Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Ahoana re no Hampahafinaritra ny Fianarako Baiboly E?

Ahoana re no Hampahafinaritra ny Fianarako Baiboly E?

Maninona moa ianao no mila mianatra Baiboly? Eritrereto izao:

Mirakitra zava-tsarobidy io boky be mpividy indrindra io, satria

● Manampy anao hanana ny fiainana tsara indrindra

● Mampahafantatra anao ny hoavy sy ny lasa. Tsy misy fomba hafa ahalalanao an’izany

● Manampy anao hahalala ny toetranao sy hanana toetra tsara *

ILANA ezaka ny mianatra Baiboly nefa tena andraisan-tsoa. Tian’ny tanora toa anao ny mianatra Baiboly samirery ary mandray soa izy ireo na dia eo aza ny olana. Tianao ho fantatra ve izay nataony? Hetezo sy aforeto àry ny pejy manaraka.

“Tsy tapitra mihitsy ny zavatra azo ianarana ao amin’ny Baiboly ka misy ho an’ny tsirairay.”—Valisoa. *

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Miresaha amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo na manorata any amin’ny adiresy iray eo amin’ny pejy 5, raha tianao ho fantatra hoe ahoana no ahavitan’ny Baiboly an’izany rehetra izany.

^ Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

[Efajoro/Sary, pejy 19, 20]

FOMBA IANARANA BAIBOLY

Olana: TSY MAZOTO

“Izaho aloha tsy hahavita hipetraka hianatra mandritra ny adiny iray e!”—Fitia.

Inona no ilainao? FAMPIRISIHANA

Tsy ho tianao ny hianatra Baiboly raha tsy fantatrao izay tombony ho azonao avy amin’izany. Te ho naman’Andriamanitra ve, ohatra, ianao? Sa te hahafantatra bebe kokoa ny dikan’ny zava-mitranga eran-tany? Sa te hanatsara ny toetranao? Hanampy anao amin’izany ny Baiboly, ary hanampy anao amin’ny zavatra hafa koa.

“Aza eritreretina hoe hoatran’ny asa ilay izy na hoatran’ny mianatra any am-pianarana. Eritrereto kosa hoe ho akaiky an’i Jehovah Andriamanitra, ilay Namanao tsara indrindra, ianao raha mianatra Baiboly.”—Iaro.

“Fotoana manokana iarahanao amin’i Jehovah Andriamanitra ny fotoana ianaranao. Ahoana raha tsy miaraka amin’ny olona iray ianao raha tsy eo ny ray aman-dreninao? Tena namanao ve ilay olona sa naman’ny ray aman-dreninao fotsiny? Ho lasa namanao i Jehovah raha ianao mihitsy no mianatra samirery.”—Beby.

Tadidio izao: “Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra, ary mahasoa mba hampianarana, hananarana, hanitsiana izay diso, hanafaizana araka ny fahamarinana.” (2 Timoty 3:16) Hahasoa anao amin’ireo lafiny ireo ny Baiboly.

“Miezaka hifantoka amin’ny soa ho azoko aho. Manampy ahy ny fianarana, raha misy tokony hihatsarako.”—Mija.

Eritrereto izao:

Inona no handrisika anao hianatra?

Olana: LEO

“Manomboka reraka aho rehefa afaka 10 minitra. Te hanao zavatra hafa aho rehefa afaka 20 minitra. Leo be aho rehefa afaka 30 minitra.”—Allison.

Inona no ilainao? MAMORON-KEVITRA

Mitadiava hevitra ka diniho hoe inona no hianaranao, ahoana no hanaovanao azy, ary aiza ianao no hianatra.

“Makà fotoana hikarohana ny valin’ny fanontanianao. Ho afa-po ianao, ary ho faly mihitsy aza, raha izay noeritreretinao no ianaranao.”—Tahina.

“Rehefa mamaky tantara ianao, dia ataovy toy ny hoe teo mihitsy ianao, ohatra hoe mpilalao fototra na mpitazana. Ataovy toy ny hoe mahita an’ilay zava-mitranga ianao.”—Steven.

“Ataovy mahafinaritra ilay izy. Mipetraha eny an-tokotany ary mitondrà ranom-boankazo. Tiako ny mihinankinan-javatra rehefa mianatra. Iza no tsy ho tia an’izany?”—Sariaka.

Tadidio izao: Eritreritrao fotsiny ilay hoe leo ianao fa tsy voatery hoe marina izany. Aza mieritreritra àry hoe ny fianarana no mankaleo. Ianao fotsiny no leo. Diniho tsara ny fomba fihevitrao. Ho hainao izay ao an-tsainao, amin’izay, ary ho vitanao ny hanitsy an’izay tsy mety.—Ohabolana 2:10, 11.

“Tsy voatery hankaleo ny mianatra samirery. Ianao ihany no mamaritra hoe tianao ho hoatran’ny ahoana ilay izy.”—Vanessa.

Eritrereto izao:

Inona no hevitra hitanao hoe hanampy anao rehefa mianatra?

Olana: TSY MANAM-POTOANA

“Te hianatra Baiboly bebe kokoa aho. Be atao be anefa aho ka sarotra ny mahita fotoana hanaovana an’ilay izy.”—Maria.

Inona no ilainao? MANAO AN’IZAY ZAVA-DEHIBE KOKOA

Hita hoe mihamatotra ianao rehefa mahay ‘mamantatra tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.

“Nampisaintsainin’i Neny aho hoe tsy hanana fotoana fanampiny mihitsy, fa izaho no mila mitady fotoana ianarana. Nahita fotoana aho rehefa niezaka ho tia an’ilay izy.”—Nathalie.

“Nahatsapa aho rehefa nihalehibe fa tsy maintsy manokana fotoana ianarana ary manaja an’ilay fotoana, na inona na inona mitranga.”—Navalona.

“Vao mainka ho tianao ny mianatra raha mianatra ianao vao miala voly. Tsy hanenjika anao koa ny eritreritrao avy eo.”—Diana.

Tadidio izao: Tsy hahavita an’izay tianao hatao mihitsy ianao, raha tsy mametra an’izay zava-dehibe kokoa. Miezaha àry hitady fotoana ianarana.—Efesianina 5:15, 16.

“Mpianatry ny lise aho ka be atao. Ataoko anefa izay hahitana fotoana ianarana Baiboly samirery.”—Josia.

Eritrereto izao:

Inona no fotoana azonao atokana mba hianarana?

[Efajoro/Sary, pejy 19]

SOSO-KEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Zachary: Tsy izay ianaran’ny ray aman-dreninao na ny olon-kafa fotsiny no tokony hianaranao. Tena fianarana samirery ilay izy raha zavatra tianao no ianaranao.

Kaley: Ataovy kelikely aloha ilay fianarana. Tsy maninona na 5 minitra aza no anananao, fa ataovy isan’andro. Azonao ampitomboina tsikelikely izany, avy eo, ohatra hoe 10 minitra, 15 minitra... Ho tianao ilay izy amin’ny farany.

Daniela: Zavatra kely koa dia efa mety hampahafinaritra an’ilay izy. Makà stylo vitsivitsy sy kahie kely mahafatifaty, na mamoròna rakitra ao amin’ny ordinateranao, dia ataovy hoe Fianarana Samirery ny anaran’ilay izy.

Jordan: Mahavita mianatra ela kokoa aho raha zavatra tiako no ianarako. Mila toerana milamina koa aho. Tsy mahavita mianatra aho raha vao misy tabataba.

[Kisary, pejy 18]

(Jereo ny gazety)

Hetezo

Aforeto