilay hazo avy eo mba halama tsara. Atambatra amin’ny lakaoly ireo silany roa avy eo ary terena mafy tsara. Asiana tongony koa ilay izy mba hametrahana azy rehefa tsofina. Asiana fitsofana ilay izy avy eo ary asiana sarisary vita sokitra na hoso-doko, eo amin’ilay vavany ngezabe. Hosorana verinia ilay izy amin’ny farany mba hiarovana azy.
Ny nampiasana azy taloha
Efa ela ireo mpiandry biby any an-kavoana no nampiasa an’ilay anjomara rehefa hilaza amin’ny vady aman-janany, izay eny amin’ny faritra iva, hoe salama tsara izy ireo. Mba hiantsoana ombivavy hoterena anefa no tena nampiasana an’ilay izy. Efa ela ireo mpiompy any Soisa no nino fa rehefa mitery ronono izy ireo dia mampitony ny ombivavy ilay feo malefaky ny anjomara.
Mody any am-bala ny omby rehefa ririnina. Maro àry ny mpiandry biby mitondra ny anjomarany any an-tanàn-dehibe mba hitsoka an’izany. Nanampy ny fidiram-bolany izany satria nanome izay foiny ny olona. Niantsoana ny vatan-dehilahy handeha hiady koa ny anjomaran’i Alpes, taloha.
Ahoana no fitsofana azy?
Hoatran’ny hoe mora tsofina ny anjomaran’i Alpes raha vao jerena. Tsy misy lavadavaka na bokotra na zavatra hafa mila tendrena amin’ilay izy. Ny mahasarotra azy dia ny mandrindra ny rivotra ampidirina ao aminy, mba hahazoana ny feo tiana ho azo.
Roa ambin’ny folo monja ny feo avoakan’ny anjomaran’i Alpes. Tsy ny hira rehetra no azo lalaovina amin’io anjomara io. Misy hira efa natao hampiasana azy io anefa ary mahatafavoaka hira kanto maro ny mpitsoka mahay.
Nampidirin’ireo mpamorona hira kilasika malaza tao amin’ny naoty ho an’ny amboaran-kirany ny naoty ho an’io anjomara io. Nanoratra ny “Sinfonia Pastorella” natao hotendren’ny orkesitra, ohatra, i Leopold Mozart rain’i Wolfgang Amadeus Mozart, ka nasiany naoty ho an’ny corno pastoritio, izay karazana anjomaran’i Alpes. Nampiasa sodina sy anjombona i Brahms mba hakana tahaka ny feon’ilay anjomara. Naka tahaka azy io koa i Beethoven ao amin’ilay amboaram-peon-kirany hoe Pastoral, mba hahatsapan’ny mpihaino ny fiaimpiainan’ny mpiandry biby.
Boky momba ny kaonty tamin’ny 1527 no nanonona voalohany ny teny hoe anjomaran’i Alpes. Hita tao amin’ny monasitera iray any Soisa izany. Efa ho 500 taona izay no lasa nefa mbola re manako any amin’ny lohasahan’i Alpes any Soisa foana ny feo malefaky ny anjomaran’i Alpes.
[Sary, pejy 15]
Azo saratsarahina ny anjomaran’i Alpes ary azo entina tanana