Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa ny Manao ny Marina

Mahasoa ny Manao ny Marina

Mahasoa ny Manao ny Marina

“Tian’ny olona ny sakafo azo tamin’ny fitaka, nefa ho feno vatokely ny vavany avy eo.”—Ohabolana 20:17.

TSY maintsy manao ny tsy marina ve ianao vao handeha tsara ny asanao? Tsia. Mandrora mitsilany aza izay manao izany, raha ny marina. Atokisan’ny olona kosa ianao rehefa manao ny marina, ary mitondra soa maharitra izany.

Sarobidy ny hoe atokisan’ny olona

Hiankina amin’ny lazanao ho manao ny marina ny fahombiazanao, na fantatrao izany na tsia. Hoy, ohatra, i Franz, ilay tao amin’ny lahatsoratra teo aloha: “Tamin’izaho vao niditra niasa, dia nanao zavatra itsapana ahy foana ny mpampiasa ahy, mba hahitana raha manao ny marina sy azo itokisana aho na tsia. Fantatro izany tatỳ aoriana, ary soa ihany aho fa nanao ny marina. Nomena andraikitra sy fahalalahana bebe kokoa àry aho sady novalian-tsoa. Fantatro fa misy mahavita tsara kokoa an’ilay asako ary misy marani-tsaina kokoa noho izaho. Manana asa anefa aho, hatramin’izao, satria atokisan’ny lehibeko.”

Aza midi-kizo

Hoy i David, ilay mpandraharaha voalaza tany aloha: “Rehefa nandinika an’ireo olona mandika lalàna mba hahazoan-tombony vetivety aho, dia nieritreritra hoe: ‘Taratara ny faktiora indraindray nefa tsy maintsy ho tonga ihany’, izany hoe hahita olana foana izay manao ny tsy marina. Tsy nety nifampiraharaha tamin’ny orinasa maro nampiahiahy izahay. Efa bankirompitra ny maro amin’izy ireny ary nigadra ny mpiasa sasany. Tsy toy izany kosa ny orinasanay.”

Nanangana toeram-piompiana omby i Ken, atsy Afrika Atsimoatsinanana. Ho nahazo entana haingana izy ary ho nampian’ny manam-pahefana tsy handoa hetra, raha nanome azy ireo tsolotra. Hoy izy: “Betsaka ny mpiompy nanao toy izany. Nanao ny marina kosa izahay ka folo taona vao azonay daholo izay nilainay. Voa mafy ve izahay? Tsy izany mihitsy. Te hahazo vola fanampiny ireo manam-pahefana ka norebirebeny foana ireo nanao kolikoly.”

Rehefa misy olana

Vao mainka alaim-panahy hanao ny tsy marina ny olona rehefa mitady tsy handeha ny asany. Amin’izay koa anefa no ahitana ny maha zava-dehibe ny hoe malaza ho manao ny marina.

Diniho, ohatra, i Bill, izay nanana ekipa mpanao trano. Bankirompitra izy nandritra ny krizy iray tany Etazonia. Hoy izy: “Be dia be ny mpanjifa tsy nahaloa ny volanay, izay nitentina ana hetsiny dolara. Nanatona mpanao trano hafa aho, rehefa hitako hoe tsy ho avotra intsony izahay. Nanontaniako izy raha afaka nanakarama ny sasany taminay. Nivory nandritra ny roa andro ry zareo ary nomeny asa izaho sy ny ankamaroan’ny mpiasako, satria nalaza ho miasa tsara sy manao ny marina, hono, aho.”

Vavolombelon’i Jehovah daholo ireo voalaza ireo. Manaraka an’izay lazain’ny Baiboly izy ireo eo amin’ny asany sy ny fiainany manontolo. Mitondra soa fa tsy mamono antoka azy ireo ny fanaovany ny marina.

Na izany aza, dia hisy foana ny toe-javatra hahatsapanao hoe toa ahazoana tombony ny fanaovana ny tsy marina. Ny tombony ara-bola azonao ihany ve anefa no amaritana hoe mahomby ianao?

[Teny notsongaina, pejy 6]

Hiankina amin’ny lazanao ho manao ny marina ny fahombiazanao, na fantatrao izany na tsia

[Sary, pejy 7]

“Nalaza ho miasa tsara sy manao ny marina, hono, aho.”—Bill, Etazonia