Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Ahoana no Tokony Hivavahana?

Ahoana no Tokony Hivavahana?

VONINAHITRA lehibe ny mamboraka an’izay ao am-pontsika amin’ilay Mahery Indrindra. Tsy tena mahay mivavaka anefa ny olona maro. Ny hafa kosa te hanatsara ny vavaka ataony. Nanahy ny sasany tamin’ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy raha nety ny vavaka nataony na tsia, ka hoy ny iray taminy: “Tompo ô, mba ampianaro mivavaka izahay.” (Lioka 11:1) Nanome modely azy ireo i Jesosy ary antsoina matetika hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo na ny Rainay Izay any An-danitra ilay vavaka. Manampy antsika hiresaka amin’Andriamanitra araka ny tokony ho izy, io vavaka kanto sy tsotra io, sady mampiharihary ny loha hevitry ny Baiboly.

Ilay vavaka modely

Hoy i Jesosy: “Koa mivavaha toy izao ianareo: ‘Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra! Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio, ary mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay. Ary aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.’ ”Matio 6:9-13.

Mariho fa nilaza i Jesosy hoe: “Koa mivavaha toy izao ianareo.” Tsy tian’i Jesosy hamerimberina teny na hanao tsianjery àry ny mpanara-dia azy. Vao avy nandrara azy ireo tsy hanao an’izany aza izy. (Matio 6:7) Naharihariny tamin’io vavaka io kosa izay tokony hatao loha laharana, izany hoe izay zava-dehibe amin’Andriamanitra fa tsy izay tiantsika. Ahoana no hahalalantsika an’izany? Andeha hodinihintsika ireo tenin’i Jesosy.

Inona no tian’i Jesosy holazaina?

“Rainay izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao! Mety raha nantsoin’i Jesosy hoe ‘Ray’ Andriamanitra satria tia sy miaro antsika izy, toy ny ray tsara fanahy. Manana anarana koa izy, dia hoe Jehovah. * (Salamo 83:18) Tsy tokony hafangaro amin’ny anaram-boninahiny hafa toy ny hoe Mahery Indrindra sy Andriamanitra ary Tompo izany. Nahoana anefa no tokony hohamasinina ny anarany, izay mahatafiditra ny lazany? Satria nalam-baraka izy io ary nisy nanaratsy.

Manome tsiny an’Andriamanitra ny olona sasany rehefa misy fahoriana. Mety ho ny olona ihany anefa no mahatonga izany, na mety ho sendra teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza fotsiny izy. (Ohabolana 19:3; Mpitoriteny 9:11) Ny hafa kosa milaza fa Andriamanitra no mahatonga ny hetraketraky ny natiora. Milaza anefa ny Baiboly fa ‘sady tsy azo tsapaina amin-javatra ratsy Andriamanitra, no tsy mitsapa na iza na iza amin’izany.’ (Jakoba 1:13) Fivavahana maro koa no mampianatra fa sazin’Andriamanitra mandrakizay any amin’ny afobe ny ratsy fanahy. Tena manala baraka an’ilay Andriamanitra fitiavana izany fampianarana izany. (Jeremia 19:5; 1 Jaona 4:8) Milaza ny Romanina 6:23 fa “fahafatesana no tambin’ny ota” fa tsy fampijaliana mandrakizay. *

“Ho tonga anie ny fanjakanao!” Fitondram-panjakana ny Fanjakan’Andriamanitra ary i Jesosy Kristy no Mpanjakan’izy io. Tsy ho ela izy dia hanjaka eran-tany. Hoy ny Daniela 7:14: “Nomena azy ny fitondrana sy ny voninahitra ary ny fanjakana.” “Ho tonga” ny Fanjakan’Andriamanitra rehefa handamina ny olana mahazo ny olombelona sy hanafoana an’izay rehetra manohitra azy ary hanjaka eran-tany.—Daniela 2:44.

“Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” Hanao ny sitrapon’Andriamanitra ny olombelona rehefa hanapaka ilay Fanjakana. Hihavana tsara ny olona ary hivavaka amin’Andriamanitra araka ny fahamarinana. Tsy hisy intsony ny politika mampisara-bazana sy ny fivavahan-diso. Milaza ny Apokalypsy 21:3, 4 fa toy ny hoe ho “eo amin’ny olombelona ny tranolain’Andriamanitra” ary “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo, ka tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana, fa efa lasa ny zavatra taloha.”

“Omeo anay anio izay hanina sahaza anay anio.” Ny anaran’Andriamanitra sy ny Fanjakany aloha no noresahin’i Jesosy, vao niresaka momba ny zavatra ilaintsika izy. Nasehony fa tsy tokony hitady mihoatra an’izay ilaintsika “anio” isika. Tokony harahintsika izay lazain’ny Ohabolana 30:8 hoe: “Aza atao mahantra aho, nefa aza atao manankarena koa. Izay sakafo sahaza ahy no aoka hohaniko.”

“Mamelà ny helokay, tahaka ny namelanay izay meloka taminay.” Trosa no dikan’ilay teny hoe ‘heloka’ eto. Tokony hankatò an’Andriamanitra isika rehetra. Toy ny hoe mitombo àry ny trosantsika rehefa tsy mankatò azy na manota aminy isika. Vonona hamela an’izany anefa i Jehovah raha mamela an’izay manota amintsika isika.—Matio 18:21-35.

“Aza mitondra anay ho amin’ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ilay ratsy.” I Satana Devoly ‘ilay ratsy’ ary antsoina hoe “Mpaka fanahy” izy. (Matio 4:3) Mora manota isika satria tsy lavorary. Mila an’Andriamanitra àry isika mba hanoherana an’i Satana sy ny olona ampiasainy.—Marka 14:38.

Enga anie ka hanatsara ny vavaka ataonao io vavaka modely io. Mila manitsy an’izay ataonao loha laharana angamba ianao. Mampiharihary ny loha hevitry ny Baiboly koa io vavaka io. Inona izany? Asehon’ny tenin’i Jesosy fa ny Fanjakan’Andriamanitra no hanamasina ny anaran’Andriamanitra sy hanala ny faharatsiana rehetra ary hitondra fiadanana eto an-tany. Mirakitra harena sarobidy tokoa ilay vavaka modely nomen’i Jesosy!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Miseho im-7 000 eo ho eo io anarana io tamin’ny Baiboly vao nosoratana, tamin’ny teny hebreo sy grika. Ny anaram-boninahitr’Andriamanitra anefa no hita amin’ny dikan-teny maoderina maro fa tsy ny anarany.

^ Toy ny “matory” na “tsy mahalala na inona na inona” ny maty ary miandry ny hananganana azy, fa tsy hoe mbola manohy miaina.—Jaona 5:28, 29; 11:11-13; Mpitoriteny 9:5.

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niteny izy hoe: “Koa mivavaha toy izao ianareo”?—Matio 6:9.

● Inona no tokony horesahintsika voalohany rehefa mivavaka? —Matio 6:9, 10.

● Nahoana isika no tokony hamela ny helok’izay manota amintsika? —Matio 6:12.

[Sary, pejy 13]

Izay zava-dehibe amin’Andriamanitra no tokony hataontsika loha laharana fa tsy izay tiantsika. Manampy antsika hanao izany ilay vavaka modely nampianarin’i Jesosy