Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mieritreritra ny Hamono Tena ve Ianao?

Mieritreritra ny Hamono Tena ve Ianao?

Mieritreritra ny Hamono Tena ve Ianao?

OLONA an’aliny isan-taona no manandrana mamono tena, any Etazonia fotsiny. Lazain’ny Baiboly ny antony lehibe iray mahatonga ny olona maro hamoy fo toy izany. “Fotoan-tsarotra tsy mora setraina” izao, hoy izy io, ka mafy be amin’ny olona ny fiainana. (2 Timoty 3:1; Mpitoriteny 7:7) Rehefa tsy mahatanty ny onjam-piainana ny olona dia mety hihevitra hoe ny mamono tena no vahaolana. Efa nieritreritra toy izany ve ianao? Inona no azonao atao?

Tsy irery ianao

Marina fa toa mampamoy fo ny manjo anao. Tadidio anefa fa tsy irery ianao. Mampalahelo fa saika ny rehetra no manana olana. Hoy ny Baiboly: “Mbola miara-mitoloko sy miara-mijaly foana ny zavaboary rehetra.” (Romanina 8:22) Hilamina ihany ny olana sasany, rehefa mandeha ny fotoana, na dia toa tsy hilamina mihitsy aza izany izao. Inona no azonao atao mandra-pahatongan’izay?

Miresaha amin’ny namana matotra sy azo itokisana. Hoy ny Baiboly: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady toy ny rahalahy natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.” (Ohabolana 17:17) Namboraka an’izay tsapany i Joba, ilay lehilahy marina resahin’ny Baiboly, tamin’izy nijaly mafy. Izao no tsapany: “Maharikoriko ahy ny aiko!” Hoy izy avy eo: “Hamoaka ny fitarainako aho, ary hiteny ao anatin’ny fahoriam-poko.” (Joba 10:1) Ho maivamaivana kokoa ianao raha miresaka amin’olona, ary mety hiova ny fahitanao an’ilay olana.

Miresaha amin’Andriamanitra. Misy mihevitra fa fampandriana saina fotsiny ny vavaka. Tsy izany anefa no lazain’ny Baiboly. Antsoina hoe “Mpihaino vavaka” i Jehovah Andriamanitra, ao amin’ny Salamo 65:2. Hoy koa ny 1 Petera 5:7: “Miahy anareo izy.” Imbetsaka ny Baiboly no manamafy fa ilaina ny mitoky amin’Andriamanitra. Ireto misy ohatra:

“Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao manontolo, fa aza miantehitra amin’ny fahaizanao. Eritrereto izy amin’izay rehetra ataonao, dia hataony mandeha tsara ny fiainanao.”OHABOLANA 3:5, 6.

‘Hotanterahin’i Jehovah ny fanirian’izay matahotra azy. Hohenoiny izy ireo rehefa miantso vonjy, ka hovonjeny.’SALAMO 145:19.

“Izao no toky ananantsika ny amin’Andriamanitra: Na inona na inona angatahintsika ka mifanaraka amin’ny sitrapony, dia mihaino antsika izy.”1 JAONA 5:14.

“Lavitra ny ratsy fanahy i Jehovah, fa ny vavaky ny marina no henoiny.”OHABOLANA 15:29.

Hanampy anao Andriamanitra raha resahinao aminy ny zava-manahirana anao. Izany no mahatonga ny Baiboly hampirisika hoe: ‘Matokia azy foana! Aoka ianareo hamboraka aminy ny ao am-ponareo.’—Salamo 62:8.

Mety hisy zavatra hafa ilaina

Asehon’ny fikarohana fa efa ketraka lava ny ankamaroan’ny olona namono tena. * Mety hilaina àry ny fanampian’ny mpitsabo satria efa aretina izany. Mety hanome fanafody anao ny dokotera na hampirisika anao hanao fanovana eo amin’ny resaka sakafo. Tena manampy ny olona sasany koa ny fanatanjahan-tena. Maro no nandray soa tamin’ny fanampian’ny mpitsabo. *

Misy hevitra maro mety hanampy sy hanome fanantenana anao ao amin’ny Baiboly. Hoy, ohatra, ny Apokalypsy 21:4 momba an’i Jehovah Andriamanitra: “Hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.” Fampanantenan’Andriamanitra izany ka hanamaivana anao raha saintsaininao.

Olona an-tapitrisany eran-tany no iresahan’ny Vavolombelon’i Jehovah momba an’izany fampanantenan’ny Baiboly izany. Maro àry no manana fanantenana azo antoka na dia mahakivy aza ny fiainana. Mifandraisa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny aminareo raha te hahazo fanazavana fanampiny ianao. Tsidiho ny Efitrano Fanjakana eny akaikinareo, na manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity. Azonao jerena koa ny www.watchtower.org.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Manazava bebe kokoa momba ny fahaketrahana ny Mifohaza! Jolay 2009, pejy 3-9.

^ Tsy mampirisika ny olona hanaraka fitsaboana manokana ny Mifohaza! Ny tsirairay no hamantatra izay fitsaboana mety aminy.

[Efajoro, pejy 16]

MANAMPY ANAO NY BAIBOLY

● “Aza manahy na amin’inona na amin’inona, fa amin’ny zava-drehetra, dia ampahafantaro an’Andriamanitra ny fangatahanareo, amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fitalahoana mbamin’ny fisaorana. Ary ny fiadanan’Andriamanitra izay lehibe lavitra noho ny eritreritra rehetra no hiambina ny fonareo sy ny sainareo amin’ny alalan’i Kristy Jesosy.”—Filipianina 4:6, 7.

● “Nanontany an’i Jehovah aho, dia namaly ahy izy, ka nanafaka ahy tamin’ny tahotro rehetra.”—Salamo 34:4.

● “Akaikin’izay torotoro fo i Jehovah, ary mamonjy an’izay ketraka.”—Salamo 34:18.

● “Manasitrana an’ireo torotoro fo izy, ary manisy fehy ny ratran’izy ireo.”—Salamo 147:3.

[Efajoro, pejy 17, 18]

RAHA MIERITRERITRA NY HAMONO TENA IANAO DIA...

Miresaha amin’ny namana matotra sy azo itokisana

Miresaha amin’Andriamanitra

Manatòna mpitsabo

[Efajoro/Sary, pejy 18]

HO AN’NY HAVANA AMAN-TSAKAIZA

Ny havan’ilay olona sy ny namany akaiky, matetika, no mahita voalohany hoe te hamono tena ny olona iray kivy. Mety hamonjy ny ainy ianao raha manao zavatra. Henoy tsara izy ary miaraha ory aminy. Ekeo hoe tena mafy ny mahazo azy. Mampirisika antsika “hanao teny mampahery ny kivy” ny Baiboly. (1 Tesalonianina 5:14) Asaivo mitady fanampiana izy. Ataovy azo antoka avy eo hoe tena mahazo ny fanampiana ilainy izy.