Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Inona no Diso eo Amin’io Sary Io?

Vakio ny Genesisy 24:1-4, 10-23. Inona no zavatra telo diso eo amin’io sary io? Soraty eo ambany ny valin-teninao, ary lokoy ny sary.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

3. ․․․․․

IARAHA-MIDINIKA:

Inona avy ny toetra tsara nananan’i Rebeka?

Vakio ny Ohabolana 31:17, 27, 29-31; 1 Petera 4:9.

Ahoana no azonao anahafana an’i Rebeka?

Vakio ny Ohabolana 11:25; Romanina 12:11.

ATAON’NY MPIANAKAVY:

Soraty ny anaran’ny olona iray tianao hampiana sy izay azonao atao mba hanampiana azy. Asehoy amin’ny ao an-tranonareo ilay taratasy avy eo. Iaraho midinika hoe inona no hataonareo ho an’ilay olona, sy hoe rahoviana izany no hatao. Rehefa avy nanampy azy ianareo, dia iaraho midinika indray hoe inona no tsapanareo.

Angony ary Ianaro

Hetezo, aforeto, ary tehirizo

KARATRA ARA-BAIBOLY 13 JOBA

FANONTANIANA

A. Nanan-janakalahy ․․․․․ sy zanakavavy ․․․․․ i Joba, tamin’ny fitambarany.

B. Nataon’i Satana ahoana i Joba?

D. Fenoy ity tenin’i Joba ity: “Tsy hanaiky hivadika mihitsy aho, ...”

[Tabilao]

4026 Talohan’i Kristy (T.K.) Taona 1 98

Noforonina i Adama Niaina tamin’ny 1600 Vita ny fanoratana

T.K. tany ho any ny Baiboly

[Sarintany]

Nipetraka tany Oza

TANY NAMPANANTENAINA

EJIPTA

OZA?

JOBA

MOMBA AZY

Lehilahy “tsy manan-tsiny izy, sady marina” teo anatrehan’Andriamanitra. (Joba 1:8) Nanompo an’Andriamanitra foana i Joba na dia nampirisika azy hivadika aza ny vadiny sy ny olon-kafa. (Joba 1:20-22; 2:9, 10) Niaritra izy ka novalian-tsoa. Fantatsika izany ary lasa mahazo hery isika ka ho vitantsika ny tsy hivadika rehefa misy fitsapana.—Joba 42:12-17; Jakoba 5:11.

VALINY

A. 14, 6.—Joba 1:2; 42:13.

B. Novonoiny ny bibin’i Joba sy ny mpanompony ary ny zanany, sady nataony narary izy.—Joba 1:13-19; 2:4-7.

D. “... mandra-pahatapitry ny aiko.” —Joba 27:5.

Olona sy Tany

4. Lukas no anarako, fito taona aho, ary mipetraka atỳ Alemaina. Firy eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ Alemaina: 60 000, sa 100 000, sa 160 000?

5. Aiza amin’ireo teboka ireo no mampiseho ny atỳ aminay? Ataovy anaty boribory izany. Asio teboka eo amin’izay misy anao, ary jereo ny elanelan’ny misy anao sy Alemaina.

A

B

D

E

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireo sary ireo. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

Raha te hanao pirinty an’ireo “Natao Hodinihin’ny Mpianakavy” ianao, dia jereo ireo Mifohaza! ao amin’ny www.pr418.com

● Any amin’ny pejy 27 ny valin’ny “NATAO HODINIHIN’NY MPIANAKAVY”

VALIN’NY PEJY 30 SY 31

1. Tokony ho 10 ny isan’ireo rameva fa tsy 11.

2. Tavin-drano fampisotroam-biby no nofenoin’i Rebeka fa tsy barìka telo.

3. Kavin’orona iray sy brasele roa no nomen’ilay mpanompo fa tsy vakana.

4. 160 000.

5. D.