Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankasitraka ny Fitiavan’Andriamanitra Izy Ireo

Mankasitraka ny Fitiavan’Andriamanitra Izy Ireo

Mankasitraka ny Fitiavan’Andriamanitra Izy Ireo

● Nampianarin’i Jesosy hankasitraka ny fitiavan’Andriamanitra isika. Hoy izy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana [Jesosy] mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Asongadin’ny boky Manatòna An’i Jehovah ny fitiavan’Andriamanitra antsika sy izay azontsika antenaina noho ny nanomezany ny Zanany.

Hoy ny vehivavy iray any Floride, Etazonia: “Tena talanjona tamin’ny fitiavan’i Jehovah sy ny fahendreny ary ny heriny aho, rehefa avy namaky ny toko faha-5. Vao mainka aho tia sy nanaja azy rehefa nisaintsaina momba ny zavaboariny.” Hoy koa ny vehivavy iray any Dakota Atsimo, any Etazonia: “Sarotra be tamiko ny nampiseho fitiavana (sy ny nahatsapa hoe tiana), nandritra ny 30 taona mahery. Tena nanampy ahy anefa iny boky iny.”

Miresaka momba an’ireo toetra mampiavaka an’Andriamanitra ilay boky 320 pejy hoe Manatòna An’i Jehovah. Resahina ao fa mahery izy, tia rariny, hendry, ary be fitiavana. Raha te hanafatra an’io boky io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso an’ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.