Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Izay Manao ny Marina no Tena Hahomby

Izay Manao ny Marina no Tena Hahomby

Izay Manao ny Marina no Tena Hahomby

“Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.”—Lioka 12:15.

ILAINA ny mitady vola. Adidy amin’Andriamanitra ny mamelon-tena sy mamelona ankohonana.—1 Timoty 5:8.

Rehefa mitady vola anefa ny olona sasany, dia tsy hoe mba hivelomany fotsiny. Ny hitady vola no lasa imasoany. Mora manao ny tsy marina ny olona toy izany, ary mety ho tara loatra vao hahatsapa hoe tsy tena mahomby izay manao ny tsy marina. Mahatonga fahoriana maro koa ny fitiavam-bola, hoy ny Baiboly.—1 Timoty 6:9, 10.

Asehon’ny tenin’ireto olona efatra manaraka ireto fa tsy izay mahangona harem-be no atao hoe mahomby.

Hajan’ny tena

“Efa elaela izay, dia niresaka tamin’ny olona iray te hampanao zavatra tao am-piasana aho. Iray tapitrisa dolara ny nanao an’ilay izy ary an’arivony dolara no ho karamako raha raikitra ilay izy. Nilaza ilay olona fa tsy hampanao an’ilay asa izy raha tsy homeko ny antsasak’ilay karama. Nolazaiko taminy hoe ratsy izany sady fandikan-dalàna.

“Niezaka nampieritreritra azy aho hoe raha mandika lalàna aho, dia ho sahiny ankinina amiko ve ny mombamomba azy sy ny momba ny volany. Nohamafisiko taminy ny hevitro ary nasaiko niantso ahy izy rehefa vonona. Tsy nandre momba azy intsony aho taorian’izay.

“Tsy ho nanaja ny hevitra ijoroako aho sady tsy ho mendrika ny hatao hoe Kristianina intsony, raha nanaiky ny tenin’ilay rangahy. Ho lasa andevon’ilay olona nitarika ahy hanao zavatra tsy ara-dalàna koa aho.”—Don, Etazonia.

Milamin-tsaina

Efa hitantsika tany amin’ny lahatsoratra voalohany fa nomena vola be i Danny mba handaingany momba an’ilay orinasa te hamatsy ny tranombarotra niasany. Inona no nataony?

“Nisaorako ilay lehilahy fa niantoka ny sakafoko ary naveriko taminy ilay valopy. Mbola nisisika ihany izy ary nilaza fa hampitomboiny ilay vola raha nekena ny orinasany. Nanda anefa aho.

“Ho natahotra ny ho tratra foana aho raha nandray an’ilay vola. Fantatry ny lehibeko ilay zava-nitranga, tatỳ aoriana. Soa ihany aho fa nanao ny marina. Tsaroako ny voalazan’ny Ohabolana 15:27 hoe: ‘Mitondra loza ho an’ny ankohonany ny olona mitady tombony azo amin’ny tsy rariny, fa ho ela velona kosa ny olona mankahala kolikoly.’ ”—Danny, Hong-Kong.

Tokantrano sambatra

“Mpanao trano aho ary miasa tena. Betsaka ny fomba anambakana ny mpanjifa na ialana amin’ny hetra. Nandray soa anefa izahay mianakavy satria tapa-kevitra ny hanao ny marina foana aho.

“Toetra tokony hananana foana ilay hoe manao ny marina fa tsy hoe rehefa any am-piasana fotsiny. Vao mainka mifampatoky ny mpivady rehefa mahalala fa manaraka ny fitsipik’Andriamanitra foana ny ankilany. Milamin-tsaina ny vadinao rehefa fantany hoe hanao ny marina foana ianao, na dia sarotra aza izany.

“Mety ho lasanao ny orinasa lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao, nefa tsy hahalamina ny olana ao an-tokantrano ny vola. Vavolombelon’i Jehovah aho ary hitako fa manampy ny olona hahay handanjalanja ny fanarahana ny toro lalan’ny Baiboly. Manam-potoana hiarahana amin’ny vady aman-janako aho, nefa tsy fehezin’ity tontolo baikoin’ny vola sy ny fitiavan-karena ity.”—Durwin, Etazonia.

Mifandray tsara amin’Andriamanitra

“Mpividy entana ho an’ny orinasa iasako aho. Izao indraindray no soso-kevitr’ireo mpivarotra: Tsy homeny an’ilay orinasa iasako, hono, ny fihenam-bidy tokony homena azy fa izaho no homeny ampahany amin’ny vidin-javatra aloan’ilay orinasa. Mangalatra amin’ilay orinasa anefa aho amin’izany.

“Kelikely ny karamako ary ho azoko ampiasaina tsara ilay vola fanampiny. Aleoko lavitra anefa milamin-tsaina sy ankasitrahan’i Jehovah Andriamanitra. Manaraka an’ity toro lalan’ny Baiboly ao amin’ny Hebreo 13:18 ity àry aho, isaky ny mividy entana: ‘Te hanao ny marina amin’ny zava-drehetra izahay.’ ”—Raquel, Philippines.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Toro Lalana Manampy Hanao ny Marina

Tsy mitovy ny fitsipika momba ny asa, eran-tany. Azo ampiasaina foana anefa ny toro lalan’ny Baiboly rehefa hamaritra an’izay mety sy tsy mety. Tadidio ireto zavatra enina ireto mba hanaovana ny marina eo amin’ny resaka asa:

Milaza ny marina

Toro lalana: “Aza mifandainga ianareo.”—Kolosianina 3:9.

Tsy miovaova

Toro lalana: “Fa aoka ny teninareo rehefa Eny dia Eny, rehefa Tsia dia Tsia.”—Matio 5:37.

Azo itokisana

Toro lalana: “Aza ambara ny tsiambaratelon’ny hafa.”—Ohabolana 25:9.

Manao ny marina

Toro lalana: “Aza mandray kolikoly, satria ... manajamba ny mason’ny mahiratra ny kolikoly.”—Eksodosy 23:8.

Manao ny rariny

Toro lalana: “Koa izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo àry, dia mba ataovy aminy koa.”—Matio 7:12.

Manara-dalàna

Toro lalana: “Aloavy amin’izy rehetra àry izay tokony ho azy avy: Ny hetra ho an’izay mitaky hetra.”—Romanina 13:7.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

Manaova ny Marina Foana eo Amin’ny Resaka Asa

Fantaro izay zava-dehibe kokoa. Inona, ohatra, no zava-dehibe kokoa aminao, ny hanan-karena sa ny hankasitrahan’Andriamanitra?

Mieritrereta mialoha. Eritrereto izay toe-javatra mety hahatonga anao hanao ny tsy marina ary omano izay holazainao.

Ampahafantaro ny hafa ny fitsipika arahinao. Ataovy izany raha vao manomboka asa iray ianao.

Mangataha fanampiana. Mitadiava torohevitra amin’ny olona manaraka ny fitsipika arahinao, raha alaim-panahy hanao ny tsy marina ianao.

[Sary, pejy 8]

Hilamin-tsaina ianao raha manao ny marina